Marina v le lavitry ny maso lavitry ny fo?

1. rakizit ( 17/12/2006 15:00)
Aona ny hevitrareo amin'ireo mpifankatia mifanalavitra, marina ve le lavitry ny maso lavitry ny fo? Mety hateza ve, ny 1 aty dago ny 1 any Europe?(l)
novalian'i fa ny 30/01/2007 10:41
2. diamondra27 ( 17/12/2006 15:11)
aza be kizitina fotsiny fa mety io
3. rakizit ( 17/12/2006 15:13)
ka mitady tsy hety le izy ko, otran'ny me adino izy, sao ko izy efa manana any
4. diamondra27 ( 17/12/2006 15:32)
fa maninona no mitady hadino?
Tsy voakolokolo izany an!
omeko toro-hevitra nareo fa mila fifandraisana matetika izany misara-toerana izany toy ny: sms, tél msg, mail, fax, msn , yahoo, skype, etc...

raha tsy manao na dia ny 1 @ireo nareo de mety ho rava tokoa le izy.

refa tia de tia fa tsy mila mande à doite à gauche zany
matoa lasa sy mbola mitady de mbola tsy le olona iny zany le tadiavinao
5. rakizit ( 17/12/2006 15:38)
merci @ torohevitra fa to ho laza izy ra izao no mitohy ko, niantso a teo fa tsy valiany a eeeee:cry:
6. soanja ( 17/12/2006 15:46)
Tsia ny valiny. Rehefa mifankatia dia maharitra hatramin'ny farany fa ny eo ampovoany eo no misy fifanarahana be dia be.
7. xxx ( 17/12/2006 15:46)
Io indray arakarak'ilay olona io ka. Matoa ianao mieritreritra hoe sao dia mampirafy izy dia somary tsy ampy izay ny fifandraisanareo. Dia somary tsy fantatro koa izy hoe mety hoa karazan'ilay olona mpampirafy ve sa tsia.
Raha ny fantatro aloha dia betsaka mihitsy ny olona no misaraka rehefa misara-toerana eh. (na izany aza misy tsy misaraka, za ohatra, na ilay namako iray izay). Fa ny fahitako azy dia na zatra manala azy izy roaroa fa tsy tena nisy tanjona raikitra. (tsy voatery hoa fanambadiana no tiako tenenna amin'ilay tanjona fa ohatra hoe izaho tia hahavita ny fianarana toa izao, dia izy tia hanao an'ito noho izany mety hisara-toerana isika mandritra ity fotoana ity). ...
Somary mikorotana izany ny fandrindrako azy fa vahavahao, raha misy tsy azo dia manntania ihany.
Fa ny kozy keliko fotsiny, aza variana amin'ny akanga tsara soratra fa ny carosserie azo vidina.
8. Fiffi ( 17/12/2006 17:07)
mila fifandraisana matetika izany misara-toerana izany toy ny: sms, tél msg, mail, fax, msn , yahoo, skype, etc...
nefa misy de misy no tsy tia an'io fa milaza hoe tsy hatao matetika mba hikolokolohina an'le fitiavana........:roll::roll:
9. soanja ( 17/12/2006 17:46)
Fiffi:

mila fifandraisana matetika izany misara-toerana izany toy ny: sms, tél msg, mail, fax, msn , yahoo, skype, etc...
nefa misy de misy no tsy tia an'io fa milaza hoe tsy hatao matetika mba hikolokolohina an'le fitiavana........:roll::roll:



mahavariana be iznay ry Fiffi. Mba fikolokoloana toy ny ahoana ary izany fikolokoloana fitiavana tsy arahina communication matetitetika izany? Soa ara fa nisy a'io fa tamin'ny andronay de taratasy no nifanaovana ary telo volana vao tonga eo aminao ny valiny. Mety efa nisy fiovanabe ny vaovao mandrapahatongan'izay. Tsy nampiova n'inona n'inona anefa izany satria ny taratasy tsy tapaka isan-telo volana ary ianao mahafantatra fa nanoratra izay izy any fa mbola any Eropa izay le izy ohatra.


10. xxx ( 17/12/2006 17:54)
mazàna kanjo miafara @ fisarahana foana io;indrindra raha maharitraritra ny fisarahan-toerana. Tsy voatery hoe mila mafy orina sy malemy orina fa mety ho tonga @ izany foana na d efa mpivady aza. Ny atao fotsiny d ny manamboatra saina dieny izao ka raha toa moa anjaranareo ny mbola hiaraka d arahaba soa arahaba tsara! rehefa tsy anjara moa mba efa namboarina ny saina; sa ahoana?
11. vale ( 17/12/2006 17:57)
rakizit: raha olona mbola tsy mifankazatra be nareo, de ilaina ny miresaka matetika mba hifankalalàna tsara, raha ny mifanohitra dia lasa mifankaleo! asa aloha!:wink:
12. vale ( 17/12/2006 18:00)
xx: za miombon-kevitra aminao!:wink:... raha tena mifankatia koa ny elanelan-tany tsy mandrava ny fifankatiavana izany!!
13. booboo ( 17/12/2006 18:27)
Marina zany : lavitry ny maso dia bye bye kounkou zay :°)
14. simplex ( 17/12/2006 18:29)

Ny tena important indrindra aloha ra vao misy halavitana de ny communication e.
Ra vao manomboka mahatsiaro alavitra ny fony enao d efa mailo o. Akekezo ndray sa ahoana ? kolokoloy, aza atao hoe terre conquise zany, aza negligeant hoe sahirana na otr'zany d adino izy.

Io koa tokony hifandanja fa ra vao mande ila d efa namany tsy tafa ihany e. Mila matanjaka tsara.

Hoy aho hoe tsisy reponse fixe io fa miankina aminareo 2, ny hamafin'ny fitiavanareo andaniny sy ankilany, izay voady nataonareo tany, ary ny fikatsahanareo hitandrina sy tsy ahalavitra ny fonareo.
15. Imahaka ( 17/12/2006 18:38)
lavitry ny maso akaikin'ny fo foana fa mety ho lavitr'ilay "zavatra" fotsiny. Refa ilay "zavatra" nefa no mibaiko ny fitiavana, dia izay afaka manome ilay "zavatra" eo akaiky eo no andrian'ny fo. Eo ampanaovana ilay "zavatra" izany mety sady mieritreritra ilay iray lavitry ny maso nefa akaikin'ny fo ihany.
Izay aloha fa mbola hitohy
16. Lejim ( 17/12/2006 19:07)
Sarotra be izany amiko. Ilay fifampitokisana no tena loza, dia maro koa ny olona mampiady, dia zavatra kely fotsiny mety miitatra dia mampisaraka.
Zah efa voa!
17. MTN ( 17/12/2006 21:15)
nisy tonokalo izay, "erotic love depends on distance", raha fintinina tsotsotra dia hoe "raha resaka tarehy sy bika fotsiny no itiavanao azy dia aleo misaraka raha hisara-toerana ihany"
18. Aino ( 17/12/2006 22:00)
Mpandefa : rakizit [ Valio ] 17-12-2006 16:00:10
Lohateny : Marina v le lavitry ny maso lavitry ny fo?
Aona ny hevitrareo amin'ireo mpifankatia mifanalavitra, marina ve le lavitry ny maso lavitry ny fo? Mety hateza ve, ny 1 aty dago ny 1 any Europe?
aminko dia tsy marina izany, fa rehefa tia dia tena tia, ka na inn ny hanelanelana na inn dia rehefa tia sy vonona ny miandry dia posible aharitra!!
19. Aino ( 17/12/2006 22:04)
Mpandefa : Fiffi [ Valio ] 17-12-2006 18:07:39
Lohateny : Re : Marina v le lavitry ny maso lavitry ny fo?
Voalaza teo :
mila fifandraisana matetika izany misara-toerana izany toy ny: sms, tél msg, mail, fax, msn , yahoo, skype, etc...

nefa misy de misy no tsy tia an'io fa milaza hoe tsy hatao matetika mba hikolokolohina an'le fitiavana........
Fiffi raha aminko iny dia tsy mety, fa ravo tsy mandefa sms na manoratra ao anatiny 1jour de tahaka ny manana tsindrimandry izany hoe hadinony anga aho!!:(
20. Zina ( 17/12/2006 22:39)
marina io variana any ivelany ilay anankiray dia adino ilay any dago na vice versa...tsy maharitra ny firesahina sy ny fitiavana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0407