Herin'ny satana sy ny demony

41. niryna ( 06/01/2007 03:05)
Tsy misy hiandian-kevitra izany fa tsy maintsy misy foana ny mino sy ny tsy mino.Raha misy voatohana ny sasany dia ataovy toy ny rano mitete eo amin\'ny lamosin\'ny gisa fotsiny izany.Ny herin\'ny satana no resahintsika.Misy na ny sainy izao aza manao zavatra tsy mety dia manameloka ny satana fotsiny izy.Mahery ny herin\'ny fanahy ratsy ary ity toerana ity dia azy fa isika dia mpivahiny fotsiny ihany.Koa mivavaha ary mihambena andro aman\'alina.Tadidio fa tsy lavitra izy ary ny olon-tiantsika, ny olona manodidina antsika no ataony fitaovana hanafihana antsika.Tsy ireny olona ireny mihitsy no ratsy fa ny ao ambadiny.Afaka mandroaka izany fanahy ratsy izany isika rehefa tena manana finoana,mivadika mihitsy ny mason\'ilay olona indraindray rehefa tena hamotika izay ilay ratsy.Miala ny devoly,ary afaka miteny izany isika,manandrama fa tena mandaitra io.:evil::evil:
42. prime ( 12/01/2007 09:00)
ikaretsaka:
ary le nesorin i lotera ahoana.. izy koa ireny?
... rehefa milaza hevitra hoy aho dia mba alefaso lavidavitra fa tsy i Lotera irery anie no nilatsahan'ny Fanahy Masina ka nahafantatra fa misy fifanoherana ny lazain'ny boky sasany e... fa ny Papa sy ireo Eveka tao Rôma aza anie no tena nanajanona ary nandà ny boky sasany noheverina ho tena fototra ihany t@ fotoan'androny koa nantsoina hoe apokrifa toy ireo filazantsara maro (ohatra an'i Jodasy, Filipo, Tomasy, Maria Magdalena, Nikôdemôsy...) ka aza fatra-mpanenjika lehiretsy fa na fiangonana iza na fiangonana iza dia nisy asan'ny Fanahin'Andriamanitra tao matoa nolavina ny boky sasany izay nanana endrika angano na fampianarana kolon-tsaina na fanoherana an'i Kristy mihitsy aza...:wink:
43. xxx ( 12/01/2007 15:54)
ka aza fatra-mpanenjika lehiretsy fa na fiangonana iza na fiangonana iza dia nisy asan\'ny Fanahin\'Andriamanitra tao matoa nolavina ny boky sasany izay nanana endrika angano na fampianarana kolon-tsaina na fanoherana an\'i Kristy mihitsy aza...:wink:
[/quote]
Mey mitombona io hoe nisy fanahy masina,saingy nisy koa mifanenjika milaza hoe ny ato aminay no tsara.Misy herin\'ny satana na ny mpitondra aza rehefa manaiky ny hiasany
44. jeankelly ( 24/01/2014 15:03)

niryna:

Mrk 1:23-24.Ary nia@ dia nisy olona ..azon'ny fanahy maloto;ary niantso mafy ralehilahy ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy ianao ry Jesosy avy any Nazareta?Satana no lehibe ka manana hery maizina sy fanahy devoly.Ny demony ao @ TV dia ireo izay mijaly noho ny gejan'ny satana.Mrk 3:10. 7:24-30.
Efa nahita olona ve ianareo petrahin'ny fanahy ratsy?
Nisy tantara iray ity.Matetika eto amintsika dia maka fanafody ny olona hitazomana varotra e sns,Nanankarena ilay mpivady noho izany ka feno ody ny fivarotana, nandeha ny varotra,tsy araka intsony ny vola.Maty anefa ity rangahy ka lasa niafara ny varilavo ramatoa,narary
tsy nahatsiaro saina,tsy maty nefa tsy mihetsika.Miresaka ny olona efa maty rehetra . Fanontaniana:misy manana tantara nitovy izany ve ary ahoana no nataonao,inona no nitranga ilay olona rehefa nilatsahan'ny fanahy maloto ilay olona,nivava vahana ve sa...Alefaso ary ny dinika


izaho izao taloha dia nana firehan-kevitra hoe; tsy misy izany devoly izany, fandemena saina atao izany. izao anefa tena miady aminy aho, ary fantatro fa ho resiko izy amin'ny alalan'i JESOA KRISTY TOMPO
Mitodika amintsika tanora aho, ny fomba hidirany sy hamontehan'ny fianantsika dia ireto avy
ny fianana feno fijanganjangana: io no fakam-panahy sarotra resena indrindra fa tena mila vavaka sy fandinihan-tena lalina, rehefa tafalatsaka ao anatin'io ny tanora anakiray dia izay no vita, izaho milaza aminareo fa fafinaretana kely 10 minitra ny ahy, no hilanjako fijaliana efa ho 8 taona izao, mirary aho ry zalahy mba tsy hisy ny tanora tahaka ahy ka ho voafatotrin'ny fijangajangana, mirary aho ry zavavy mba tsy hisy intsony ny tovovavy atao mariage satria bevoka "mariage forcée" fa mba hatao mariage, satria mifankatia ianareo

ny faharoa dia ny tsy fahalalana onony amin'izay rehetra atao: tsy sakafo ihany io, fa ny television, balladeur, etc.... mba asio limite ny zavatra rehetra,

farany, ho anao lehilahy izay mitovy cas amiko mamaky izao: vavaka ihany ry bandy e! sy fandinihana soratra masina, dia meteza ho tarihin'ny fanahy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1006