Kizitina rehafa mitondra Fiara (road rage)

1. soanja ( 21/12/2006 06:58)
Ny zavatra mampatahotra ahy ao Tana rehefa mitaingina fiara ao dia toa miady lava izany foana ny mpitondra fiara sady mifampiteny ratsy ary tsy misy fifanajana mihitsy. Fifandeferana tena zero mihitsy. Ohatra ny hisy accidents zany foana.
Inona no mba vahaolona amin'io (fanabeazana) sa ve de izay le hoe samy maika de izay voa voa.
novalian'i LazaDaddy ny 12/01/2007 04:44
2. Fiffi ( 21/12/2006 08:37)
de inona moa no vaha-olana @ io fa ny olona de tsy mba misy fandeferana mihintsy..
3. diamondra27 ( 21/12/2006 12:48)
ka mba manaraka code de la route ve ry zalah?

Ahoana no hanabeazana azy fa ny bobby aza tsy ampy ; refa manomboka tsy misy sosy iny ry zalah de manakana fiara sy motono ataony sns...fa ny circulation de e e e
4. Fiffi ( 21/12/2006 15:14)
hummmm.....sady le manompa @ klaxon ? aty frantsa aloa de interdit ny klaxon ! fa any dago tena ilaina io indraindray fa ny olona koa manko mandeha eny am-povoan'ny lalana ....fa tsy hatao mampihatsambitra fa....
5. xxx ( 21/12/2006 15:30)
Izany no code de la route aty koa ! Fa ny anareo any an-dafy any manao ahoana ?
6. Fiffi ( 21/12/2006 15:38)
interdit hoa ny klaxon ! fa aty kosa aloha feno feu eh ! sady hummm.....tandremo fa raha manao adalana de very ny points an ! satria ny permis efa à points ny aty .....vao mi-griller feu mena ka tratra de 2 points lasa .......
7. fasaly ( 21/12/2006 15:51)
tsisy vaha olana io e! efa zay lé izy de zay:°)
8. soanja ( 21/12/2006 18:30)
diamondra27:

ka mba manaraka code de la route ve ry zalah?

Ahoana no hanabeazana azy fa ny bobby aza tsy ampy ; refa manomboka tsy misy sosy iny ry zalah de manakana fiara sy motono ataony sns...fa ny circulation de e e e

Rah ny fahitako azy tany aloha dia vitsy ny manaraka code fa manao izya saimpatany eo de izay no metetika hisina'ilay accidents. Refa tsisy zandary de izay matanjaka sy faingana no mahazo ny lalana voalohany.

Ny fanabeazana kosa aloha dia tokony hisy foana e (omen'ny fanjakana). Ohatra hoe ny fanangonana points araka izay ohatra de izay mihotra ny 10 de tsy esorina ny permis. Raha tratra mamo mitondra fiara sns dia tsohina daholo e.
Rehafa haka ilay permis indray dia tokony hamonjy classe adiny 3 eo ihany fa izay no aty. Dia eo ny misy ny lavage sy fanasana atidoha hoe zavadehibe ny ainao sy ny ain'ny hafa. Mahalala/mahaiza mitandrina. Ny fandeferana no mariky ny fahaizamiaina sns...


9. titis ( 21/12/2006 20:59)
zah kosa aloha raha fantatro fa manany rariny no mbola ompaina dia miainga zay ny :wink:
10. soanja ( 21/12/2006 21:10)
De matetika anefa de tsy ilaozan'ny adala io fitondrana fiara io fa be ny adala aza noho ny hendry. Marina e. Ny mandefitra no mety. Nefa asa moa.
11. Fiffi ( 22/12/2006 12:43)
ny mandefitra no mety saingy mahay mandefitra tokoa ve ny olona ?
12. sitlo ( 22/12/2006 15:53)
Ilay fanabehazana mihitsy no tsy ampy. Fa mba efa niova kely kosa aza ilay izy tamin'ny andron-dra8. Ilay hoe mila mianatra mekanika vao mahazo permis. Taloha mantsy na tsy nandia fianarana aza ianao fa mahay code sy mitondra fiara fotsiny dia izay.
13. Fiffi ( 22/12/2006 17:35)
heu...ny aty frantsa koa hasian'ry zareo lesona zao @ fianarana code io hoe misy zavatra tsy maintsy hay momba ny mekanika !
14. soanja ( 22/12/2006 19:20)
Fiffi:

ny mandefitra no mety saingy mahay mandefitra tokoa ve ny olona ?


Ny ahy aloha refa any dia vao hianga izahay dia izao no teneniko foana amin'ny saoferako. Tsy misy mahamaika (na maika aza hoa an) fa dia mahaiza mandefitra. Satria iny fahamaikana sy fikizitinana iny mety haningotra ny aindehibe.


15. ikaretsaka ( 22/12/2006 23:58)
ny any madahaskara dia anisan'ny accesoiren'ny fiara ny tanana akavia!

Ze tinao atao ataovy fa apoatra @ varavarankely fotsiny ny tanana ankavia rehefa avy eo de mandeha io!

aza atao midona fotsiny!
16. Fiffi ( 23/12/2006 21:12)
[IMG]http://smileys.inzenet.org/repository/F%EAtes/joyeuses%20fetes.gif[/IMG]
17. xxx ( 26/12/2006 03:20)
toa misy anio daholo hatraiza koa,misy aza efa jiro mena izao mbola mandeha ihany ka tonga ny sazy any an-trano satria azo sary ilay fiaran'ny tena,ny ahy indray dia manara-body ilay mpamily ka sendra nisy polisy teo ary hoy ilay izy hoe manaova ianareo fampiraharaha,mankanesa ery amin'ny sisiny ery,vao nandroso kely ny tena dia efa lasa nitsoriaka ilay mpamily nandona ny tena,ny aty mantsy na ianao no manao fahadisoana na ilay olona iray dia mitombo ny vola alohanao amin'ny fandoavana assurance-ny fiara,mankaleo
18. fiderana ( 26/12/2006 07:06)
asa raha mba tsikarirareo fa ny taxi be no tena tsy ampy fanabeazana eto @ tanana, ary raha vao mba vitsy izy no miasa dia milamina ny fifamoivoizana , sady ry zalahy ireny toa hoatran'ny manana toetra jiolahim-boto na ny chauffeur na ny aide-chauffeur, hotran'ny tsy dia nadia fianarana izany ny an-kabetsahany, dia iany no manjary mahatonga ny tsy fifanajana sy ny tsy fifandeferana.
19. LazaDaddy ( 12/01/2007 04:44)
Soanja:
Inona no mba vahaolona amin'io (fanabeazana) sa ve de izay le hoe samy maika de izay voa voa.
Ny vahaolana mety azoko atoro anao dia ...lol...olona tsy mahay teny gasy asaina mamily ny fiaranao moa ianao migalabona eo anilany fotsiny, @ izay reraka izay be menomenona:lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1958