Satana misy tandroka sy rambo.

21. kolo ( 27/12/2006 13:12)
Ny loza ary dia nataon'ny vazaha mainty ny sarin'ilay nambarany fa satana na devoly ko hahahaha .
22. prime ( 27/12/2006 13:58)
aho:
Fa raha ny lazain'ny soratra masina dia satàna no anjely tsara tarehy indrindra sy natanjaka indrindra tany an-danitra... ary mbola mampiasa izany fahatsaràn-tarehiny izany mandrak'ankehitriny mba hamitahana olona maro...
... koa mila fiambenana mafy izany satria ny fakam-panahy dia miseho amin'ny endrika maro...
23. BloodTitan ( 28/12/2006 06:37)
Tonga de disoiko be mintsy zany le oe satana misy tandroka sy rambo e!! Mampirisika anareo aho hijery ny Deoternomia manontolo fa miresaka momba an satana io boky io, izy dia Anjely tsara tarehy indrindra amin'ireo anjely noforonin'Atra talohan'ny nivadihany. Ary ny seza fipetrahany dia afo; izany hoe izy dia Anjely manana toerana avo talohany ny nivadihany tam Atra, Ary amin'ny maha Anjely azy taloha dia tsy namorona zavatra ratsy Atra. Koa tsy misy zany oe Satana misy tandroka zany, fa ny toetsainy fotsiny no tena ratsy sy teotrany fa izy dia toy ny anjely rehetra ihany. Vakio aloha ny baiboly an
24. prime ( 28/12/2006 12:30)
niryna> valiny : tsy ao anaty baiboly izany hoe satàna misy rambo sy tandroka izany..
25. Rasiligaoma ( 28/12/2006 14:54)
prime:

niryna> valiny : tsy ao anaty baiboly izany hoe satàna misy rambo sy tandroka izany..

tsy namaky le zalahy ity le...
jereo ny apokalipsa


26. prime ( 29/12/2006 09:00)
rasiligaoma> dia ahoana ilay voalaza ao amin'ny apokalipsy?... sao dia ianao no tokony hamaky tsara...
27. Rasiligaoma ( 29/12/2006 19:24)
le resaka dragona sy zavatra mampatahotra be ireny??
sa tsy izy ireny??
28. soanja ( 30/12/2006 02:11)
Rasiligaoma:

le resaka dragona sy zavatra mampatahotra be ireny??
sa tsy izy ireny??


Zah raha vao mandalo a de koditra special marina e. Nefa anie ny omby mba manana tandroka ihany fa toa tsy maninona akory. Mahay le nampiditra le hevitra tandroka sy rambo sns ka. Soa fa tsy nisy an'io n olombelona. Merci Andriamanitra.


29. niryna ( 30/12/2006 04:26)
Toy izany ihany koa no fantatro.Satana no anjelin'izao tontolo izao ary tsara tarehy saingy te-hitovy amin'Atra izy ka dia namitaka,lasa niforona tao izany ny fialonana.Rehefa nanontany olona iray aho hoe iza izany no nanao ny satana? Hoy izy hoe efa nisy raha vao niforona izao tontolo izao.Toy A/tra efa nisy talohan'izao tontolo izao.Mino an'izany koa ianareo, fa izaho aloha mino e
30. prime ( 23/01/2007 14:59)
rasiligaoma:
le resaka dragona sy zavatra mampatahotra be ireny??
sa tsy izy ireny??
... izay no olana aminareo mpijery horera itony...:-D:-D
31. cutie ( 24/01/2007 01:19)
izay no olana aminareo mpijery horera itony...

:-D:-D:-D
soa ihany za tsy mpijery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0639