Finoanoan-poana. fomba. superstitution @ gasy

1. ikaretsaka ( 23/12/2006 23:54)
Fananiako tsy natao atsy @ fivavahana sy finoana mihitsy!

Ny gasy na @ izao isika miteny izao dia betsaka ny mbola minomino foana sy manaja ny zavatra tsy hainy ny manazava azy sy tsy hainy ny mahatonga azy:

rehefa tena tsy hainy moa ka manaratsy azy ilay zavatra di ahoe "herin'ny maizina"

mba azo zaraina ato ve dia mba azo azavaina ato misimisy kokoa hoe inonany antony?

Ohatra hoe "Ody mpamosavy hono ny voanjobory"


Fa maninona de ahoana?


Ohatra 1 hafa koa "tsy fanao ny mandaka rindrina fa mahafaty renibe"



ohatra 1 hafa koa "Misy olona tsy sahy manapaka volo, hoho, amin'ny andro nahaterahany, ohatra hoe teraka alakamisy hono izy di atsy tapahany amin'ny andro alakamisy mihitsy ny volony sy ny hohony"


Fataon'ny gasy rehetra... rehefa mifona ny nify dia atsipy any an-tafotrano fa hoe "lanin'ny akoho" hono
fa maninonano hoe tafotrano fa tsy any an-kafa?
nefa ny akoho sasany aza (jereo ilay sary akoho @ cocorico ireny) ep ambony tafontrano no maneno...

sns sns....
novalian'i niryna ny 20/01/2007 01:40
2. soanja ( 24/12/2006 00:14)
Zah mino hoe misy dikany ambadika daholo ireo matoa nampisain'i Ntaolo. Ny Ntaolo amiko ny ankamaroany dia smart be sady manana vision goavana dia ny hoe izay mitambatra vato/ fihavanana sns. Olona mythic koa ny Ntaolo ka tsy fantatro hoe nanomboka tamin'iza no nantsoina hoe ny Ntaolo ary nifarana tamin'iza.
Any amin'ny angano no mety hitantsika izany.
Ka ny valiny de hoe misy fahendrena ao matoa napetrany dia izay no andraisako azy. Ny hoe minomino foana kosa dia miankina amle zavamisy. Raha toa ka ny Ntaolo niteny hoe "aza mihira ampisakafoana fa mahalava nify" de nefa izahay mihira foana eo ampisakafona nefa tsy lavanify de mba hita eo directe hoe tsy ni-work iny fa ny tiany tenenina de sao kenda. Isika gasy anefa tsy mba direct refa miteny fa aolankolaka satria io le kolontsaina e.
Zah dia mandala ny kolontsaina gasy ary tsy hoe inoako fa tiako hampitain amain'ny zanako hoe izao ny hevitry ny vazah momba an'ity de izao no hevintsika gasy momb an'ity. De aleo izy mijery sy mandanjalanja zay andrindrin'ny fony.
3. ikaretsaka ( 24/12/2006 04:13)
tohizo koa ary izay mahay e.. mba hifampizarana
4. Hubert ( 24/12/2006 12:31)
manana teny kely za an!
Bon, le izz anie azo atao hoe finoana; fa matoa ireo misy, de ao ny antony fa zany hoe tsy nolazaina na niniana tsy nolazaina io antony io ho fanhendrena Malagasy. Hoy ny an'ny hafa hoe: toute verité n'est pas...(tohizo) fa haintsika io an!
Ie: ny sasany aloha raha araka ny féndrenesana azy ombieny2; ohatra ilay mandaka rindrina de hialana @ rindrina maloto na mety hamparatra ny tongon'ilay manao izany koa e!, de noforonina io mba hatao balise.
Fa kosa misy tena tsy azo hazavaina: oh: ny reny mampinono, raha misy sendra miporitsaka tao he! he, de tsy azo fafana @ zvt maloto, fa tena mivonto ny nonon'ilay reny an!
tsy mino enao???? andramo anie, fa za efa nahita ary tsy nino toa anao; nefa tsy misy azo hanazavana izany velively.:D
5. booboo ( 24/12/2006 20:35)
Ity vao haiko vao tsy ela akory izay : tsy fanao, hono, ho an'ny vhv mitondra vohoka ny mitondra ankajo misy mamatotra ny kibo, valahana sns fa lasa voafatopatotra koa ilay zaza ao an-kibo.

Marina, hoe, io satria ilay mouvements atao rehefa hamatotra na hamaha ilay kitaditady @ robe na pantalon de grossesse sns ireny, misy fihatraikany any @ cordon ombilical kounkou = mihodidina @ tendan'ilay zaza. :-w:-w:-w
6. niryna ( 24/12/2006 23:16)
Eny tokoa hoy aho,ary efa nilaza izany aho fa tsy nisy namaly,tsy mahazo mandevina amin\'izao andro izao, tsy mahazo mihambozina mpanjakabe ny tany.Nisy fotoan nanao ireny ny ankizy dia mba nanao koa ny tena misy ny anarako,dia hoy ny dadatoako hoe tsy mahazo miambozona an\'io ianao,maninona hoy aho,tsy namaly izy fa izao fotsiny no teneniny hoe \"io ny fasana akaiky.\".Tsy mahazo manisy sakamalao ao anaty posy raha bevohoka, na mitazona famaky fa manjary sima ny zaza, tsy mahazo matory mian\'..avaratra na atsimo.Ny tena loza dia namangy ny moramanga izahay dia miampita ny vato miditra ao amin\'ny toeran\'ny mpanjaka ka tsy mahazo mandroso fa ny lamosina no mandeha aloha ary mivadika ny fandehanana ka ny voto-tongotra no mialoha,misy rano maloto ary mino aho fa feno mikroba sy otrik\'aretina mihitsy ilay izy kanefa misy olona misotro, mandro, manatitra vatomamy.Ireo olona ireo anefa dia lehiben\'ny fiangonana daholo izay taranaky ny andriana fahiny.Tena gaga aho ary hoy aho hoe tena tsy hivoatra mihitsy ity madagasikaran-tsika ity.Tsy mahazo atao hoe maty ny mpanjaka fa miamboho kanefa hita fa maty toy ny rehetra izao
7. ikaretsaka ( 24/12/2006 23:49)
dia tsy haiko ry niryna, fa tsy ny gasy irery anie no minomino foana fa izao tontolo izao mihitsy e...
na i Bekintana lazaian fa mandroso sns aza minomino foana ny olona ao
fa ny sasany nefa mivoatra
8. booboo ( 25/12/2006 10:09)
Ilay mihambozona mpanjakaben'ny tany tsy mahazo atao ndray, ny antony hoe, dia satria be hasina be io hazo io.
9. ikaretsaka ( 30/12/2006 08:51)
ary ilay aty hoe rehefa manao baseball. Raha aty USA (tsy haiko ny sport hafa)
Dia fady hono

-Ny miresaka @ ilay olona tsy mahakapoka ireny na ilay olona diso mahakapoka be ireny mandra pahavitan'ny lalao fa manjary tsy maha kapoka intsony izy

-Ny sasany misy tsy manasa sy mandio ny kirarony sy ny casque-ny mandritra ny saison 1 manontolo

-Tsy mahazo miharatra aby raha vao manomboka maharesy @ ilay saison.

-Siligaoma 1 ihany no tsakoina mandra pahavitan'ny lalao
10. soanja ( 30/12/2006 18:03)
ikaretsaka:

ary ilay aty hoe rehefa manao baseball. Raha aty USA (tsy haiko ny sport hafa)
Dia fady hono

-Ny miresaka @ ilay olona tsy mahakapoka ireny na ilay olona diso mahakapoka be ireny mandra pahavitan'ny lalao fa manjary tsy maha kapoka intsony izy

-Ny sasany misy tsy manasa sy mandio ny kirarony sy ny casque-ny mandritra ny saison 1 manontolo

-Tsy mahazo miharatra aby raha vao manomboka maharesy @ ilay saison.

-Siligaoma 1 ihany no tsakoina mandra pahavitan'ny lalao

Hadinon'Ikaretsaka le pistasy mbola anaty akora iray sase sy ny hot dog goavana be tsy omby vava. Finoanom-poana daholo ve zany?

11. niryna ( 20/01/2007 01:40)
booboo:

Ilay mihambozona mpanjakaben'ny tany tsy mahazo atao ndray, ny antony hoe, dia satria be hasina be io hazo io.

koa mbola finoana ihany koa io,manao baolina dia hipipiazana ny goal fa nasian'ny andanininy fanafody.Tena efa naheno izany aho ary mavesatra tampoka hono ilay baolina ary tsy tafiditra mihitsy.:roll:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2982