Filoha ravalomanana prô Amerikanina

1. njrtinah ( 30/12/2006 15:06)
Salama daholo e!
Tena mahalasa saina ilay famonoana ilay filoha Irakianina. Tsy miaro an'i Sadam aho fa ny hoe "zanahary no tompon'ny aina."
Manahy mafy aho @ ilay filohan-tsika Prô amerikanina. Teo efa nisy dingana vitany dia ny Wanted izany en + 100.000$. Dolara fa tsy mba ariary farafaharatsiny. Mivavaka mafy aho mba tsy hidiran'ny peine à mort @ Nosy malalako. Indraindray mantsy misy ny marivo salosana...
Mirary taom-baovao mahafinaritra ho an'ny vahoaka malagasy iray manontolo. Ho taona zina anie ny taona 2007. "Santé, joie , réussite et prospérité pour tous."
novalian'i caprio ny 02/01/2007 23:36
2. Fiffi ( 30/12/2006 17:06)
nga kosa raha nanao wanted ny fanjakana de hoe hanao an'zany peine de mort zany eh !
O ! ry zareo an ! mba diniho kely kosa ange le hoe fa inona ny zavatra saika nataon'le fidy teo iny ? hanogam-panjakana ? heloka be ange zany eh ! na any dago na aiza na aiza ......
3. ikaretsaka ( 30/12/2006 17:21)
nareo kos atsy zatra ilay peine de mort fa misy firenena efa tsy mampaninona azy mihitsy izany.
tsy asiako resaka lava fa izay fotsiny
4. lapino ( 30/12/2006 17:39)
- Ireo prô-frantsay efa nandamoka daholo
- Ity lazaina hoe prô-amerikana toa mba manao azy ihany
- Asa raha hisy prô-japoney sy prô-koreana dia hanahoana
- Ny prô-sinoa sy prô-karana ohatra ny efa hirotahan'ny sasany sahady
- Ny prô-gasy moa prô-mihatsaravelatsihy raha araka an'i Francis Turbo :wink:

Ny peine de mort dia misy dia misy tokoa amin'ny lalàna gasy. Jereo ary amin'ny dinika fiaraha-monina ary. Aza atao pôlemika indray ny vavaka tsy voavaly aloha :wink:

Ny wanted, tsy voalohany teo amin'ny tanàna io ka hoe Ravalo no namorona azy. Na dia ny tantaran'i Bob sy Karter fotsiny aza. Fa rehefa mpanao politika no mpanao ratsy dia be ny polemika (rainitetaka) avoaka rehefa wanted izy. Ohatra an'izay ange ka Arema i Bob sy Karter ... :wink:
5. Achia ( 30/12/2006 19:32)
Aza de mampitahotra fa de hisy aty M/car tokoa ve zany :{
6. ikaretsaka ( 31/12/2006 00:22)
ko maninona raha misy izany na tsisy...
aza migafy fotsiny dia tsy hiharany..
aty aminay izany izao misy..ko maninona ko maninona
7. heribe ( 31/12/2006 05:43)
:^):^):D:D
8. caprio ( 31/12/2006 11:48)
Aza dia maniry loza ry zareo fa ny olona matin'ny fahantrana aza efa tsy fidiny koa asiana an-zany anamelohana ho faty zany koa ve ao dago tsy hikorota na ny firenena e
9. Fiffi ( 31/12/2006 13:58)
njrtinah: fa mba taiza kosa ary no nahitanao an'zany eh ? satria ve nanao wanted ? :roll::roll:
10. exdadabe ( 01/01/2007 09:42)
arovako Fiffi raha misy izany e:D

fa zah aloha tsy pour @ ilay famonona olona ety antany e, aleo Andriamanitra no hamono azy satri manahy aho ny hivalin'izany any @ taranaka faramandimby

asa anefa....
11. Fiffi ( 01/01/2007 16:47)
zany ve ry ex ? :wink:
12. ratafika ( 01/01/2007 20:11)
Raha ny hevitro manokana aloha dia, tsy misy olana amiko izany hoe fanamelohana ho faty izany raha mpamono olona ilay olona. Jereo ny zavatra nitranga tamin'ny andron'i Hitler. Firy ireo olona no novonoiny, ny zazakely,ny antitra, ny tanora, ary ireo olona nanaovany expérience... Jereo ireo film rehetra mikasika ny zava-dratsy vitany. Fa hitanareo fa ny fanamelohana ho faty no sahaza ireny olona ireny.
Raiso ohatra hoe ny iray tamin'ireo olona novonoiny ireo anie ka ny olontinareo dia ho fantatrareo fa mafy izany.
Ny olona mantsy tsy afaka ny micomprendre mihintsy raha tsy tena olona hakaiky azy no hoaran'ny tsy rariny.
Ka ny sazin'ny Saddam dia mendrika azy mihintsy satria efa tiany ny misangisangy amin'ny fahafatesan'ny hafa dia mba hanjarany indray izao
13. Fiffi ( 01/01/2007 20:34)
na izany aza ...tsy anjarantsika olombelona no mamono...
zah indray aloha de tena contre an'io an !
14. Lalah ( 02/01/2007 16:35)
Ka ilay famonoana anie hono toa lalan ny slamo mihintsy e!
15. Fiffi ( 02/01/2007 20:47)
ny slamo miseho azy tena mpivavaka nefa mamono olona ? zany ve no hatao hoe lalana ? :roll:
16. ratafika ( 02/01/2007 22:23)
Fiffi:

na izany aza ...tsy anjarantsika olombelona no mamono...
zah indray aloha de tena contre an'io an !


Inona no hevitry Fiffi hoe sazy azo hatao amin'ny olona mamono olona?. Inona no sazy hoe mifanentana amin'ny olona mpamono olona. Ny olona ohatr'ireny mantsy tsy matahotra mamono an'iza n'iza izany mihintsy. Ka raha havontsitra izy dia mihomana amin'ny vali-faty fa mitohy ny famonoana.
Raha gadraina mandra-pahafatiny izy, tsy hampitony ny halahelon'ny olona mihintsy izany , ary hiteraka resam-be foana isan-taona lava izao, ka na ny firenena ary dia tavela satria ny resaka momba azy no mandeha alohan'ny firenena avy eo.

Ka izay no mampanontany ahy hoe inona ary ny sazy mety azo hampiarina amin'ny olona mpamono olona toho izao? (hampetrako ho an'ny rehetra ny fanontaniana)
17. caprio ( 02/01/2007 23:36)
ratafika:mipetraka @nao ary ny fanontaniana we hianao no nasaina namono azy,da ho sahy ve enao?valio io aloha ary maty zao saddam dia foana ve ny alahelon'ireo fianakaviana nanana ny maty ka tsy hitamberina ao antsainy intsony ny alahelo.Ary raha tsika malagasy aloha dia hinoako fa maro dia maro amintsika tokoa ny tsy mankasitraka an-zany fanamelohana ho faty izany ny antony dia diso be famindram-po loatra mantsy sika gasy ary mbola anisan'ni mampiavaka antsika io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0423