Miatsara velatsihy tokoa ve?

1. ikaretsaka ( 26/12/2006 05:48)
http://www.dailymotion.com/video/xo93q_lazao-ny-marina

inona ary no nahatonga izany? fisainana avy aiza io tsy mivantana io?
novalian'i niryna ny 28/01/2007 16:57
2. andry08 ( 26/12/2006 14:55)
Tena fitenin'ny olona mihintsy io fa ny hoe miatsara velatsihy aloha dia tsy haiko .Handeha hatao hoe:fomba fiteny ny anarany.
3. soanja ( 26/12/2006 16:36)
ikaretsaka:

http://www.dailymotion.com/video/xo93q_lazao-ny-marina

inona ary no nahatonga izany? fisainana avy aiza io tsy mivantana io?

=))=))=))=)) Mahay/sahy raha zany raha olona.

Ny fahitako azy dia enjehin'ny eritreriny izy dia "manala ny tsiny aloha" satria io ilay tsiny atahoran'ny Gasy ka raha milaza izany teny izany mialoha izy dia afa-tsiny hoe na hanao ilay zavatra horesahiny izay matetika tsy tsara na ratsy amin'ny firahamonina.


4. simplex ( 26/12/2006 17:31)
ika:
Miatsara velatsihy tokoa ve?

misy fifandraisana @ tsihy v io teny io ? :°) :-w:-w
5. ikaretsaka ( 26/12/2006 17:43)
simplex> ie... ny tsihy ny eti ivelany (lafy tsarany ilay mivelatra iny.... tsara.. fa ilay lafo ratsiny.. any anaty takona any (ilay mikasoka @ tany...ratsy)
6. Rasiligaoma ( 27/12/2006 15:10)
hypocrytes be ny ankamaroan'ny gasy .. vitsy gasy hiteny mivantana ny zavatra tena ataony ...

"Fomba" hono io ary tsy mahalala fomba ny miteny direct

vitsy ny gasy miteny hoe hoe handeha hipipi fa poritra na hoe handeha hivalandrano... ... fa ny handeha hivoaka hono izy.. nefa ilay WC @ io ao an-trano ihany na hanao @ tavimandry (pot) izy an! izany hoe raha ara-keviny tsy hivoaka mihitsy izy fa ao an-trano ihany!

fa ny any amorontsiraka io dia teneniny mivantana anefa...

mampatsiaro ilay tantara na gasy avy eto am-povantany sy any amorontsiraka
vo nifampisipa kelikely dia avy niara natory@ 1 maraina nifoha ramatoa dia manontany ilay bandy
: ho aiza ianao cherie?
-"Handeha hivoaka aho"
Sendaotra be Ranamana hoe tena nanambady Mpamosavy za leeeeeee: hivoaka hono izy @ 1maraina

Nefa poritra i madama

7. lapino ( 30/12/2006 09:41)
Mihatsara ivelan-tsihy daholo ny gasy, tena marina dia marina tokoa io. Vao omaly ohatra :

Tsy hoe mitifitra an'i naritsimba akory fa http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m4594addf63103#m4594bdd8d8149 :wink:
8. pissoa ( 30/12/2006 16:25)
Tsy zavatra toy izao kosa angamba no antsoina hoe mihatsaravelatsihy e. Ankoatra ilay handeha hifosa io =))=))=))
9. lapino ( 30/12/2006 17:01)
Tairo ary atao hoe mpitari-bato vilam-bava e :D
10. pissoa ( 30/12/2006 18:32)
Ka tsy azoko mitsy koa ange leisy ze tian'i Francis ataon'ny olona e ! "Mihatsaravelatsihy" kianina ... rehefa tsy mihatsaravelatsihy araka ny tantarain'i Ika indray dia mbola wawawa ihany nedala =))
11. ikaretsaka ( 30/12/2006 23:39)
aleoko aloha raha izaho dia ilay mijoro ho vavolombelona ary e
mba honnette izy au moins sady tsy mandainga
12. lapino ( 31/12/2006 08:52)
Ny zavatra ogain'i lery eo nge dia hoe:
- mandainga ny gasy, manamarin-tena mialoha rehefa hanao zavatra anenjehan'ny eritreriny azy fa ratsy
- miteniteny zavatra tsy tokony holazaina ny sasany rehefa mahazo micro. (tsy tokony lazaina raha araka ny kolotsaina malagasy io : "tokatrano tsy ahahaka" sns ...)
13. pissoa ( 31/12/2006 10:14)
:-D:-D:-D
14. niryna ( 28/01/2007 16:57)
andry08:

Tena fitenin'ny olona mihintsy io fa ny hoe miatsara velatsihy aloha dia tsy haiko .Handeha hatao hoe:fomba fiteny ny anarany.


Satria ny tsihy rehefa hipetrahana foana dia mahazo avadika ao ambadika indray fa mbola tsara ilay ao ambadika.Mihatsara ivelany ohatran'ny tsihy.
Dia lasa natao ohatra ny olona tsy mitovy ny ao anaty ny fony ny avoakan'ny vavany.Izay no fahalalako azy.Amin'ny fitenenan'ny vahiny indray dia hoe manana tarehy roa na maro.Izany hoe ireny olona manana toetra maromaro na mpandainga ,tsy miteny ny tena zava-misy,tsy mijoro ny tena maha-izy azy.Toetra ratsy izany no tena dikany.Jerena ety ivelany izy tsara fa rehefa mahafantatra azy tanteraka ianao tsy iny ilay olona noheverinao azy iny ilay olona
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6785