akorandriaka

1. LazaDaddy ( 02/01/2007 03:24)
tena matsiro mihitsy ny fikarakaran'ny malezianina akoran-driaka.

1- Avela hilona anaty ranomasina 4 ora ny akorandriaka (sahabo ho 4Kg raha kely) vao avy nosokirina avy ao anaty fasika (~15cm) mba hiala ny fasika ao anatiny.
2- Somary endasina kely ny tongolo sy sakamalaho dia afangaro @ atody sy saosy voatabia ary poivron
3- Borosiana tsara ilay akorandriaka (tsy sokafana) dia endasina miaraka @ ilay saosy.
4- Aroso miaraka @ vary malefaka (steamed rice) rehefa vita ny vavaka fisaorana :wink:
5- Tsy hanina ny akorany. hahaha!
novalian'i LazaDaddy ny 09/01/2007 01:10
2. cutie ( 02/01/2007 14:34)
mussels ve zany akorandriaka zany :lol:
3. Rasiligaoma ( 02/01/2007 15:18)
akoarandriaka inona tokoa io kay?
misy karazany marobe manko ny akorandriaka
4. pissoa ( 02/01/2007 16:00)
Enga anie mba mussels araka ny tenin'i cutie fa tsy snail ...

Nefa na mussels na snails, tsara ve reny ? Vao mijery azy za dia matahotra, sady brrrr :oops:
5. cutie ( 03/01/2007 01:01)
pissoa :-D
za alou tia mussels e:lol:
6. ikaretsaka ( 03/01/2007 20:56)
mussels azo hiafiana fa snail.. beeeeeeee
na tena akorandriaka akorandriaka ilay henoina @ sofina ireny ny coquille ny ve?
7. cutie ( 03/01/2007 23:43)
aiza aza i Ld hanazava e :roll:
variana any @ baiboly any :-D
8. booboo ( 05/01/2007 12:14)
:-D
9. pissoa ( 05/01/2007 14:53)
ikaretsaka:

mussels azo hiafiana fa snail.. beeeeeeee
na tena akorandriaka akorandriaka ilay henoina @ sofina ireny ny coquille ny ve?
enganie mba tena coquille :-D:-D:-D

cutie, hita koa :oops:


10. Samoana ( 05/01/2007 15:19)
LazaDaddy:

tena matsiro mihitsy ny fikarakaran'ny malezianina akoran-driaka.


Le fikarakarana maleziana sa le akorandriaka no tena matsiro e:lol:?!

Mba misy mahay mikarakara toy izany ve any Mkara ? Sa fady antsika ireny ?


11. kitjo ( 06/01/2007 20:41)
mussels io raha ny ataon'ny maleziana aty alo e

fa le izy ko aza nge to ambola misy karazany e "la la" no fiantsondry zareo azy aty...

samoana> any Dago d betsaka ny zvt azo hanina tsy hohanin'ny gasy ka very fts...
marina fa mihinakina-poana ny sinoa fa ao Dago ndray d be lotra ny very...

ao ny tsy fahafantarana..ao koa ny avona nddray oe ko ra tsy inona ko hihinana anzany nefa zvt madio sy azo hanina tsara izao...
12. ikaretsaka ( 06/01/2007 20:50)
ny vazaha aza no pire ko... jere ny fanaovany ilay vavanomby @ amazing race
tena tsssss
13. cutie ( 06/01/2007 21:27)
Mpandefa : kitjo [ Valio ] 06-01-2007 21:41:50
Lohateny : Re : akorandriaka
mussels io raha ny ataon'ny maleziana aty alo e

za alou tia mussels fa le asiana atody io no ohatran'ny hafahafa:lol:
14. LazaDaddy ( 08/01/2007 01:15)
Tsy mussels fa cockles

15. LazaDaddy ( 08/01/2007 01:17)
Samoana:
Le fikarakarana maleziana sa le akorandriaka no tena matsiro e:lol:?!
Izy roa :)
Samoana:
Mba misy mahay mikarakara toy izany ve any Mkara ? Sa fady antsika ireny ?
Fady akorandriaka sa fady Maleziana? :)
16. Samoana ( 08/01/2007 10:47)
izy 2 valiana kah !:D
17. Samoana ( 08/01/2007 10:49)
LazaDaddy:

Tsy mussels fa cockles





Tsy balako izao endriny izao kah !:x. Sady toa taolana tsy azo karepohina izato izy:lol:

18. LazaDaddy ( 09/01/2007 01:10)
LazaDaddy:
Fady akorandriaka sa fady Maleziana?
Samoana:
izy 2 valiana kah !
1) Ny akorandriaka tsy fady
2) Ny Maleziana tsy fady fa ny fiady :wink: =))

Samoana:
Sady toa taolana tsy azo karepohina izato izy
Efa niongotra angaha ny "avant de pointe"? :°) Matsiro noho ny huitre sy "samoina" io ka :D. Sady efa tsy "allergique" intsony aho ka mba manao "recuperation". Ilay izy rahateo tsy aloa vola fa alaim-potsiny eny @ tora-pasika :wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2593