Momban\'ny karazana aretina sy fanafody tsotra nefa.......

1. niryna ( 25/12/2006 03:27)
Manana fahalalana ireo zoky antitra ka na misy aza ny fanafody dia mahita zavatra ainga eo an-tanana eo izy kanefa mahaomby.Mba mahafantatra ve ianareo.Santionany aretina vavony, aty, maso, fo, votsy,maratra, mandeha ran\'orona sns.. raha mbola mahita ianareo,misaotra e.
novalian'i mamiel ny 07/08/2017 05:26
2. soanja ( 25/12/2006 21:59)
Ny Jus de Karoty de mahatsara maso tsy misy ohatr'izany.
Ny ramo mangatsiaka isamaraina dia manampy amin'ny fitonian'i Fo.
Ny blueberry dia mampa-intelligents na mampiakatra ny fifantohana amin'ny fianarana
Ny papay masaka dia manampy amin'ny fanadiovana vavony.
Ny olive oil dia manadio ny aty. Misy cure arahina fanaovana azy.
Ny trondro in-3 isan-kerinandro dia mahasalama sady mahalava aina: salmon, cod, mahi mahi sns fa tsy le trondro be menaka be loatra ireny.
Ny tongolo gasy dia miaro amin'ny aretina mifindra isan-karazany izay mamely matetika: gripa, flu, sns zany hoe mampikatra ny immune system ho strong.
Ny jus na ampongamben-danitra dia manampy amin'ny fiarovana ny prostate cancer sns..
Ny ranon-kalalao dia anisan'ny antibiotic afaka manasitrana fery anaty.
snss sns ireo Huile Essentielles isan-karazany any amintsika ireo dia sarobidy sy manasitrana daholo. Tohizo ny raokandro fa tsara.
3. niryna ( 26/12/2006 02:37)
Misaotra aky ry soanja? Namaky ilay tantara nalefanao k a tena variana teno saika tsy natory,tantara marina ve iny sa zavatra noforonina?
4. niryna ( 26/12/2006 02:45)
Ilay rano anaty tavi-mandry iny hono no tena tsara kanefa ny tavo-mandry ireny misy \"lead poison\",angamba ilay izy mangatsiatsiaka,ny dikany any anaty frigo dia ampy
Ny areti-vavony hono dia tsy mahazo mihinana laisoa masaka, saingy laisoa manta atao ranony no atao fisotro ho fanafody,kikisana koa hono ny ovy manta dia iny ranony iny no ho sotroina.Ny ravintoto indray dia asiana siramamy kely rehefa mahandro azy satria sarotra levonina toy ny laisoa ho an\'ny olona marary vavony.Tsy mahazo mihinana sakay, dipoavatra, zavatra endankendasina,tsy mahazo miady saina be satria tsy am-py tori-maso vokatr\'io ka miteraka asidra ny vatana,misotro ronono matetika sy yaorita
Ny fanafody aty indray misy mahalala ve ianareo
5. tianne ( 26/12/2006 08:13)
tena mahaliana ilay izy ry soanja saingy tsy fantatro oe inona kay ilay "blue berry" azafady? d ravikazo ve izy io sa? dia aiza no ahitana azy. oh oe eny antsaha sa eny amin'ny mpivarotra.
misaotra betsaka
6. Rasiligaoma ( 26/12/2006 08:27)
blueberry> karazana voankazo toy ny voaroy .. fahita any Amerika avaratra
7. booboo ( 26/12/2006 10:16)
-ron-tsakamalaho ody sery.
-dobera ampiarahana @ tantely sy tamenak'atody ody kohaka.
-rona poireaux, manadio tsinay
-divay mena isan'andro (iray vera) mahasalama fa anti-oxydants matanjaka beeeeee mitsy.
-ravina pibasy ampangotrahina, ody kohaka.
-tongolo gasy ody vavony, mampidina tension, manadio rà, hanadiovana vay sy takodi-maso.
-laisoa manta ody vavony maratra (ny masaka no saro-devonina fa ny manta ara-pahasalamana beeee mihitsy)
8. booboo ( 26/12/2006 10:19)
-ravin-goavy totototoina ody ratra.
9. watafon ( 26/12/2006 16:10)
-ravina voamadilo, na ravina ricin ampangotrahana anaovana " bain de siège" fnfd hemorroide
- ravina ravitoto fingotra evohana mahatsara sinusite
10. soanja ( 26/12/2006 16:18)
niryna:

Misaotra aky ry soanja? Namaky ilay tantara nalefanao k a tena variana teno saika tsy natory,tantara marina ve iny sa zavatra noforonina?


Tantara aiza aky zany ry Niryna?
Ilay ao amin'ny blaogy.com dia tantara marina ka . Io no niainako. Ny ankaotr'izay mba ampatsiahivo ahy kely hoe aiza fa be izay tantara vita teto izay.:D


11. kally ( 28/12/2006 19:32)
niryna:

Ilay rano anaty tavi-mandry iny hono no tena tsara kanefa ny tavo-mandry ireny misy \"lead poison\",angamba ilay izy mangatsiatsiaka,ny dikany any anaty frigo dia ampy




Fa inona ary ity tavimandry resahin'i niryna e? Pot amin'ny alina anie izany tavi-mandry e! dia izay tokoa ve io ry Niryna?
12. ikaretsaka ( 28/12/2006 20:39)
za ko vo zaika hanontany
13. soanja ( 29/12/2006 00:35)
tianne:

tena mahaliana ilay izy ry soanja saingy tsy fantatro oe inona kay ilay "blue berry" azafady? d ravikazo ve izy io sa? dia aiza no ahitana azy. oh oe eny antsaha sa eny amin'ny mpivarotra.
misaotra betsaka


Io voalzan'i Ikaretsaka io aky le izy fa tsy misy any Dago raha tsy diso aho saingy ny voaroy ala sy ny voaroy hazo dia afaka mameno ny solon'io.
Ny ao amin'ny chocolat noir koa toa misy an'io otrikaina io raha tsy diso aho ka tsara ho an'ny vehivavy bevohoka. Saingy tsy atao be loatra sao mamparary indray.


14. ikaretsaka ( 29/12/2006 00:48)
Soanja> m? niteny inona kay fa tsy azoko
15. soanja ( 29/12/2006 00:52)
Diso aho rasil kay le niteny hoe voaroy hazo.
16. niryna ( 30/12/2006 03:30)
Miala tsiny fa diso dika ilay izy,maty aho miteniteny foana,mamela ahy ry ireto a.Vazo-tany ilay ngezabe fasiana vonin-kazo ireny,misy fanao sinibe izy ireny ka ny rano ao anatiny ao no mahasalama indrindra fa ny fo.
Voanay papay maina mampihena ho an\'ny olona matavy.
voamadilo nampangotrahana fanadiovana ny ao anaty sy kibo,matsiro tsara raha asiana siramamy
17. ikaretsaka ( 30/12/2006 08:14)
niryna> gaga aho manko

fa marina mihitsy izany
18. niryna ( 01/01/2007 04:58)
Tongolo gasy mampaniry sy manamafy ny hoho tanana.
Tongolo tsotra mampidina ny tosi-dra.
Vao main\'ny menaka na may tonga dia hosorana pipy mafana fa sitrana sy tsy misy taki-pery raha vao voa.
Molotra vakivaky hosorana vaseline.
Tarehy vakivaky ny fanala hosorana vitamine E.
Elakela-tongotro mangididy hosorana alcohol.
Fihinana fary matetika raha bevohoka mampadio volon-jaza.
Inona tokoa ny fanafodin\'ny votsy na varimasaka?
19. booboo ( 09/01/2007 12:08)
Inona tokoa ny fanafodin'ny votsy na varimasaka?

Tsy fantatroooo.

Anamamy totototoina ody hodipotsy. Ahosotra @ ilay faritra misy hodipotsy ilay izy voatoto somary misy ranondranony iny.
20. niryna ( 10/01/2007 16:50)
Misaotra aky a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1935