Trano misy lolo na matoatoa,marina ve izany?

1. niryna ( 16/12/2006 15:20)
Efa naheno ve ianao,na efa nipetraka na nividy trano mi
sy lolo? Nisy tanana iray izay misy olona vaovao foana
mividy ilay tanana avy eo anefa lasa olonkafa indray no mipetraka ao.Miova foana hono ny tompony.Misy milaza fa misy lolo ilay izy dia tsy misy tamana.
Nisy tantara iray indray nandeha nandihy hono ity tovolahy ka niresaka ity vavy iray,nony tapitra ny fandihizana dia niaraka nody izy roa ka nitaraina nangatsiaka ilay vavy.Nomen\'ity zalahy azy ny palitaony
hanaovany.Nateriny teo amin\'ilay tranony ilay vavy ka ny am-pitso no hifanao fotoana haka ny akanjony ity lahy,nony nandalo teo amin\'ilay trano izy,toa tsy nisy nisy ilay trano fa ny palitaony teo ambony fasana.
Ny fanontaniako dia mety mitombona ve fa miaraka amin
olona koa ny matoatoa na lolo na angatra? Mipotra mam-patahotra olona ao an-tranony ve izy sa ny sain\'ny olona no voa.Lazao raha efa nahita mitovy..
novalian'i niryna ny 17/12/2006 18:39
2. Bakobako2 ( 16/12/2006 16:02)
Sarotra ny hilaza hoe tsy misy ry zareo ireo ,tany dago aho dia maheno fitantarana betsaka ary mitovy am zany tantarainao izany , tsy nino a fa hitako fa te ho impressinnant fotsiny ilay olona.
aty ivelany aho izao ary za no niharany zavatra tsy azoko hinoana , ary hitako tsy mitombona , ka mahatonga ahy hiteny hoe: misy reo mivezivezy eny rehetra eny , fa ny amiko fotsiny dia tsy hatahorako satria zay ho ataony dia tsy afaka ny hamaly enao.
3. diamondra27 ( 16/12/2006 16:29)
le izy mangitikitika ny tongotra iny hono no tena tsara e:-D:-D
4. Bakobako2 ( 16/12/2006 17:09)
mananiany njay ndry ry Diamondra an !
matetika amiko le mitsoka ,varavarana mihidy daôly . nefa misy rivotra kely zany am tava
5. vale ( 16/12/2006 18:24)
mmmmhhhhh, za efa nahita afon'angatra t@ mbola kely!!
6. ikaretsaka ( 17/12/2006 03:41)
za koa
7. soanja ( 17/12/2006 04:36)
Misy ny lolo kah.
8. xxx ( 17/12/2006 06:04)
misy izy ireo, saingy mety misy ihany koa ny eritreritra no mamorona vokatry ny zava-mahadomelina angamba.
Nisy bandy izay saika ho vonoiny hono za fa nangalatra ny vadiny. nefa za ary tsy tao antrano t@'zay niaraka t@ famaky izy amin'io an! de nojereny tao ambany fandriana hono za hoy ny mpitantara tamiko sao miafina ao; ny ampitson'iny.
nony avy eo indray izy nitsoaka any am'plafon-dreo fa misy olona betsaka mitady hamono azy hono mitampiadiana...
notambatambazana izy de nentina tany am'Dokotera à andro am'efatra maraina, fa aretina vokatry ny fisotroana toaka be loatra no nahazo andRanamana io, ka saika voa ny sainy.
9. mika117 ( 17/12/2006 11:50)
raha sarotaotra ianao dia hisehony faona;fa rha mafy be ianao dia tsy miseho izy;ny fantatro ndray dia zao hoe ny matotoa tsy misy fa ny devoly no maka hendrik'ilay olona maty dia mandehandeha mba te hiaina @ zanak'olombelona ;ka matetika hono reny lay vhv tsara tarehy efa maty reny no ampiasany
10. Fiffi ( 17/12/2006 11:50)
zah aloha mbola tsy nahita ary mbola tsy nandré ka tsy afaka ny hilaza na inona na inona . (sady tsy de mino)
11. niryna ( 17/12/2006 18:39)
Mivavaka ny olona rehefa hifindra trano satria tsy fantatra izay efa nipetraka teo taloha hono.Manala devoly na lolo hono ka tsy haiko aloha e.Efa naheno aho fa ireny olona tsy mino ireny no matetika hisehoany. Nisy zazavavy kely laza mahita ankizilahy foana izy ao an-trano kanefa ny rar tsy mahita izany.Rehefa niresaka ilay mpiambina azy izy dia nasiany nivavaka ilay zaza isaky ny mahita io lahikely io ary dia tsy niverina intsony ilay izy.Mety fifandrifian-javatra ve satria tsy mivavaka ry zareo?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2043