COCA-COLA, SPRITE,ORANGINA ...ETC

41. kitjo ( 20/12/2006 16:55)
dia enga anie ka ho izaho irery no toa io, isaorana Andriamanitra!!!

kanefa raha ny ao an-trano fts dia toa izahay mianakavy mihitsy afatsy mamanay rery angamba no mahavatra!!!

kafe, dite, jus sns...
raha ara-pahasalamana angamba koa aloha sy ny noresahina teo dia "RANO" , rano mangitsy madio na nampangotrahina no resaka eto na eau vive sy Olympiko sns ho an'ny mahatakatra...na farafaharatsiny mangidy sy ireo tambavy isan-karazany

sa :?:
42. ikaretsaka ( 20/12/2006 17:02)
rehefa rano aloha de rano ko...
any ndray resaka hafa..
43. soanja ( 20/12/2006 17:41)
Tamin'ny mbolakely izahay dia misotro dite na cacao au lait vao maraina. de lasa mianatra. Any ampinarana dia misy an'izay paompin-drano mande mafy be izay. De misotro eo rehefa mangetaheta fa isaky ny misotro eo aho satria atohoka eo mihitsy ny vava dia marary kibo aho. Asa na ilay rano na ilay loto eo amin'ny paompy ny fantatro dia narary foana aho. De naleoko miandry tonag any antrano amin'ny 12:00 vao misotro RANO AMPANGO. Io no rano fisotronay andavanandro , vonona sady misy foana io na amin'ny fotoana ahoana na ahoana.
Nozarina izahay fa raha tratra mividvidy siro na glacons na zavatra vita amin'ny rano any ivelany dia voakapoka satria efa tamin'izay dia nahafantatra ny RAD fa maloto ny rano anaovana an'ireny na tsy nodiovina ny fasiana azy.
ka n'aiza n'aiza misy anao any an-tanana raha mangetaheta ianao dia any an-trano ny vahaolana. Rano ampango iray zinga eo ambony latabatra miandry anao.
Ny tiako tenenina dia tsy nanana frigo izahay na jus na limonade gilase fa dia io rano ampango io madio tanteraka.
Azo atomboka foana ny fanabeazana ary miankina amin'ny tsiraidray ny handray azy na tsia. Fanentanana sy fanarahamaso ny ezaka ary tsy fahakiviana no fitaovana ampiasaina amin'izany.
Raha amin'izao ianao ohatra ka hiresaka amina mpivarotena iray ka hividy azy dia ny kapoty ny atolony anao voalohany (raha lehilahy) satria be ny asa natao taminzany ary mandaitra MIADANA.
Koa raha hiresaka ny zavatra resahin'i boboo ery ambony dia afaka alaina tsiraidray ny fomba hanantenterahana azy saingy tsy manampotoana aho aloha.
Ny zavatra tsapako dia tsy misy tsara ny fanentanana momba ny FAHADIOVANA sy FAHASALAMANA ka na mahantra velona aza izy dia mino aho fa afaka hahatsapa izy fa ilaina izany.
Anjarany ny maka andraikitra amin'ny tenany fa ny FANABEAZANA tsy tokony hajanona.
44. soanja ( 20/12/2006 17:50)
Tantaraiko zavatra ianareo momba ity fahantrana ity hoe nahoana no antsoina hoe manam-panahy isika na dia vaofetra aza ny fahafahana ety ivelany.

Nanao mission tany amin'ny indianian tany Mexico lavitra be aho indray andro izay. Mahatra tsy miys ohatr'izany izy mianakavy. Nony nandroso sakafo tamin'ny latabatra anefa ry zareo dia niezaka mafy ity zaza iray karkaraiko manao izay afany. Nisy vonikazona desert ireny (cactus) nataony teo ambony latabatra sady nasiany fandambanana isan-dovia.
Nitsiky taminy aho ary niteny aho mahafinaritra ahy ny zavatra hitako. De hoy izy hoe:
" Na mahantra aza izahay madama , izahay kosa tsy biby." Gaga be zah satrai tadidiko hoe ny olombelona na dia misy ny tsy fahafahany dia afaka misokatra tsara mijery izay farany vitany hanomezany fahafhampo ny tenany. Fanampiana tosika kely avy amin'ny hafa fotsiny ny mba ilainy hahatratrany an'io.
Aza kivy fa tsy ny la gourda akory tsy misy mahamaika saingy rehefa mba manentana azy ianao dia teneno hoe ny rano fantatrao fihaviana ihany no azo atokisana fa madio satria ianao no nandio azy. Mahasalama ny rano raha sotroina matetika anefa. Dia hita eo raha hiasa ny atidohany.
45. kitjo ( 21/12/2006 05:28)
zay lazain'i soanja izay mihitsy no tiako ambara efa hatreny am-boalohany

hoe tsara dia tsara ny fanentanana fa kendreo mba ho ilay zavatra ilain'ny olona mahasoa azy sy tokony ho vitany ary mifanaraka @ zava-misy no atao!!!
46. soanja ( 21/12/2006 06:16)
kitjo:

zay lazain'i soanja izay mihitsy no tiako ambara efa hatreny am-boalohany

hoe tsara dia tsara ny fanentanana fa kendreo mba ho ilay zavatra ilain'ny olona mahasoa azy sy tokony ho vitany ary mifanaraka @ zava-misy no atao!!!


Nefa koa mila eritreretina daholo ny rehetra isan-tsokajiny fa tsy de hanao zavatra aho dia ho an'ny mahatra ihany ao Mada fa mpiray tanindrazana amiko daholo ny rehetra dia mitovy ny hijerevako an'ireo amin'ny lafiny fanampina ara-kevitra. Miankina amin'ny fahafahan'ny tsirairay ny hevitra mivoaka.

Ka raha manakevitra i Booboo de alefaso eto henoana ary.

Fa ny ahy la gourde/ water bottles/ mugs no hevitra hitako entina hanampina amin'izany tanjona izany.
Yes, it is good to be positive in life, it brings vision to reality.


47. Zina ( 24/12/2006 01:24)
miresaka momban'ny Coca isika ato fa :
mba fantatrareo moa fa tsy tsara ny misotro Coka?
manala ny calcium ao @ ny tena
48. soanja ( 24/12/2006 01:52)
Zina:

miresaka momban'ny Coca isika ato fa :
mba fantatrareo moa fa tsy tsara ny misotro Coka?
manala ny calcium ao @ ny tena


Enga anie mba ho fantatry ny be sy ny maro izany ry Zina. Izaho manokana aloha raha voa misotro Coca tonga de mamo. Tsy tsara akekezina mihitsiny fa mety hanaonao foana. Dia alaviriko ny Coca. Ny rano mahasalama ihany no tsara sotroina.


49. ikaretsaka ( 24/12/2006 01:57)
[quote-soanja]Nefa koa mila eritreretina daholo ny rehetra isan-tsokajiny fa tsy de hanao zavatra aho dia ho an'ny mahatra ihany ao Mada fa mpiray tanindrazana amiko daholo ny rehetra dia mitovy ny hijerevako an'ireo amin'ny lafiny fanampina ara-kevitra. Miankina amin'ny fahafahan'ny tsirairay ny hevitra mivoaka.

Fa ny ahy la gourde/ water bottles/ mugs no hevitra hitako entina hanampina amin'izany tanjona izany.
Yes, it is good to be positive in life, it brings vision to reality.
[/quote]

^:^ namatshe soanja a
50. Zina ( 24/12/2006 01:57)
zany mihitsy ka tsisy afa tsy ny rano no tena mahasalama. Za ko tsy mba misotro soda mihitsy
51. soanja ( 24/12/2006 02:43)
Ikaretsaka> Namaste!:-*:-*:-*:-*:-*:-*

Zina > tsara aky io fa tohizo hatrany. :-*:-*:-*:-*

Ho tratry ny Noely sambatra daholo isika rehetra. (l)
52. Zina ( 24/12/2006 03:05)
Zina > tsara aky io fa tohizo hatrany.

no doubt about it
53. ikaretsaka ( 24/12/2006 03:39)
za angamba ilay lehibe tany Bira sy zatra ranovisy dia tsy mampaninona ahy ny rano misy gaz
54. soanja ( 25/12/2006 22:00)
Mahatsara ny rano visy ka.
55. Rasiligaoma ( 26/12/2006 08:28)
ilaina ihany ilay rano misy gaz ry reto a.. mahatsara kibo io ..
fa tandremo fotsiny tsy misotro amin'ilay misy pipim-boalavo
56. niryna ( 03/01/2007 17:55)
Ny sakafo anaty boaty sy ny tavoahangy indrindra fa ny plastika rehetra dia mety hisy pozina daholo,na ny daty tokony hinanana na hisotrona azy,na ny dion\'ilay tavoahangy vokatry ny voalavo sy ny kalalao mandehandeha koa sasao sy diovy foana ny tapony boaty alohany hanokafana azy.Ny plasitika no tena zava-doza.Tandremo ary rehefa mividy tavoahangy hasiana fanafody tsy maitsy kobanina vao asiana fanafody fa tsy azo antoka ny fanakobanan\'ny olona azy ireny.
57. ikaretsaka ( 03/01/2007 20:51)
na ny tsy ao anaty boaty aza misy poizina daholo ka
58. tywa68 ( 05/01/2007 10:12)
tandremo koa hono ny mihinana Bonbons MENTOS dia misotro COCA avy eo fa manao gaz poizina mahafaty !
59. booboo ( 05/01/2007 11:10)
tywa68 > matin'ny prout prout ve ? hihihihihi
60. tywa68 ( 05/01/2007 21:14)
ô ry booboo, tsy vazivazy anie io fa misy réaction chimique ê (tena asphyxié hono d gli)!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1471