Mila fanalana andro ihany koa ireo antitra.

1. niryna ( 17/12/2006 20:30)
EFa misotro ronono hono no filaza azy kanefa aho aloha tsy mbola nahita antitra nividianan'ny zanany ronono izany.Mila fialamboly isika rehetra na antitra na tanora.Ny any ivelany dia misy toerana natokana mihitsy hialan'ny antitra voly ary ireo aza no mikarakara ny sakafony ka rehefa tsy afaka mivoaka intsony izy dia misy olona manokana manatitra ny sakafon'ny be antitra.
Mila valim-babena tokoa izy ireo fa tsy mitanin'andro maka ny anjara-masoandrony eo fotsiny,mitanisa ny fahiny izaho...Misy toerana ve aty mikolokolo ny antitra na manao zava-kanto na zavatra kely madinika.Sao mahita hevitra ianareo mba hitarihan'ireo zoky olona manana talenta hampianatra ny antitra toe-javatra eo amin'ny faritry ny tsirairay.
novalian'i niryna ny 26/12/2006 03:09
2. fasaly ( 17/12/2006 21:20)
misy trano natokana ho an'ny be anitra dia any am maison de repos izany! dia efa misy organisation ho an'ny be antitra ao! hanaterana sakafo, somoina akanjo entina mitsangatsangana eny anjaridaina sns....
3. Fiffi ( 17/12/2006 22:03)
misy ny hatao hoe "maison de retraite" zay natokana ho an'olona antitra ary mahasolo lavitra ny fialam-boly zay nataon'olona taloha.
Satria ahitana hatramin'ny défilé de mode natokana ho azy ireo , na ny fanaovana lalao isan-karazany , na fampianarana manjaitra , tricot sns.....
4. MTN ( 18/12/2006 02:38)
Izay zany ilay hoe voky andro manala andro?:°)
5. fasaly ( 18/12/2006 06:24)
:lol::lol:
6. booboo ( 18/12/2006 06:58)
Maromaro ny antitra hitako fa tsy midonanam-poana zareo : mamboly sy miompy kely eny, manao tao-zavatra kely sns.


7. soanja ( 18/12/2006 07:41)
Ny antitra aty aminay de tia sport tokoa: mihazakazaka isamaraina, mandeha tongotra, manao ball room dance.
Ao koa ny manao fialamboly tsara toy ny Bridge sy ny karatra hafa.
Fa ny tena hitako fa mahafinaritra ahy dia ny fikarakarana zaridaina sy ny filalaovana biby toy ny alika ho namana mahatoky sady mampirisika azy.
8. niryna ( 26/12/2006 03:09)
Ny efa hitako indray dia misy manala andro miloka ry zareo ka tena lany borona mihitsy,tena variana aho fa dia akaiky moa ny fakana vola dia maka indray.Misy toerana fianarana mandihy dia mitanjozotra malefadefam-pandihy eo ry zareo,ny aty amintsika no teneniko efa misy ve?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1965