Tsy ny vola ihany no ilaina fa ......

1. niryna ( 17/12/2006 13:09)
Raha amintsika dia mifoha, mihinan-kanina ary mandeha miasa hitady vola.Mody, misakafo,matory fa maika hifoha hiasa indray hitady vola.Eo amin'ny fiainana indrindra ny fanambadiana dia ny vehivavy no tena mikarakarana ny tokan-trano sy mitaiza ny ankizy.Ny lahy dia milaza reraka avy niasa na samy avy niasa daholo aza,ny asan'ny vehivavy mbola manaraka foana ao an-trano.
Raha lahy ianao, inona no ataonao hanampianao ny vadinao,moa ve dia variana eo am-pandriana eo fontsiny ianao sa dia mba misy zavatra hafa hataonao koa.Maro ny
vehivavy tsy dia mitaraina ny vadiny rehefa misy tsy mety ao koa alefaso ary ny dinika fa sao manampy ny sasany sy mahasoa ny hafa.
novalian'i niryna ny 24/12/2006 23:39
2. Fiffi ( 17/12/2006 13:19)
niryna:
Eo amin'ny fiainana indrindra ny fanambadiana dia ny vehivavy no tena mikarakarana ny tokan-trano sy mitaiza ny ankizy.
heu....raha tsy miasa angamba le vhv de tsy maintsy izy zany no mikarakara ny tokatrany sy ny ankizy.....Nefa na izany aza ......
Raha samy miasa indray de samy mikarakara ny tokatrano koh ! Satria @ io indrindra no mahatonga saina ny lahy hoe sady efa miasa ny vadiny nombola avela hikarakara ny rehetra indray ve ? :roll: raha izany manko de lasa fitiavan-tena fotsiny zany....

Zah aloha mahafantatra mpivady maro ary ao ny vavy miasa fa rehefa tonga avy miasa ry zareo de miaraka mikononkonona ny tokatranony an !

Ao koa misy vavy tsy miasa de rehefa week-end de repos ny vavy fa ny lahy no mikarakara ny sakafo , na miaraka izy mivady an !

3. soanja ( 17/12/2006 15:32)
niryna:

Raha amintsika dia mifoha, mihinan-kanina ary mandeha miasa hitady vola.Mody, misakafo,matory fa maika hifoha hiasa indray hitady vola.Eo amin'ny fiainana indrindra ny fanambadiana dia ny vehivavy no tena mikarakarana ny tokan-trano sy mitaiza ny ankizy.Ny lahy dia milaza reraka avy niasa na samy avy niasa daholo aza,ny asan'ny vehivavy mbola manaraka foana ao an-trano.
Raha lahy ianao, inona no ataonao hanampianao ny vadinao,moa ve dia variana eo am-pandriana eo fontsiny ianao sa dia mba misy zavatra hafa hataonao koa.Maro ny
vehivavy tsy dia mitaraina ny vadiny rehefa misy tsy mety ao koa alefaso ary ny dinika fa sao manampy ny sasany sy mahasoa ny hafa.

Tsy ny lehilahy rehetra kosa angamba ny manao izany lazaina izany. Afapo tanteraka aho amin'ny lehilahy hitako aty.
Iaramisalahy ny fiainana ary samy manana ny andraikiny tandrify azy aby. Atao ampitiavana izany ary tsy misy hoe iza no mahazo tombony rehefa tia fa samy mahazo tombony avokoa.
Ny vola kosa dia mampiodina fotsiny ny fiainana fa tsy iny akory no tena katsahina raha mivoaka ny trano aho na izy fa ny fivelarana mahaolombelona ny tena katsahina. Matetika aho izao mivoaka ny trano, tsy mody raha tsy elabe nefa dia asa maimaim-poana tsy handraisam-bola no atao any. Ny any aminao indray aza no mety mivoaka.
Miankina amin'ny tanjona napetrakao ny fiainana hoe inona ny mission nandefasan'Andriamaniatra anao ety ambonin'ny tany. Miala tsiny fa lavabe.

4. niryna ( 17/12/2006 18:48)
Marina ny teninareo roa ireo.Ny tanja iray hono mora zaka.Ny toe-tsain'ny olona aty amin-tsika mihitsy no mbola tery.Manao ny rehetra rehetra,sady tsy sahy miteny hoe avy ao mba hapio.Asaivo mijanona ao an-trano indray andro na roa ny lahy ka tsy mikitika na inona na inona mihitsy ny vavy tsy sahirana izy raha tsy efa zatra nanampy.Ny fitenin-tsika dia hoe izany no hanambadiany fa hanao inona eo io. Ankehitriny anefa dia efa samy miasa daholo ny lahy na vavy matetika.
5. soanja ( 18/12/2006 05:04)

Saingy rehefa nandinika aho dia tsy mahay manao multitasks ny lehilahy raha oharina amin'ny vehivavy. ka raha ohatra ka ankininao aminy ny asa mahazatra izay anjaranao ao an-trano satrai handeha anao mission ohatra ianao, ka indrinda ny zazakely anajony karkarainy sady mandeha miasa ihany izy dia mila lamina mazava hanampina azy. Ohatra hoe manamboatra fandaharam-potoana kely ianao vehivavy hoe rehefa amin'izao ora dia izao no atao sns izay mahazatra antsika. K araha mahavita an'io dia milamina ny rehetra satrai hainy ny manaraka an'iny. F arah hoe mahatoky fotsiny ianao fa sady hahavita hahandro izy , no hanasa lamban-jaza no handio tokotany dia mety sarotsarotra ihany ny ahavitany an'iny antsakany sy andavany. Misy anefa lehilahy mahavita mihoatra noho ny vehivavy fa ankavitsina ny fahitako azy. Hevitra iny ny ahy an.

6. niryna ( 22/12/2006 06:19)
Ny vola hoy ny fiteny no maha-rangahy,tsy io irery anefa no ilaina fa ny fiaraha-miasa ihany koa.Mila mifandray, miaraka manao zavatra ary mila fialan-tsasatra hiraisany ny ao an-tokan-trano
7. niryna ( 23/12/2006 02:12)
Mila mitsinjo ny ho avy, ka raha lehilahy kamo no miaraka aminao dia very amin\'n katesizy eo ianao.Mila tambitamby, sy tositosy, izany no mahafaly ny vehivavy
8. soanja ( 23/12/2006 23:49)
Hoy ny Ntaolo "Ny manambady ny kamo, mitahiry faty an-trano."
9. niryna ( 24/12/2006 23:39)
Miankina ny fitaizan\'ny reniny ny zanany lahy ihany io satria raha zarinao manao zavatra miaraka aminao izy dia tsy ho votsa intsony rehefa lehibe.Misy tokoa lehilahy manambaka ny vehivavy,marina koa ny an\'ikaretsaka fa votsa ny lahy raha am-panoharina ny vehivavy,saingy efa nahita lahy nilaozambady ve ianareo ka izy daholo no manao ny raha2 rehetra? Na miara -miantsena fotsiny anie dia efa manampy e ,na mahandro sakafo indraindray,ilay hiaraha-miasa mihitsy no tena ilaina na rehefa tsy miasa dia mba manao zavatra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2636