Mila fanampiana mikasika ny web.hiram-pivavahana

1. niryna ( 26/12/2006 04:29)
Ny website izay misy hiram-pivavahana betsaka tao akoatry ny radiovazo.Amin'ny teny gasy ,frantsay,anglisy ilay fandaharana.Tsy tadidiko ilay izy fa misy hoe tongasoa eto amin'ny ravin'ala angamba izy izay.Raha vao manindry ny teny malagasy ianao dia misy ragitro kely be dia be mianjera eo amin'ilay fond,dia toa misy maso kely izy izay.Misy feon-kira A-Z
Raha hitanareo na fantatrareo dia mba alefaso eto fa tena malahelo aho fa voafafako tsy nahy ilay izy.Na mahita website hafa misy hira-gasy fivavahana ianareo ka azoko henoina mivantana ato anaty ordinateur rehefa mahandro sakafo iny aho.Misy fandaharana hafa toy ny serasera ilay izy fa ilay feon-kira foana no tsindriako
Misaotra mialoha.
Nyrina
répondu par rrgmt le 06/01/2007 21:17
2. prime ( 26/12/2006 07:55)
Tena mba tsy haiko ny amin'izay ry nyrina fa dia mirary soa ho anao... ny namana sasany angamba mety mba manana soso-kevitra na vahaolana...
3. dailynews ( 27/12/2006 03:13)
4. rrgmt ( 05/01/2007 02:24)
Ireto misy site azona jerena @ teny malagasy :

www.faniloradio.com

www.harenaradio.info

www.masombahiny.com
Dia mazotoa mihaino!:lol:
8)
5. niryna ( 05/01/2007 17:26)
rrgmt:

Ireto misy site azona jerena @ teny malagasy :

www.faniloradio.com

www.harenaradio.info

www.masombahiny.com
Dia mazotoa mihaino!:lol:
8)



Many thanks:P:P:P.Tena falibe tsy misy toy izany aho.Tsy nety kivy aho fa tsy maintsy misy olona hanampy ahy hoy aho miteny irery.Io masombahiny io no tena notadiaviko ary lasa niova sary hafa ilay izy.
Latsaka ny ranomasoko naheno ny hiran\'ny noely gasy.Mahafatifaty kely ery ny mihaino ilay ankizy mihira ny noely.Mbola mamerina ny fisaorana feno anao ihany aho :*:*:*:*Tonga dia nadikako ny web sao dia voafafako eto indray.Izaho aho sady mihaino hira,afak a manoratra na afaka manao raharaha ato an-trano.\"Asa atao an-kira toa vita toa tsy natao.\"
6. rrgmt ( 06/01/2007 21:17)
:D Tsy misy fisaorana
Ary tena mazoto mijoro vavolombelona tokoa ianao izany an!
fa mba ampio aloha ny biographie fa tsy ampy e!:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.063