Ny fandrosoana dia fahavelomana.Ahoana ny hevitrao?

1. niryna ( 17/12/2006 13:27)
Vokatry ny fandroasoana dia maro ny zavatra izay miova eo amin'ny fiainan-tsika.
Misy anefa ireo olona tsy mety manaraka ny zava-baovao fa "ity ihany ny ahy no maha zatra ahy." Moa ve sarotra daholo ny mianatra zavatra hafa sy manaraka ny zava - baovao tsara, sa dia kamo ny olona na tsy mety na tsy afaka ny hianatra zavatra hafa intsony ny sainy.
novalian'i niryna ny 26/12/2006 04:39
2. Fiffi ( 17/12/2006 17:00)
niryna:
tsy mety na tsy afaka ny hianatra zavatra hafa intsony ny sainy.
fa tsy mety ahoana zany ? Fivoarana ve de handavana kosa ? Zah aloha mbola tsy nahita olona hoe tsy mety hianatra zavatra hafa izany intsony ny sainy an !
Heu...mety hoe possible angamba raha misy zavatra kely iray hoe handavana fa aleo hiany tahak'zao ny ahy satria izao no hitiavako azy fa tsy hoe handaha ny fivoarana kosa eh !


3. soanja ( 18/12/2006 07:22)
Miankina amin'ilay antsoina hoe Fahavelomana satria matetika dia maty ny kolotsaina na culture iray rehefa tafiditra ny fandrosoana. Betsaka tokoa ireo tribes na foko amin'izao tontolo izao izay miezaka miafina sy mandositra fandrosoana amin'izay hitazomany ny mahaizy azy.
Maharitra kokoa izany raha vitsy ny mpitondra sivilizasiona vaovao mankao aminy ary raha mihena ny teny na ny fomba amam-panao ary ny tontolony dia io ilay antsoiny hoe "fahafatesana". The dying culture. Koa dia antsika ny misafidy izay tiantsika.
Amiko ny Mahamalagasy ahy dia zavadehibe tokoa ka raha mihena ny fitazanako ny mahaMalagasy ny fireneko dia heveriko fa anisan'ny maty izy.
Ka ny valim-panontaniana dia tsy hoe kamo izy fa te hitandro ny mahaizy azy na tsara io na ratsy eo imason'ny hafa.
4. niryna ( 26/12/2006 04:39)
Mitazona ny maha izy azy ny firenena tsirairay fa saingy rehefa mandeha any amin'ny toerana hafa izy dia misy miala tsikelikely ny fombany.Misy anefa mbola mitazona a'io fomba io ihany.Ny karana taloha dia tsy mitapa-bolo izany fa lava volo daholo,izao izy ny zanany sy ny reniny mipetraka amin'ny firenena hafa dia manao boro-volo.Taloha koa ry zareo dia atao vady amboarina vao teraka dia efa ataon'ny rar izay hanakambanana ireny,ny ankizy tanora taty aoriana anefa dia efa misy betsaka ny tsy manaiky an'io intsony.Hoy ity ramatoa iray mantsy ahy hoe hiverina amin'ny salaka ve hono ny malagasy sa hanao pantaloha tahaka ahy io.Tena mbola tsy azoko mihitsy ny tiany ho tenenina mandraka androany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0835