Mahita fanafodin\'ny asma ve ianareo

1. niryna ( 13/12/2006 05:38)
Inona no tokony hatao raha voan\'ny asma ny olona.Sempotra tsy avy miaina ary kely ny fofonaina.Efa narahana daholo ny toro-hevitry ny dokotera ,ny fanafody sy ny tsindrona fa e! e!,ny vola foana no lany ary mangan\'ny tsindrona ny tena.Sarotra moa ny fitsaboana eto amin-tsika fa nisy izany mpitsabo mahay izany hono tany Moramanga angaha fa sitrana daholo izay omeny fanafody, tsy hita izay tantarany taty aoriana fa tsy nomeny ilay formule .
2. rurik ( 13/12/2006 15:32)
Raha ny ahy aloha dia ny foivana tany no nahanety azy satria nisy zavatra tsy zakako teo amin'ny toerana nipetrahako , raha niala teo aho dia tsy nisy intsony na ilay tratra teritery aza, raha ny fieverako azy dia tsy mbola misy fanafody mahasitrana azy fa fanatoniana fotsiny ,nefa asa aloha .
3. booboo ( 14/12/2006 10:22)
Nenà t@ mbola kely, natao niray efitra tamiko ny sokatranay refa matory. Lé fofon'ainy iny no misy vokany any @raha. Dia rehefa nihetsika kounkou ny crise dia mifoka (@ orona) lé pipi-tsokatra :°):°)...dia lefy
4. Rasiligaoma ( 14/12/2006 18:49)
io mihevoka pipin-tsokatra io ko dia nanalefaka ny asthme-ko.
miompia sokatra
5. ikaretsaka ( 15/12/2006 05:20)
Miampy 1 ny vavolombelona @ sokatra!

Mividiana sokatra bedebe de ataovy miaraka matory aminao. za koa voa fa lefy..
sokatra enina no nahalefy azy...

SOKATRA! an!!!!!
6. rurik ( 15/12/2006 08:42)
za koa anefa nanana sokatra 2 fa tena tsy nisy vokany, raha vao maheno fofona ranomanitra ohatra na fofona hafa dia tonga dia manomboka sahirana le miaina , izany miomehy izany mo dia tsy azo atao,
ary mety misy kazany angamba, ny ahy karazana alergique,satria nipetraka tany @ toerana be fary sy be langilangy dia raha mamelana ilay langilangy na ilay fary dia manidihidy daholo ny maso , ny orona, anaty tenda .
7. niryna ( 15/12/2006 15:23)
misaotra aky ry ikaretsaka ,misaotra ny rehetra e,akoatry ny fanafody sy ny tsindrona dia nasiako nivavaka mafy sy mamaky baiboly ilay zaza,angamba izy ity fiantsoana azy hoy ilay anabaviny ka tsy haiko na tsy dia mino an\'A/tra izy satria nifampiresaka izahay dia nitomany izy sady nisaotra nanoro hevitra.Ho teneniko hiompy sokatra ry zareo kanefa ny asiana azy no dange-ko.Resaka fahasalamana ity fa nisy fianaka viana voan\'ny cancer ary nasaiko nivavaka daholo ny olona sy namana aman-tsakaiza fa tena sitrana ilay olona,dimy taona lasa izay.Ilay allergie indray dia misy maromaro, toy ny rivotra ,ny mitsiry ny ahitra, ny vovon-tany rehefa avy ny orana, ny volon-tsaka sy alika io no tena mpahazo ary mivadika asma rehefa avy eo.Misy tsindrona ataon\'ny dokotera dia fantany ny maha allergie anao.Mbola miandry ny namana aman-tsakaiza aho sao mbola mahita vahaolana, mety misy mivarotra ve ......
8. Bakobako2 ( 15/12/2006 18:06)
ô ry reto a!
za ze manoratra de asthmatique ,
ka voalohany aloha ny asthme anie tsy aretina hono ny mpahay fa etat na toe batana ( ny vavan'ilay havokavoka zany ny anay no kely ka ra vô misy mahatery azy dia mikatona , ka iny lay hoe tsy avy miaina )
ary matetika io allergie , ka olona tsirairay dia samy manana ny maha allergie azy .ka raha misy ny fahafahana manao test ahafantarana izay tsy zaka , dia tena tsara.
ny a zao ohatra ny saka sy alika tsy miady am piesiko miiintsy , refa le mamelana ko ny hazo refa primtemps dia zava doza .
ka raha fantatra ny zavatra tsy zaka dia izay no ezahina hialana na evite na.
9. ikaretsaka ( 15/12/2006 20:29)
jerena mihitsy aloha hoe inona ny tsy zaka amin'ilay allergy
dia misy fandiovana an'io vavan'avokavoka io any US fa any dago tsy haiko
fa ny zavatra atao voalohany dia mijery ny fototr'ilay asthma anao aloha hoe inona ny mahatonga azy..
izay vao mijery ny hi maitriser-na azy..

tsy mety "voatsabo" (guerri) ny asthme.. fa "voafehy" (maitriser)
Satria tsy aretina io fa toe-batana!
10. niryna ( 16/12/2006 04:26)
Misy indray ny sasany raha vao mihinana fanafody koaka tonga dia mihevina.Raha vao miditra trano misy saka tonga dia mivonto ny maso fa tafiditra any anatiny masony ny volon-tsaka.Ny sigara kosa aloha dia tsy tiako ny fofony fa tonga dia tapenako ny oroko na manao dihy maika aho dia tsy maheno fofona sigara fa marary ny andohako.Tsy mahazo mipetraka amin\'ny trano mando lava,asorina ny tapia fa mangona vovoka, rehefa manga tsiaka ny andro dia saromana lamba ny orona sy ny vava.
11. ikaretsaka ( 16/12/2006 04:33)
mitovitovy ny atsika sy niryna...
fa miompia sokatra raha azo atao dia ao @ efitranonao mihitsy no asiana azy
12. Bakobako2 ( 16/12/2006 15:15)
Le resaka soktra alou zany tsy dia tena naharesy lahatra ahy , famety eritreritra fotsiny io , betsaka ny zavatra anataon'ireo taolo toy izany no mandaitra fa , za zany zao aty andafiny riaka dia mahita seho hafa , ka misy fikambanana zany misy ahy hoe:savoir vivre avec son asthme
ka ny dikany io amiko dia samy manana ny olanany ny individue tsirairay , ohatra ny tanako tsy mitovy am tananao.
13. ikaretsaka ( 17/12/2006 00:02)
fa tsy misy mangidy tsy andramana rehefa te ho salama izay
14. booboo ( 17/12/2006 13:25)
15. watafon ( 18/12/2006 06:53)
niryna: ny asthma moa zany dia allergie , k ny fomba ahafahana miady aminy voalohany aloha d mila fantarina ilay zvt tsy zaka.
Ny matetika mpitranga aloha dia tsy zakan'ny olona asthmatika ny toetrandro mando lava(climat humide) , raha aty dago zao d iny faritra atsinana iny no mitovy amin'izany, ny climat sec no mety @ olona voan'ny asthma!
mila manao sport mampisokatra ny tratra koa zany e: oh oe lomano
raha voahaja sy voaaraka tsara ny torohevitra omen'ny dokotera d mety sitrana ary azo sitranina ny asthme @ ankizy, ary tsy miverina intsony refa mihalehibe ilay zaza !
16. ikaretsaka ( 24/12/2006 03:45)
watafon> misy koa asthma tsy mahazaka climat sec ka. ny ahy ohatra

Tsi hoe "sitrana" hono ny filazana ny asthma tsy mihetsika intsony fa "voafehy"
ny antony dia genetique sy manaranaka ny asthma
17. niryna ( 24/12/2006 05:12)
Misotro kafe mangidy roa sotrobe isan\'andro hono mba hampisokatra ny lalan\'ny rivotra,andramo sao dia mety io
18. Rasiligaoma ( 26/12/2006 08:31)
ary hitako ny olona asthmatique lasa mpisotrosotro kafe daholo an..kay izany izay no antony
19. Poucinet ( 28/12/2006 11:10)
Cousin germain-ko voan'ny asthme, 10ans izy t@zany dia nisy nanoro hoe mena-boay atao sirop dia indray mandeha (tavoahangy sirop 1) ihany izy nanao izay fa tsy niverina intsony hatr@zao na indray aza (26ans izy zao.)

Fa tandremo fa @maha lafo sy sarotra hita ny menaboay dia misy ny olona fetsy dia tampohany dia tsy ho efficace mihitsy ilay izy @zay fotoana izay, fa aleo mividy any ampotony mihitsy. Ry zareo t@zany nakany Majunga mihitsy nitady.
Mirary soa
20. Rasiligaoma ( 28/12/2006 15:18)
io mena boay io koa no efa reko

fa rehefa tsy sur hoe vrai na tsia dia mandehana croc farm ohatra dia mividiana genam-boay amin'ilay matavitavy dia alaivo ny menaka ...
ny hena hano fa sakafo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.3686