Fotoan-gasy.Inona no vahaolana.

1. niryna ( 17/12/2006 20:02)
Tena tsy mety miala ny fanaovana fotoan-gasy mihitsy isika na aiza na aiza.Efa toetra ve io amin'ny maha-malagasy ka tsy azo ialana sa dia tsy manome fanajana no tena izy.Mahita vahaolana ve ianareo ka nahafapo sy nandaitra teo aminareo
novalian'i kitjo ny 15/01/2007 06:36
2. soanja ( 18/12/2006 04:51)
Tena raikitapisaka tokoa aky io fa de mahagaga. Misy vahaolona tokoa io saingy raha tsy manaraka ilay olona dia midika izany fa tsy fahampiana firaharahana, izay anisan'ny fositra koa. Eo no ahafantaranao raha afaka mhatsapa sy mahatsiaro ny hafa ny olona iray. De afaka mandinika koa ianao hoe zaka ve le toetra sa tsia.
zah manokana rehefa any Mada dia efa vonona ny saiko dia milefitra aho fa raha aty an-dafy kosa dia tsy mety mihitsy aho fa refa lera de lera ka izay tara dia naman'ny tara train.
3. soanja ( 18/12/2006 04:53)
saika hadinoko, zah dia olona tsy mba tara na any Mada na aty fa rehefa misy olona fantatro fa tara lava ka miaraka eo izahay dia amboariko ny montre-ny zany hoe alefako aloha.
4. fasaly ( 18/12/2006 06:23)
hiafio ao fa ny gasy tsy hiova vazà mitsy, izay no antony......fa zà alou manja fotoana be foana e!:-P:°)
5. booboo ( 18/12/2006 07:29)
Hitako manaraby zay io fomba fiteny iraika io. Tahaka ilay hoe "vita gasy" teo aloloha teo. Rehefa mankany ambanivohitra beeee any anefa dia mbola io fotoan-gasy io no ampiasan'ny oul. Tsy haiko na tsy fantany hoe inn lé fotoan-gasy t@ malagasy.

-Maneno akoho tokana, maizim-bava-bilany sns
-Ny fotoana iaingana no lazaina fa tsy ny hahatongavana hany. Nony nahazo ny fomban'ny tandrefana @ zay ny Malagasy dia ny ora ahatongavana no natao réf.

Raha io farany io dia aleo miteny hoe tara fotoana fa tsy hoe manao fotoan-gasy zany...fa ny fotoan-tsinoa sy ny fotoan-kômôriana angaha manaja kokoa sa maninn kokoa ?
6. xxx ( 20/12/2006 18:28)
tsy ny gasy ihany io ,mbola tsy tratran'ny fotoambaza angaha ianareo ,oh:eny @radoko ,ny banky fona no mba hitako eo eo ,za taloha de rehefa manao fotoana à sipako de tsy mba tonga @lera zany za asiako 15mn de retard foana:-P amitsika gasy otran'ny tsy fomba le tonga @lera fa mahamenatra angamba ,rha @ 7 no ilainao azy de asaivo tonga @6h30 fa hohitanao fa mety io vahaolana io
7. ikaretsaka ( 20/12/2006 19:03)
ny ahy rehefa fantatrp hoe tena mpanao fotoangasy ilay olona dia raha fotoana @ 10 dia mody lazaiko hoe @ 7 sy sasany! tsy tara mihitsy izy @ zay
8. dailynews ( 22/12/2006 16:54)
t@ izaho tany tana teo dia nanoa fotoana t@ cousine ko. dia hoy aho taminy, h@ 10 maraina hoa izaho no ao antrano fa tsy maintsy lasa aho aorian izay.. dia mahavariana fa tsy azony ilay izy..lasa aho t@ folo, ary nitaraina tamiko izy avy eo hoe..tonga tao hono izy t@ 10:45. :-w
@ manaraka angamba izy rehefa manao fotoana amiko dia mba ho tonga ara potoana rehefa atao tahaka izany, dia tsy mba hianatra ve?
9. Rasiligaoma ( 22/12/2006 17:00)
nyahy aloha raha manao fotoana amiko amin'ny 10 ka tsy tonga amin'ny 10:05 dia eo ianao fa lasa aho e
10. niryna ( 25/12/2006 01:46)
Angamba efa zatra ny miandry taxi-be sy bus ka tsy mampiraika ny olona intsony,manao ahoana re raha ohatra misy fivoriana ka tonga dia atomboka rehefa tsy tonga ara-potoana e? Toa tsy miraharaha ny olona, na koa atao hoe hiangaviana isika rehetra mba ho tonga ara-potoana ,toa mihaino fotsiny ry zareo.Lazainy hoe masika ny tena rehefa miteny hoe raha tsy tonga eo iny tonga dia laozanay kanefa ny tena any alavitra be manantona an-dry zareo,izy indray no tara efa ho adin\'iray latsaka.
11. xxx ( 27/12/2006 11:23)
Io lazain'i booboo io no antony e, tsy précis ny famataranandron'ny gasy taloha :

- maneno akoho : tsy miaraka maneno à la minute près ny akoho rehetra
- indray mahamasa-bary : arakaraky ny afo , ao ny masaka aloha kokoa

dia izay no mitohy h@ izao , miampy laxisme kely na betsaka aza

Ho an'ny olona zatra any Europa na toerana hafa dia mandreraka ilay izy fa tsy hahavitana n'inon'inona mihintsy .

Angamba mila mitelina famataranandro ohatry ny Soisa
12. kally ( 30/12/2006 13:22)
Ka tenenina foana farany tsy misy heviny intsony fa efa mahazatra ny sofin'ny tara lava io teny io.
Fanafodiny,rehefa ianao no manam-pahefana amin'ilay fotoana dia atombohy ara-potoana fa avelao izay tara any ho any, hianatra ho tonga ara-potoana izy amin'ny manaraka.
Na hitabataba izy na hitaraina hoe masiaka, tsy manana antra ets,valio fotsiny hoe raha zava-dehibe aminao iny fotoana iny, tonga teo ianao, fa matoa ianao tsy teo dia noheveriko fa tsy dia misy dikany aminao izany hoe ilay fotoana.
Na izany na tsy izany, izaho aza tara 5mn tamin'ny mariaziko.Saika nanomboka tsy nisy ahy ny fanamasinana, lalina izany!!!:-P sambany aho mba tara!!
13. xxx ( 12/01/2007 20:17)
Tahakany hamali-faty Kally izany an:evil:
Raha tonga dia atao tokony ny fivoriana tsy hitsangana hanontany indray ve ilay tara hoe inona hono izany lazainy izany
14. kitjo ( 15/01/2007 06:36)
Fotoan-gasy eo ihany fa ry zareo Indoneziana d tena mbola pire lavitra noho isika...atao 2h mialoha rehefa manao fotoana aminy....

hita ihany tsika hoe taranaka avy amindry zraeo..hihihi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1742