lalina indray iny!!

1. bazylou ( 21/12/2006 17:51)
tany gare de lyon aho omaly hariva dia nahita gasy nangataka sy nitendry gitara!! izay aho vao nahita an'io hatramin'izay nipetrahako teto!!

Ny folak'andron'io aho teo gare du nord dia nahita gasy ( asa mety diso angamba aho ) fa tena hitako gasy aloha ranamana ary niady hatramin'ny farany fa tsy namelan'ny polisy fa noraofiny ihany!! Tsy haiko izay nataon'ny lery tany ambadika tany fa izy efa voabeda no hitako , handeha hampakarina ao anaty clio miaraka amin'ny ilay sac à dos manga kely!! Nalahelo kely aho nahita an'i lery!! NY tenany nefa mba madio sy miteny frantsa ihany!!
novalian'i rurik ny 28/01/2007 11:01
2. nikopol ( 21/12/2006 17:58)
za ilay nalain'ny pra iny fa efa tafavoaka za zao ka ! oui, je parle la france quoi ! tu vois sady madio ny tananay
3. lost ( 21/12/2006 18:28)
efa misy efa ela ilay mitendru gitara ry bazylou aa
nareo ngamba lay gasy vao tonga no tsy nahalala an'zay fa aleoko kosa alou izy manao an'zay toy izay mangalatreee tsy asa ratsy zany amiko,lay niraofin'ny pra noteneninao otran'ny gasy, tandremo iany fa tsika gasy matetika mifangaro @ndry zareo gambogdianina sy ny philipianina reny!Ndrai2 izy ireny d miarahaba anao @ teny tsy fantatra :-D:-D:-w
4. Fiffi ( 21/12/2006 20:23)
heu...zah aloha de mahita an'ireny koa aty an ! ny eto paris zao de efa nasiana toerana manokana mihintsy mba ahazahoan'ireny olona ireny mampiseho ny talentany ......
5. fijo ( 21/12/2006 21:42)
bazy an,fa hoviana ialahy no tonga teto frantsa no gaga amin'izany??????marina fa tsy betsaka ny manao izany aty,noho ny toetrantsiuka mbola sarokenatra sy tsy tia ho ihta loatra,saingy efa nisy efa ela io,na ny gasy mivarotena eny an dalana,"avignon" na ny gasy mangataka"marseille"misy iray koa aza fa efa tsy itako intsony lery,miaraka amin'ny klodaka eo amin'ny lalana eo.
indrisy fiainana izany.
6. Zina ( 22/12/2006 03:58)
zany mihitsy aleo ary izy mba mihira eny ko...aza adino no manome vola be e....bazil..
7. mirana5 ( 23/12/2006 20:10)
mafy rehefa ory zany é:snif::snif::snif:
8. rurik ( 28/01/2007 11:01)
ohatran'ilay hira we tsy misy asa ratsy raha mahavelona. ny mangalatra ihany no ratsy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1377