Mankany an-danitra daholo isika rehefa miala eto...

1. niryna ( 05/01/2007 19:19)
Sendra niresaka ahy ity mpino iray raha nilaza izy fa isika rehetra hono dia samy ho any an-danitra daholo rehefa maty.Mino an\'izany ve ianareo sa manana fisalasalana:?::?:
novalian'i prime ny 25/01/2007 13:02
2. LazaDaddy ( 05/01/2007 19:41)
niryna> andao ampilaharina @ Tenin'ny Tompo ka raha tsy mifandipatra dia inoako fa raha mifanohitra kosa dia tsy inoako.:)

Mialoha izany anefa dia iza aloha ilay vondron'olona hoa "isika rehetra"? Ny mpanara-dia sy mpankatoa an'i Kristy rehetra ve?
3. cutie ( 05/01/2007 20:57)
Mpandefa : niryna [ Valio ] 05-01-2007 20:19:03
Lohateny : Mankany an-danitra daholo isika rehefa miala eto...
Sendra niresaka ahy ity mpino iray raha nilaza izy fa isika rehetra hono dia samy ho any an-danitra daholo rehefa maty.Mino an'izany ve ianareo sa manana fisalasalana

mino:lol:
4. Fiffi ( 05/01/2007 22:01)
miankina @ finoan'ny tsirairay io ...
5. zandikely ( 05/01/2007 22:36)
Zavatra tsy misy izany, fa angano daholo ny betsaka !
Fa iza aloha efa avy tany e!
6. Zina ( 05/01/2007 22:45)
niryna [ Valio ] 05-01-2007 20:19:03
Lohateny : Mankany an-danitra daholo isika rehefa miala eto...
Sendra niresaka ahy ity mpino iray raha nilaza izy fa isika rehetra hono dia samy ho any an-danitra daholo rehefa maty.Mino an'izany ve ianareo sa manana fisalasalana


marina ny LD specifieo kely iza ity "isika rehetra"

ary ny tiany lazaina ve oe raha maty izao isika dia ho any an-danitra?

Tsy izany mantsy fa amiko misy dikany roa izy io ka tiako ho fantatra....
7. caprio ( 05/01/2007 23:05)
zandikely:fa nga koa hianao efa tany no mahalala we angano sy tsy misy zany
8. cutie ( 05/01/2007 23:58)
Mpandefa : zandikely [ Valio ] 05-01-2007 23:36:45
Lohateny : Re : Mankany an-danitra daholo isika rehefa miala eto...
Zavatra tsy misy izany, fa angano daholo ny betsaka !
Fa iza aloha efa avy tany e!

:-D:-D:-D:-D
9. niryna ( 06/01/2007 02:47)
Zandikely a mba tantarao anay hoe ny hitanao tany fa mba liana izahay.
Voafoaka daholo isika rehetra,mino sy tsy mpino.Atra ve hoy izy dia hamela ahy irery eto,tsy mino an\'izany aho hoy ilay vavy niresaka tamiko:*:*:*
10. zandikely ( 06/01/2007 03:06)
Caprio: Tsy tany aho fa izay maty rehetra hitako dia alefina anaty tany na dorana ka tsy mbola hitako izay lasa any andanitra .
Efa mba namaky ny bokindry K. Ross, Near Death experiences ireny aho fa tsy olona tena maty ireny fa mbola velona fa tsy mahatsiaro saina fotsiny dia avy eo mamorona mitantara zavatra rehetra izao.
Ny aina ange dia io miaina io ihany fa rehefa maty dia aza mieritreritra zavatra hafa intsony.
11. niryna ( 06/01/2007 03:14)
Izany ve ? ;-) koa tsy maty atoka ve ny mpivavaka ;-)Mahavoa ny tsy nandalina :°)
12. dailynews ( 06/01/2007 21:21)
mankany raha nandray an i Jesoa teto antany tao antin ny foko sy ny fiainako sy niara dia taminy mandrapialako eto antany izany hoe nanao ny sitrapony. Fa Izy nilaza fa Izy hono no varavarana hidirana any andanitra koh..."got Jesus?"
13. ann ( 07/01/2007 14:49)
samy manana ny fijeriny ny tsi11 izay mino kosa dia manaraka izay voalazan'ny finoany, fa hoantsika tsy izay tsy mino kosa dia tano ny finoana tsy valiny izany hoe:" satria tsy nisy nahita tany de midika ny tsy fisiany" maro ny zavatra tsy hita eto antany nefa eken'ny rehetra ny fisiany .
Mba manotany anareo koa zahay :
raha tsy makany andanitra de aiza no halehany?
ary ny fanahy koa ve mety maty? sa ny vatana ihany?
14. niryna ( 08/01/2007 04:59)
Ka e ono mipetraka ny fanontaniana koa?
15. soanja ( 08/01/2007 05:27)
ann:

samy manana ny fijeriny ny tsi11 izay mino kosa dia manaraka izay voalazan'ny finoany, fa hoantsika tsy izay tsy mino kosa dia tano ny finoana tsy valiny izany hoe:" satria tsy nisy nahita tany de midika ny tsy fisiany" maro ny zavatra tsy hita eto antany nefa eken'ny rehetra ny fisiany .
Mba manotany anareo koa zahay :
raha tsy makany andanitra de aiza no halehany?
ary ny fanahy koa ve mety maty? sa ny vatana ihany?


Raha eo ny resaka ry Ann dia azo eritreretina ny reincarnation ny fanahy. Izay tsy nahavita adidy dia miverina ety ambonin'ny tany manatsara ny asany sy ny fanompona an'Andrimanitra.
Tsy misy mahalala izay marina fa dia mino sy mahatoky fa misy fitohizany ny fanahy rehefa miala ny vatana. Miankina amin'ny zavanisy niainan'ilay olona talohan'ny nahafatesany anefa izany. Ny fiombonana amin'Andrimanitra no faratampony, ka ahazoana ilay Famonjena mandrakizay.


16. ann ( 08/01/2007 16:05)
raha izany ry soanja de tsy aleo ve tsy manompo?
Raha azoko tsara ny teninao de mila miteny anao hoe:
"IREO IZAY NANAO ASA RATSY DIA AFAKA MANOLO IZANY"
ka raha izany de inona koa no ilana ny fivavahana , satria mbola hanolo izany isika rehefa sendra ka voa kobay any andanitra any.
@min;ny fijerin;ny finoanay kosa dia tsy marina izany[mialatsiny raha manohitra ny teninao ry soanja], satria raha toa ka misy izany de ataoko fa tsy ilana tsony ny fivavahana, satria samy hiditra any andanitra avokoa, fa ny fotona idirana any no samy hafa.
Arakan'ny lovantsofina dia : rehefa maty hono ny olona iray dia miala Aminy ny fanahiny : ialy maha olona" ary izany dia tsy mety maty, ary rehefa ao ampasana [rehefa alevina izy dia miverina @ilay vatana ,satria ny fahafatesana dia fisarahan'ny fanahy, izay antsoina @ teny arabo manao hoe: rooh",@ vatana"jism".], ka ao dia efa manomboka ny fanotanina mikasika ny finoanao,ary raha tsy afaka @ izany fanotanina izany anao dia efa manomboka ny sazy madinidinika ,zany hoe: ny famaizana dia efa manomboka ao ampasana , fa hoan'ireo izay afaka @ izany fanadinana izany dia tsy mahazo sazy .
17. soanja ( 08/01/2007 16:36)
Ann , afaka manohitra ny hevitro tsara ianao ka. Izay no atao hoe forum tsy voatery hitovy fijery foana.:D
Ny ahy ry Ann dia Andriamanitra dia Fitiavana , mpamela heloka ary maniry anao lalandava hiombona aminy amin'ny fiainana mandrakizay. Ka ny tiako trenenina eo dia hoe satrin'Andriamanitra ny zanany tsy ho any amin'ny Afobe raha misy io. Ny fahitako an'io afobe io mantsy dia tsy toerana feno afo fa fijalian'ny fanahy mandrakizay, mireniren tsy manan-kialofana ary mijaly e.
Ny famerenana azy miverimberina ety an-tany amin'ny andrik'olonkafa na biby dia efa fampijaliana ho an'ilayn fanahy satria izy efa mahalala ny miandry azy aty. Tsy paradisa akory ety an-tany fa adilava sy asamafy. Ka ny handefasan'Andrimanitra ianao miverina aty dia ny hanaovana tsara takiany tamin'ny nanamborany anao, zany hoe hanatsaranao ny momb anao amin'izay ianao hanana ilay fiainana mandrakizay miaraka aminy any aoriana. Ka na impirmpiry ianao tsy manao iznay dia hiverina ety foana mandrapa. Filozofia tantsinanana io ary hitako fa possible raha toa ka eritreretina satria possible ny rehetra amin'Andrimanitra ary tiany ianao hiaraka aminy fa tsy hoe mahafaly azy raha any amin'ny Afobe no iafaranao.
Hevitra iny an. Anao indray.
18. xxx ( 09/01/2007 17:16)
satriny ny zanany tsy ho any @ afobe tokoa marina izany saingy sao dia ilay olona no nandefa ny tenany tany rehefa tsy nanao ny sitrapony intsony fa nanao ny sitrapon ny tenany fotsiny ihany.

hitako ianao fa mirona tokoa am filozofia tantsinanana, tsy olana izany satria izay izany no inoanao. Saingy aza afangaro kosa @ voalazan ny baiboly ilay izy.
19. LazaDaddy ( 10/01/2007 01:48)
nyrina> iza tsara ny tianao tenenina @ hoe "isika rehetra" dia hazavao koa ilay hoe "lanitra" azafady.

Ny lanitry ny sasany mantsy samihafa @ an'ny hafa. Ny "any an-danitra" @ silamo izao dia toerana fimamoana divay sy hanambadiana virijiny folo, izay mifanohitra @ "fiainana an-danitra" resahin'ny Kristianina.:)
20. Lek ( 10/01/2007 09:18)

Soanja: Ho an'ny kristiana dia misy ny fiainana mandrakizay sy ny afo-be samy mahalala izany daholo izay mamaky baiboly
de araka ny voalaza ao ry nirina de malalaka sy mikodana ny lalana mankany @ afobe de maro ny ho any fa tery sady ety ny mankany an-danitra(Lanitra voalaza ao @ baiboly io an)ka vitsy no ho any.Izay ny an'ny Kristiana de izay mino: izay ny finoany izay tsy mino: izay ny finoany
:roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.194