Adventista

1. Zina ( 24/12/2006 03:18)
Ity mba misy zavatra tiako lazaina kely
Inona moa no atao oe Adventista?
Izay rehetra miandry/mino ny fihavian'ny Jesosy Kristy fanindroany.
Ka izay rehetra mino/miandry fa ho avy fanindroany i Jesosy dia Adventista daholo.
Misy ny episkopeliana adventista, misy ny protestanta adventista, misy ny FJKM , misy ny angamba koa ny katolika adventista, misy ny adventista mitandrina ny andro fahafito adventista etc.....

ny hevitrareo?
2. prime ( 26/12/2006 09:06)
hihihihi!!!
Fa ny tena naha-advantista ny advantista anie dia ny fidinan'ilay Mesia amin'ny voninahiny fa tsy iny tany antranon'omby iny... iny dia Mpaminany sy Zanak'Andriamanitra fotsiny ihany... ka izany no tsy nanekeny an'i Kristy ho ilay Mesia fa Jehovah ihany aloha... Fa ilay tena izy dia mbola andrasana... tsy resaka fanindroany na voalohany fa ilay tena Mesia be voninahitra no andrasany amin'ny adventy...

Ny fifohazam-panahy no nanitsy taty aoriana rehefa naminany ny fara andro imbetsaka nefa tsy nitombina ireo mpitarika advantista... ary na Jesosy aza efa taty aoriana mihitsy, indrindra fa ny eto Madagasikara, vao nekena ho Kristy, ilay tena Mesia sy Andriamanitra feno... fa raha ny foto-kevitra tena advantista dia tsy manaiky Azy velively... izany no mahatonga ny advantista sasany ohatra ny any Azia sy Amerika mbola ny didy folo no lalàna fototra ary ny lalàn'i Mosesy no fampianarana fenitra...
3. pissoa ( 26/12/2006 18:13)
Ka tsy otran'ny Silamo ve izany ry Prime ? :oops::-D
4. Achia ( 26/12/2006 18:15)
ka ny didy folo kosa anie A BAD mpampianaran'ny tenin'ATRA e! izany hoe base izany ilay izy
5. prime ( 27/12/2006 13:03)
pissoa> Ny silamo tsy miandrandra ny fihavian'i Kristy intsony satria Kristy Mpaminany lehibe efa maty talohan'ny Mpaminany Mohameta... ary tsy nitsangana t@ maty amindry zareo... izay no mahalehibe an'i Mohameta, ilay Mpaminany farany... Ny advantista nefa miandrandra ny fihavian'ilay Mesia lehibe, ilay andro farany anehoan'Andriamanitra ny heriny amin'izao tontolo izao...

achia> Ekena ny teninao fa ny tena foto-kevitra advantista hoy aho no nolazaiko io... fa tsy ireto advantista eto Madagasikara ireto izay tena miainga avy amin'ny fifohazam-panahy ka manana fijery hafa mikasika an'i Jesosy... satria Kristy mbola andrasana dia ny didy folo sy ny lalàn'i mosesy aloha no fototry ny fampianarana iaingàn'ny advantista eran-tany (afatsy ny eto Madagasikara) mandrapahatongan'ny farany...

Ny tena nandiso fanantenana ny maro tamin'ny advantista dia ilay faminaniana diso marobe nataon'ireo mpitarika nifandimby ny amin'ny andro marina ihavian'ilay Mesia, ilay tena fototry ny fampianarana... satria ny advantista dia manorina ny finoana ny amin'izany ka mampifototra ny fampianarany feno amin'ireo boky faminaniana ny andro farany rehetra ao amin'ny baiboly... fa efa imbetsaka no voafitaka ireo mpino kristiana maro t@ fotoan'androny ka lasa nivarotra fananana sy nandao tokantrano ary niandry tany an-tendrombohitra maro itsenàna ilay Mesia, indrisy nefa... hany hery dia maro ireo tsy niverina t@ fiaraha-monina intsony ka niery tany an-davabato na nanao famonoan-tena miaraka noho ny hadisoam-panantenana sy ny henatra...
6. pissoa ( 27/12/2006 16:27)
Ah - OK ! Thx :-D
7. ikaretsaka ( 27/12/2006 20:46)
hanky va re... misaotra an'i prime nizara!
8. Zina ( 27/12/2006 21:19)
iny dia Mpaminany sy Zanak'Andriamanitra fotsiny ihany... ka izany no tsy nanekeny an'i Kristy ho ilay Mesia fa Jehovah ihany aloha... Fa ilay tena izy dia mbola andrasana...

inn no mahasamy hafa an'i Jehovah, Mesia, Kristy, zanak'Andriamanitra????

amiko ireo dia iray ihany ary ireo anarana ireo dia ilay handrasana.... sa ahona?
9. Zina ( 27/12/2006 21:22)
ary na Jesosy aza efa taty aoriana mihitsy, indrindra fa ny eto Madagasikara, vao nekena ho Kristy, ilay tena Mesia sy Andriamanitra feno


prime a manana porofo ve ianao fa fa ny anarana Jesosy taty aoriana vo nekena ho Kristy?????

hummm hafahafha ndray zany...
10. Zina ( 27/12/2006 21:26)
fa raha ny foto-kevitra tena advantista dia tsy manaiky Azy velively...

izany no mahatonga ny advantista sasany ohatra ny any Azia sy Amerika mbola ny didy folo no lalàna fototra ary ny lalàn'i Mosesy no fampianarana fenitra...

taiza no nahenonao an'io misy porofo ve?

ary ny any madagaskara inn no fototran-dry zareo adventista?

11. Zina ( 27/12/2006 21:30)
fa tsy ireto advantista eto Madagasikara ireto izay tena miainga avy amin'ny fifohazam-panahy ka manana fijery hafa mikasika an'i Jesosy... satria Kristy mbola andrasana dia ny didy folo sy ny lalàn'i mosesy aloha no fototry ny fampianarana iaingàn'ny advantista eran-tany (afatsy ny eto Madagasikara) mandrapahatongan'ny farany...


prime mba tiko ho fantatra mihitsy taiza no nahitanao an;io?
fa efa imbetsaka no voafitaka ireo mpino kristiana maro t@ fotoan'androny ka lasa nivarotra fananana sy nandao tokantrano ary niandry tany an-tendrombohitra maro itsenàna ilay Mesia, indrisy nefa... hany hery dia maro ireo tsy niverina t@ fiaraha-monina intsony ka niery tany an-davabato na nanao famonoan-tena miaraka noho ny hadisoam-panantenana sy ny henatra...

ks ireo olona ireo ve efa adventista tamin;izany?
12. isambo ( 27/12/2006 21:34)
Ny tena Adventiste aloha dia ireo zay mitandrina ny andro fahafito ary mino izay voalaza rehetra ao anatin'ny Baiboly izay eny amitsika kristianina rehetra ireny ary mitovy ny adventiste eran-tany samy mino ny maha zanak'Andriamanitra an'i Jesosy tonga nofo teto antany fa ny antony tsy ankalazany ny krismasy dia tsy nanome baiko an'io Jesosy ny hankalazana ny vaninandro nahaterahany rehefa maty izy fa ny baiko nomeny dia fandraisana ny fanasan'ny tompo hatao ho fahatsiarovana azy izany hoe isaky ny mandray isika dia mahatsiaro azy tamin'ny nisoloany ny fahotatsika.
Marina tokoa fa ny Adventiste dia miandry ny fiavian'i Jesosy fanindroany indray izay hoavy tsy ho ela eny amin'ny rahon'ny lanitra araka ny fanantenan'izy rehetra, izay kristianina tsy mitandrina ny didy folo amin'ny Adventiste dia tsy tokony hitonotena ho kristianina
13. Zina ( 27/12/2006 21:42)
izay kristianina tsy mitandrina ny didy folo amin'ny Adventiste dia tsy tokony hitonotena ho kristianina

Tsy mazava...

Marina tokoa fa ny Adventiste dia miandry ny fiavian'i Jesosy fanindroany indray izay hoavy tsy ho ela eny amin'ny rahon'ny lanitra araka ny fanantenan'izy rehetra

izaho tsy miteny ny "religion" mihitsy ato
miteny fotsiny aho fa izay rehetra miandry ny fihavian'ny Jesosy Kristy fanindrohany dia Adventiste doly...ka marina ve izany?
14. soanja ( 28/12/2006 02:13)
prime:

pissoa> Ny silamo tsy miandrandra ny fihavian'i Kristy intsony satria Kristy Mpaminany lehibe efa maty talohan'ny Mpaminany Mohameta... ary tsy nitsangana t@ maty amindry zareo... izay no mahalehibe an'i Mohameta, ilay Mpaminany farany... Ny advantista nefa miandrandra ny fihavian'ilay Mesia lehibe, ilay andro farany anehoan'Andriamanitra ny heriny amin'izao tontolo izao...

achia> Ekena ny teninao fa ny tena foto-kevitra advantista hoy aho no nolazaiko io... fa tsy ireto advantista eto Madagasikara ireto izay tena miainga avy amin'ny fifohazam-panahy ka manana fijery hafa mikasika an'i Jesosy... satria Kristy mbola andrasana dia ny didy folo sy ny lalàn'i mosesy aloha no fototry ny fampianarana iaingàn'ny advantista eran-tany (afatsy ny eto Madagasikara) mandrapahatongan'ny farany...

Ny tena nandiso fanantenana ny maro tamin'ny advantista dia ilay faminaniana diso marobe nataon'ireo mpitarika nifandimby ny amin'ny andro marina ihavian'ilay Mesia, ilay tena fototry ny fampianarana... satria ny advantista dia manorina ny finoana ny amin'izany ka mampifototra ny fampianarany feno amin'ireo boky faminaniana ny andro farany rehetra ao amin'ny baiboly... fa efa imbetsaka no voafitaka ireo mpino kristiana maro t@ fotoan'androny ka lasa nivarotra fananana sy nandao tokantrano ary niandry tany an-tendrombohitra maro itsenàna ilay Mesia, indrisy nefa... hany hery dia maro ireo tsy niverina t@ fiaraha-monina intsony ka niery tany an-davabato na nanao famonoan-tena miaraka noho ny hadisoam-panantenana sy ny henatra...


Aleo aloha hazavaina eto ny eschatological events ny Islam fa sao be ny tsy mahazo satria misy farany tokoa ny azy ny fiafaran'ny tany sy ny olombelona ary misy zavatra andraindrainy tokoa toy ny antsiak Krsitianina ihany.

Ho an'i Islam dia misy farany toy ny nisy fiatombohany ny olombelona sy ny tontolo rehetra (cosmic)
Ny fiafaran'ny fiainan'ny zanakolombelona dia ny fiandrasana ilay olona antsoina hoe : "Mahdi". Io no handrodana ny tsy rariny rehetra eto ambonin'ny tany, handresy ny fahavalon'ny religion Silamo, ary hametraka indray ny fandriampahalemana sy ny rariny sy hitsiny rehetra eto ambonin'ny tany.
Ny fiandrihana'i Mahdi dia arahin'ny, izay andriamanitra irery no mahalala azy, dia ny fiverenan'i Kristy ao Jerosalema, izay hitondra ny famaranana ny tantaran'ny olombelona sy ny fahatongavana amin'ilay andro fitsarana. Izay hitarika amin'ny fihaonany amin'Andriamanitra ho an'izay Nino Azy sy Nanaraka ny teniny. Io dia tsy inona fa ny fitohizan'ny asan'ny Fanahy ho amin'ny fiainana mandrakizay.


15. prime ( 28/12/2006 13:03)
soanja> misaotra ny amin'ny fanamarihana manokana... fa na izany aza tsy mino an'i Jesosy Kristy nitsangana tamin'ny maty mihitsy ny silamo na manantena Azy hiverina fa hafa mihitsy io "mahdi" tian'izy ireo hambara io...

zina:
inn no mahasamy hafa an'i Jehovah, Mesia, Kristy, zanak'Andriamanitra????

amiko ireo dia iray ihany ary ireo anarana ireo dia ilay handrasana.... sa ahona?
... ho an'ny kristiana dia Andriamanitra dia Iray ihany ary maneho ny asany mahaIzy Azy Izy araka ny vanimp-potoana rehetra iasàny mandrak'ankehitriny...

http://fr.wikipedia.org/wiki/Adventiste

16. Rasiligaoma ( 28/12/2006 14:57)
.. ho an'ny kristiana dia Andriamanitra dia Iray ihany ary maneho ny asany mahaIzy Azy Izy araka ny vanimp-potoana rehetra iasàny mandrak'ankehitriny...

=D
fa tsy ny asany miseho t@ 2000 taona lasa no vakiana ao anaty baiboly dia lazaina fa asany izao indray.

avereno vakiana tsara io teninao io raha tsy azonao ny tiako tenenina
17. prime ( 29/12/2006 08:57)
rasiligaoma> hihihihi... misaotra amin'ilay fanamarihana e...
Izaho dia te hanamafy ny voalazanao hoe diniho tsara ny voasoratrao manao hoe :
ianao:
fa tsy ny asany miseho t@ 2000 taona lasa no vakiana ao anaty baiboly dia lazaina fa asany izao indray.
... raha tsaroanao dia tsy indray mandeha aho (tary @ lahadinika hafa tary) no niteny hoe sao dia afangaronareo aza ny atao "Tenin'Andriamanitra" sy ny hoe "asan'Andriamanitra"... Fa ny Teniny no voafehy sy voalaza araka izay voarakitra ao amin'ny baiboly fa ny asany re Tompoko mandrak'ity ny androany mbola miseho foana e... ary mandrakizay mihitsy aza...
Tenin'Andriamanitra hafa...
Asan'Andriamanitra hafa...
18. LazaDaddy ( 29/12/2006 12:37)
advantista, katolika, evangelical, baptist, uniting church, anglican, FJKM, ...

doctrines noforonin'olombelona daholo ireny, misy tena "antikristy", misy mikezaka manara-dia Azy, misy mampianatra zavatra "hafa" ankoatran'ny fampianaran'i Kristy, misy "matimaty"...koa diniho tsara fa tsy anaram-piangonana no mahavonjy antsika fa i Kristy.
19. soanja ( 29/12/2006 16:49)
LazaDaddy:

advantista, katolika, evangelical, baptist, uniting church, anglican, FJKM, ...

doctrines noforonin'olombelona daholo ireny, misy tena "antikristy", misy mikezaka manara-dia Azy, misy mampianatra zavatra "hafa" ankoatran'ny fampianaran'i Kristy, misy "matimaty"...koa diniho tsara fa tsy anaram-piangonana no mahavonjy antsika fa i Kristy.


Ekena tompoko!


20. ikaretsaka ( 01/01/2007 06:46)
aaaah namaste laza...
i Kristy no mamonjy antsika.... zany ahay
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1264