vhv tsy te-hiteraka
1. booboo
(
22/12/2006 13:02)
Fa maninona hoà no tsy dia tsara loatra ny fandraisan'ny manodidina ny fanapahan-kevitry ny vhv iraika tsy te-hanan-janaka (mitondra vohoka, mitaiza sy manabe sns) ?
novalian'i Zafintaolo ny 12/12/2011 08:42
2. miarina
(
22/12/2006 13:35)
Izaho mazoto hanao zaza raha tsy maita partenaore enao sa inona no olana ...
Rep : Aiza aloha le ol resahinao aty dago sa any france

3. simplex
(
22/12/2006 14:16)
booboo:
fa manin ndry no tsy hiteraka :?: nefa ra xxx aza mitady hanamboatra ny azy tsisy dadany :D
ka tsy normale zany kou :°)
zao e, refa antitra enao vao ho tsapanao hoe tsisy mikarakara. Ny zavatrao tsisy mandova, na misy aza mety ol tsy azoazonao akory. Sady mba tsara koa anie le hoe iny nofoko sy rako e. Mba ampitainao aminy ny zavatra tsara sy traikefa hainao, moa koa iriana mba ho resiny ireo lesoka taminao na koa hoe zavatra tianao mba ho experimenter-na nefa tsy afaka enao noho ny antony maro. Ny zanaka zany no version-enao antenaina eee ;-)
ze atao d mety doly fa diniho tsara fotsiny aloha. Ny tsy manana, maniry ny hanana na hivarotana ny tsy fivarotra aza. Ny afaka manana tsy manisy sirany, aiza ihany no lalan-kaleha? misy raha latera :-*

4. booboo
(
22/12/2006 14:34)
Ay ay ay, andraso klou fa hadinoko hatrany an-dreniny ny nanamarika : tsy booboo lé tsy te-hiteraka fa raha tsikaritro @ fomba firesaky ny manodidina anà no anontaniako.(zà aza miadry mafy an'i zana-booboo ela fiavy).
Miarina > partnera-na crac crac tsy quoi fa raha hanao zaza tsy lasa :°)...maty zà anio lé hihihihi.
Simplex > eka ouz ! misy raha latera. :-*

5. simplex
(
22/12/2006 14:40)
:D:D
Hay ve e :-P
Ra zay indray d zao: eo @ Malagasy harena ny zanaka, voninahitra ny fanana azy sy ny fitaizana azy (surtt ra misy rainy le izy).
;-)

6. jhouhlambout
(
22/12/2006 15:28)
Ka ny zanaka anié no sisa tavela eto an-tany rehefa lasa ny Ray sy Reny é. Dia rehefa tsy misy zanaka dia tapaka ny fitohizan'ny Aina (La vie)
8. soanja
(
22/12/2006 21:34)
booboo:
Fa maninona hoà no tsy dia tsara loatra ny fandraisan'ny manodidina ny fanapahan-kevitry ny vhv iraika tsy te-hanan-janaka (mitondra vohoka, mitaiza sy manabe sns) ?
Asa re ry Booboo. Ny fahitako azy aloha dia fahateren'ny saina ihany satria tsy tadidin'ireto olona ireto fa MANAN-TSAFIDY ny olombelona.
Manana safidy izy hiteraka na tsia. Manana safidy izy hanambady na tsia sy ny hoe manana safidy izy ny hamadika na tsia.
Ity ny filamatray ao amin'ny Mothers Acting Up sy ny Mothers without Borders:
Tenan'ilay vehivavy io . Izy mivady efa nifampiresaka. Ilay rangahy dakoro aminle resaka na le rangahy mihitsy no mahita fa tsy possible ny hitaizana zaza amin'ny situation misy satria hitany ny antony mahatonga izany sady mety tsara amin'ny fiaimpiainan'izy mivady nny tsy fisian'ny zaza.
De tsy hitako ny hidiran'olonkafa amin'izany. Raha io kosa ary ve ny mahasambatra azy mivady de hisy hisakana ve izany? Mahavariana o. Nefa izay le toetsaina mahita hitsikerana ny hafa fa tsy mijery ny eo ambany maso.
Amiko manokana dia zavadehibe ny fananan-janaka sy ny fanabeazana. Raha mbola hitako fa tsy feno ny fepetra tsapako fa handraisana ny zaza ho feno ary ho olom-banona any aoriana dia mbola tsy miditra amin'izany aho. Satria responsable amin'iny zaza iny mandrapaha hanany saina vory tsara aho ka malahelo aho raha ny momba ahy no hanimba olombelona vaovao hafa.
Nefa koa tsy midika izany fa tsy te hitaiza aho raha toa ka tsy te hiteraka ohatra ho an'ny vehivavy iray ny tenany mihitsy no tsinjoviny. Mampalahelo ahy ny zaza aririna eny rehetra eny. Te hanangana an'ireny aho satria tena mba hanome masoandro mahiratra an'ireny zaza ireny. Efa mihafeno olona eto ambonin'ny tany ary efa miharatsy andro amanalina ny situation (global warming , ady sns ) nahoana no mbola ho fenoana foana e.
Amiko mitovy ny zaza rehetra na fotsy na mainty na kolera hafa. Rehefa zaza dia tiako avokoa . ka na mivoka ny kiboko na nateraky ny hafa raha mandalo eo ambany tanako dia hanome toky azy aho fa ho vokarakara izy raha toa ka mbola mahafeno fepetra ny ao an-tokatrano hoe hahataiza zaza ho olombanona.
Koa de mahereza ry mpivady tsy te hiteraka fa tsy misy maharatsy izay safidinareo izany akory. Fa mba miangavy kosa mba mitsinjo ny zaza tsy misy mpiahy sy ireo naterateram-poana izay eny amin'ny arabe. Satria itambrantsika ity planeta tany ity. Enga anie ny safidinareo mba hanasoa ny hafa fa tsy ho fitiavan-tena fotsiny.
9. dailynews
(
22/12/2006 21:48)
ie, safidy araka ny nolazain i soanja io.
manana efa image koa ny fiaraha monina hoe: mianatra-miasa-manambady-miteraka..koa raha tsy arahinao io lalan ny fiarahamonina io dia heveriny fa hoe misy tsy mety ianao. indrindra moa fa fiarahamonina malagasy io....(izany kosa e)
tsy manana sipa ianao dia lazain ny olona hoe aiza ihany lery e. sady tsy menatra mihitsy manontany hoe fiainana manokan ny olona anie izany.
iny indray izy fa tonga dia tonga dia hoe rahoviana no hanapaka mofomamy no mahamaika ny olona.
dia mbola tsy miteraka indray dia manotany foana ny olona hoe rahoviana no hanolo couche.
rehefa manolo couche ianao izay vao azoazon ny fiarahamonina ny ainy....
asa aloha...

10. ikaretsaka
(
22/12/2006 22:08)
booboo:
Fa maninona hoà no tsy dia tsara loatra ny fandraisan'ny manodidina ny fanapahan-kevitry ny vhv iraika tsy te-hanan-janaka (mitondra vohoka, mitaiza sy manabe sns) ?
Poika
diso!
raisin'ny fiaraha monina tsara ko!
Jereo ny an'i masera zao ekeny tsara
11. fijo
(
22/12/2006 22:43)
marin afa tsy dia eken'ny fiarahamonina io safidy io,satria isika dia mbola voaterin'ny fitaizana hoe ny vavy no loharanon'ny taranaka.ka vao misafidy tsy hiteraka ianao,dia maty taranaka izay no fiheverana azy.eo no tena tsy tanty
12. soanja
(
23/12/2006 03:23)
fijo:
marin afa tsy dia eken'ny fiarahamonina io safidy io,satria isika dia mbola voaterin'ny fitaizana hoe ny vavy no loharanon'ny taranaka.ka vao misafidy tsy hiteraka ianao,dia maty taranaka izay no fiheverana azy.eo no tena tsy tanty
Eo no mipetraka ny fanontaniana ry Fijo hoe taranak'iza no maty? ka raha izy mihitsy ny misafidy hanajanona ny taranaka eo aminy satria izay hitany no hitany fa fahendrena satria ny eo tsy mahafapo azy aloha ny /sosialy/environment indrindra indrindra. Dia safidy ny azy ka tsy hitako izay hitsaran'olona amizany. Azy ny azy. Vita hatreo ny momba azy fa au moins tsy nanimba sy nanahirana ny manodidina izy nony lasa.
13. fijo
(
23/12/2006 05:34)
za manaiky izay safidy izay,fa ny fiarahamonina tsy mbola manaiky izany.
14. soanja
(
23/12/2006 15:31)
dailynews:
ie, safidy araka ny nolazain i soanja io.
manana efa image koa ny fiaraha monina hoe: mianatra-miasa-manambady-miteraka..koa raha tsy arahinao io lalan ny fiarahamonina io dia heveriny fa hoe misy tsy mety ianao. indrindra moa fa fiarahamonina malagasy io....(izany kosa e)
tsy manana sipa ianao dia lazain ny olona hoe aiza ihany lery e. sady tsy menatra mihitsy manontany hoe fiainana manokan ny olona anie izany.
iny indray izy fa tonga dia tonga dia hoe rahoviana no hanapaka mofomamy no mahamaika ny olona.
dia mbola tsy miteraka indray dia manotany foana ny olona hoe rahoviana no hanolo couche.
rehefa manolo couche ianao izay vao azoazon ny fiarahamonina ny ainy....
asa aloha...
Dailynews sy Fijo> Marina tanteraka ny teninareo.
Izay no maha fiarahamonina ny firahamonina misy norma tokoa takiany. Matetika anefa io dia mahasoa ny rehetra tokoa satria logic be anie le hoe hanambady ve de tsy hiteraka saingy tokony eo koa ny societe hijery ny fiaimpiainan'ny tsirairay satria ny tsirairay manana ny needs sy ny value -ny avy any aminy any fa tsy manao bamba ray hoe izao no takiana dia izao no tokony ho izy. Tsy tomga lavitra tamin'io fahasambarana sy value hapetraka ny tsirairay io ny fahalalan'ny ankamaroany.
Eto matetika no hitako mahavoa ny firahamonina gasy. Manao bamba ray fa tsy mijery ny pitsopitsony raha ny resaka atao hoe FAHASAMBARANA takian'ny tsirairay. Mahita kosa izy pitsopitsony raha problema na olana ny tsirairay just pour hifosana satria izay no needs-ny. Tia mifosa ny societe gasy ka raha tsy misy hifosana dia marary ny ambanindaim-piainany.
Tsy mampalahelo ahy izany fisainana izany fa manentana ahy hanao izay mba zakako entina any hanampiana azy ireo satrai tsy fantany izay ataony fa nandova an'io fotom-pisainana io izy tamin'ny razantsika.
15. pissoa
(
23/12/2006 17:48)
"Ny hanambadian-kiterahana" hoy ny malagasy. Hafa ny hoe mbola miandry kely fa mbola tsy vita ny bosy, na hoe mbola te hiakatra grady aloha any ampiasana. Hafa kosa ny hoe efa hita mivady 10 taona tsy mbola miteraka ihany. Amin'io faharoa io, angamba tsy hoe ratsy akory ny fandraisan'ny olona azy, fa "te hahafantatra" izy. Tsy haiko na ratsy na tsia ilay "te hahafantatra" io, haiko fotsiny fa rariny be raha mandeha ny sainy :roll::-D
Alaivo an-tsaina misy olona iray, miasa tany be eo, dia tonga ny mpanatitra sakafo dia miteny izy hoe "Izaho tsy hihinana ka" ... mazava ho azy, tsy maintsy hanontany ny mpanatitra sakafo "Reraka loatra angaha ?" na "Tsy tia laoka ? " ...

16. soanja
(
23/12/2006 22:45)
pissoa:

Tsy haiko intsony ny any Mada any fa raha aty US izany ka manontany ilay mpanontany nefa tsy fitivam-pananahany io dia mazava ny valiny "Tia raha anao" na hoe "That's none of your business" na hoe "you are too nosy".
Normale be le mpanatitra sakafo raha tsy hihinana le nanaterana raha manontany satria izy no nisahirana nanatitra sakafo sy nahandro azy. Fa raha olonkafa no nahandro azy dia izy no manontany dia mety hafa ny valiny hoe "ino problemenao izikio zah tsy hihina?"
Aleo akako ohatra ary. Zha manambady PILOT nefa zah koa flight attendant na hotesse. Izahay mitsam mi-fly foana isaky ny 2 jours. Izy mandeha 2 jour mimpody , zah lasa rehefa tafampody izy. Indray alina no ifanenanay matetika. Indraindray tsy mifanena izahay ao antrano ao anatin'ny un mois. Zany firaisana izany any ampanidinana no hanaovanay an'izany rehefa mifankahita nefa reha mifankahita mifankatia be tsy misy ohatr'izany.
Omeo ahy ny fomba hitaizana zaza amin'izany. Zah tsy matoky olona mitaiza ny zanako fa zah ihany no tiako hitaiza azy. Aleoko tsy misy toy izay manan-dratsy. Nanapakevitra aho fa ny mahasambatra anay dia ny miaina tsy misy zaza stria raha misy le zaza de complique le fiainana.
Ary ny tena zavamisy amin'ity ohatra nalaiko ity dia 20% namako dia ireo aby.
17. pissoa
(
24/12/2006 06:46)
10 taona ve izany foana ny rythm anareo mivady ? :lol: Mandiniha dia mahereza :-D:-D:-D
Tsy liana amin'ny fomba hitaizanao ny zanakao ny fiaraha-monina rehefa tsy misy zaza taizainao akory eo. Tsy natao hicomprendre ny zavatra tsy ataonao izy (tsy business izany, araka ny lazainao) ; fa raha misy zavatra heveriny hoe "normal" nefa tsy ataonao - dia mazava ho azy fa ianao no heveriny hoe "tsy normal". Tsy miandry izay fanazavanao lava be any izy, tsy ilainy izany - fa ny sainy fotsiny no mandeha. Mety tsy hanontany anao akory izy, raha tsy hoe mihevi-tena ho "havanao" na "namanao" akaiky. Ka raha ny havanao no manontany ny amin'izay mety ho olanao, hadisoany ve izany ? Sao rehefa tsy hanontany intsony izy vao omena tsiny indray.

18. sipagasy
(
24/12/2006 08:40)
mmhhhh variana aho, mijery eto, fa angaha moa ny fiaraha monina no mibaiko ahy??? fa tsy ny vatako sy ny saiko aloha???? ka raha izay ny mba andianin'ny saiko hoe tsy hitoko dia fahadisoana ve???? tsy haiko aloha e! fa amiko manokana izaho aloha izay vao ny fiaraha monina misy ahy fa aiza io na aiza.
19. soanja
(
24/12/2006 13:27)
pissoa:
10 taona ve izany foana ny rythm anareo mivady ? :lol: Mandiniha dia mahereza :-D:-D:-D
Tsy liana amin'ny fomba hitaizanao ny zanakao ny fiaraha-monina rehefa tsy misy zaza taizainao akory eo. Tsy natao hicomprendre ny zavatra tsy ataonao izy (tsy business izany, araka ny lazainao) ; fa raha misy zavatra heveriny hoe "normal" nefa tsy ataonao - dia mazava ho azy fa ianao no heveriny hoe "tsy normal". Tsy miandry izay fanazavanao lava be any izy, tsy ilainy izany - fa ny sainy fotsiny no mandeha. Mety tsy hanontany anao akory izy, raha tsy hoe mihevi-tena ho "havanao" na "namanao" akaiky. Ka raha ny havanao no manontany ny amin'izay mety ho olanao, hadisoany ve izany ? Sao rehefa tsy hanontany intsony izy vao omena tsiny indray.
Ka raha misy olona mpivady efa hisotro ronono nanana io fiainana io aloha dia dikan'izay mety aminy le izy satria samy manana ny mahasambatra sy mahametimenty azy ny olona ka nahoana no olanao ry zareo raha tsy te hiteraka?
Tsy azoko aloha le resaka fanabeazana. Raha tsy hiteraka izy de tsy hanabe akory no logika amzany. Fa afaka mandefa vola sy mamatsy vola ho an'ireny toerana mikarakara zaza kamboty ireny izy ho fanampina ho an'izay niteraka fa tsy nahakarakara.
Sa ve ny Fanabeazana karakaraiko zah Soanja no resahindry eto? ohatra manko io nomeko io fa tsy io akory ny fiainako fa raha ny ahy milamina matoa afaka manoratra matetika eto aho. Business goavana ary miodina sady mahafapo ny atolotray. Raha isaina ny isan'ny zaza/mpampianatra nivoaka teo ambany fampianarako dia ho gaga ianao. Tsy indry mihitsy ny hitsara ny zavabitan'ny hafa. Fa ny zanakindry tezao tsara amzay mahamety azy dia milamina ny tanana ka.
Ny hany marihako fotsiny de samy manana ny vatany ny olona ka izay tiany hanovany azy io. Na ho fenoany tattoo ny tenany, na ho tapatapahany ny lelany sy izay tiany tapahany, na hanambady vazah izy na gasy na Japs dia hiteny ny fiarahamonina. Ny vavan'ny FM tsy voasakana fa ny hidirany ao anatinao mangina kosa dia azo sakanana tsara. IO ilay fitoniana ao anaty.
Sambatra izay mahatsiaro sambatra ary tsy mahita olana ny an'ny hafa fa mikatsaka ny hitazomany izany fahasambarany izany foana ary manampy ny hafa ho tody amin'izany koa.