LASAN 'NY SOLAFA Ramose....

1. DONGAKA ( 18/12/2006 16:46)
Raha sanatrian'ny vava ka ianareo sipa no sendra an'izany ny efa manambady no tiako tenenina eto hoe lasan'ny mpiasa ny ramose nareo dia ahoana?...
novalian'i soanja ny 29/12/2006 06:36
2. soanja ( 18/12/2006 17:19)
De inona moa no azo atao fa de resahina izy raha iny no tiany hovadiana dia miala moramora aho fa niova indray ny fony ka, ny mpiasa vavy na lahy ao antrano anie mba olona ihany e, toy ny hoe lasan'ny secretaire ny vadinao na boss-ny vavy. Azo resahinan tsara ny outcome rehetra hoe inona ny vahaolana tsy hanimba ny rehetra.
De mitohy ihany ny fiainana ary mety ahita lehilahy hafa indray zah satria zah mino fa mba te hanova menu izy , de mino koa zah fa misy menu vaovao azoko hohanina koa any ho any.
3. fasaly ( 18/12/2006 17:27)
efa nahita io cas io aho tao anaty ny fianakaviana fa noroasana lay mpiasa, nanaovana tamba be tao de nalefa nody any am nisy azy tany fa mahavanon-doza....
sendra nanaoa vokasy ny vady amanjanaky ramose de i kala mpiasa no nikarakara ny ramose de voasarika tenter lay ramose de nony nody ny vady amanjanany dia nibotsina be i kala mpiasa sady niseho ho tompony, de nalefa nody tsotra izao:?
4. lemenakely ( 18/12/2006 17:41)
Aleo angamba aloha ho jerena sy analyséna kely NY ANTONY hoe maninona i ramose no manadàla mpiasa

-mety ho tsara tarehy ilay mpiasa noho i madama
-mety manao akanjo fohy kely sy short ka maka fanahy an-dramose koa izy.

-mety manaitra an'ilay mpiasa koa i rammosé
- mety ho resa-bola ihany koa ny an'ilay mpiasa

-mety tsy andalovana mihintsy koa ilay rangahy!

-te hitovy toerana @ madama koa izy

-na ity no tena mateti-pitranga mety valifaty satria i ramadama dia kozitim-belona....:{:{:{
5. kally ( 18/12/2006 17:45)
Mety hoe harary ihany ny fo, saingy rehefa te handeha ve izy moa ho tazonina? Raha izay no hahasambatra azy dia omena lalana izy sy ny mpanampy hahorin-tokatrano.Hena teny an-tanan-tsaka ve averina hohanina indray fa aleo ho azy any sao mahabe aretina!:lol:
6. Fiffi ( 18/12/2006 18:02)
enganié ka mba tsy hisy zany fa tena ....:(
7. lemenakely ( 18/12/2006 18:23)
Fiffi:

enganié ka mba tsy hisy zany fa tena ....:(



euh dia malahelo aho ny milàza aminao fa dia misy tokoa io cas io
8. diamondra27 ( 18/12/2006 18:59)
DONGAKA:

Raha sanatrian'ny vava ka ianareo sipa no sendra an'izany ny efa manambady no tiako tenenina eto hoe lasan'ny mpiasa ny ramose nareo dia ahoana?...



de tsy haiko aloha fa mbola tsy nihevitra an'io aho.

"hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha"
Donc, efa nisy coup d'oeil tao sns...

Ny ahy raha manana mpiasa aho dia tsy avelako miditra ny trano fandriako ny mpiasanay.
Za daholo no mikarakara ny ao satria ao no misy ny intimité-nay mivady.

Ny mpiasa dia mikarakara sakafo, zaza, tokatrano fa asiana limite. Raha omena fahefana tanteraka izy de mahatsiaro ho ambony donc manaonao foana.De mi se permettre manao io hifetsika io.

Asio lanjany ihany ny mahavady anao mba tsy hisian'io mpiasa mahazaka ramose io e!

9. xxx ( 18/12/2006 19:00)
tena misy io cas io ,fa misy ny olo-tsy mavanondoza ,namana izao aza no mamadika anao ,mitandrema ihany hoy ny fiteny
10. ikaretsaka ( 19/12/2006 00:53)
ilay lasan'ny solafa kosa hafahafa be.. fa ilay lasan'ny secretaire no betsaka kokoa aza
11. paolla ( 19/12/2006 05:36)
:twisted:ra za manokana ndray alo no anotaniana de tonga de à la porte avy atrany e!na toriako satria anisany fangalara-badin'olona izany!ra o etin'ny foko az za de vonoko ts ananako antra miits sa aôna oziz nareo?8
12. 2gasy ( 19/12/2006 06:41)
DONGAKA:

...lasan'ny mpiasa ny ramose nareo dia ahoana?...


Atao ahoana moa fa dia entin'ny miakandrefam-baravarana ny toy izao ka dia tsy hita izay azo atao afa-tsy ny mionona.
Zara aza nisy anareo namana tonga nidodododo nanamaivana ny fahoriana ka dia hahay mionona ....
13. soanja ( 19/12/2006 07:03)
Na lasan'i solafa na ny sekiretara na JLo ny vadiko de samy mitovy ihany ny zavatra tsapako. Malahelo aho saingy atao akory. Niova lasy zany izy.
14. miarina ( 19/12/2006 09:13)
Fa maninona no hoe le Lasan'ny solafa Ramose
Possible ko anie hoe lasan'ny solafa madame ...
15. jhouhlambout ( 19/12/2006 09:49)
Dia iza sisa no tsy lasa?:?:
16. Tenio ( 19/12/2006 15:08)
jhouhlambout>mbola veloan kay less elà klé:):)
17. diamondra27 ( 21/12/2006 12:59)
miarina:

Fa maninona no hoe le Lasan'ny solafa Ramose
Possible ko anie hoe lasan'ny solafa madame ...



lasan'ilay jardinier hoe fa tsy solafa madama:(:(
18. sipagasy ( 24/12/2006 08:48)
ka ny maha variana ahy dia izao e!!! nga tsy olombelona koa ilay solafa moa no lasa atao resaka????? tsy hitako ny olana @ izany rehefa tsy lasan'ny aliaka sy ny biby hafa fotsiny hihihihi
19. soanja ( 24/12/2006 13:35)
sipagasy:

ka ny maha variana ahy dia izao e!!! nga tsy olombelona koa ilay solafa moa no lasa atao resaka????? tsy hitako ny olana @ izany rehefa tsy lasan'ny aliaka sy ny biby hafa fotsiny hihihihi


marina ny andry ry Sipagasy. Raha ny fahitako an'izao resaka tokoa mantsy de tsy olona ilay mpiasa fa inona angaha.
Amiko dia na Angelina Jolie na ilay mpiasa mpandio trano aty aminay , izay manja be tokoa ireo matetika aty aminay satria Mexican de mitovy aby. Lasany ny vadiko de marary ny aiko.


20. sipagasy ( 27/12/2006 09:18)
ka izay mantsy ry Soanja ny mahagaga ahy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4569