Tratra i Fidy!

1. kitjo ( 13/12/2006 04:40)
Omaly hariva 7pm no tratra tao @ Resto iray tao ANkadifotsy no tratra i Fidy.

resa-be daholo ny hoe anaty lavaka e..bla bla bla e..

Niaraka t@ zanany lahy hono, tsy nisy fitaovam-piadiana.
Tsy nanohitra izy fa tonga dia nanaraka ny mpitandro filaminanana.

Nanao t-shirt sy jogging!
novalian'i fijo ny 15/12/2006 21:15
2. kitjo ( 13/12/2006 04:44)
MBS radio no nahenoako an'io teo!
3. fijo ( 13/12/2006 05:32)
miandry ny vaovao ofisialy izany isika
4. kitjo ( 13/12/2006 06:11)
dia iza zany no mahazo an le sosy?

zarain'ny marasil ve?

5. kitjo ( 13/12/2006 06:24)
io ary!

http://www.lequotidien.mg/article.php?art=13125&date=2006-12-13
6. fiderana ( 13/12/2006 07:16)
hotran'ny mora tratra koa i leiry izany ê!.:lol:
7. BloodTitan ( 13/12/2006 07:19)
Kobo tazyy fa ze tohiny no mbola tsy hay oe aona, mety ho izay v ny aminy sa mba hisy indrafo iany. Ra reny fikan lery reny alou toa tsy hanana hoavy mlay tsony e!! Mbola gaigy noho ny an i Voninahitsy aza kle. Mapamangy any Antanimora ndray alou zany DadaFidy a, ny manetsa be mbola ho avy.:-*:-*
8. Lejim ( 13/12/2006 07:27)
Izany hoe, ny gouvernement mihitsy no manatavy ilay afera. Izao million e, misy fitaovam-piadiana mahery vaika e, loza ho an'ny firenena e!
Ary marina ilay notenenin'i Fidy indray mandeha t@ interview nataon'ny mpanao gazety azy par telephone hoe, tsy miafina izy ary libre mivezivezy eraky ny tanana!
9. fiderana ( 13/12/2006 07:34)
k'izay no tiako holazaina tery ambony hoe mora tratra , toa tsy niafina akory i lery, vao omaly no nis gazety nilaza fa any mahajanga izy, garde forestiere no nandeha moto nilaza izany taty tana...????????????.....:P:lol:
10. hjaune ( 13/12/2006 08:29)
Mety niafina ihany leiry ka! Fa natahotra ny ainy izy @ sava-hao sy fisamborana. Mety ho leiry ihany anie no nanao hoe ery Ankadifotsy aho raisina @ zao ora e! zany hoe naman'ny nitolo-batana ihany izy matoa moramora ohatra an'io ny fisamborana.:idea:
11. fiderana ( 13/12/2006 08:39)
dia lasany izany ny hapahan'ilay prime ko inona indray:lol:
12. mandrindra ( 13/12/2006 08:55)
tantara mampieritreritra izy izany
13. rfd2001 ( 13/12/2006 09:13)
Ny important ange tsy hoe le i Gal Fidy tratra fa ny iza no naniraka a ?
Inona no tanjony ?
Hatraiza halebehan'ny zavatra nokasainy atao ?
Iza ireo mahazo tombontsoa ankolaka na mivantana amin'ny ilay hetsika ?
Aiza ireo namany ?
Ohatrinona ny tena karamany tamin'ny ?
Ahoana no nahatongavan'ny ireo PRESSE ao anatin'ny fotoana fohy teto amintsika ?
Fa izy kosa aloha dia tsy ho afaka e.
Ireo zany mba mila valiny mba tena hampitony ny vahoaka e
14. ronaldo09 ( 13/12/2006 09:40)
Dia maninona raha tratra?Tsara be ve izany?Za aloha tsy mpanongam-panjakana ary tena demokraty fa tsy hoatry an'i Hery fa mba manontany fotsiny aho hoe dia maninona raha tratra ?
15. kitjo ( 13/12/2006 14:41)
vaovao no zaraina ry ronaldo demokrate ka raha tsy rarahanao aza vakiana fts fa harary fo @fidy eo...hahaha
16. BloodTitan ( 13/12/2006 14:51)
Misaotra ronaldo bontolo a!!! io iany le tsy hitiavanay le mpanohitra am zao fotoana zao
17. fijo ( 13/12/2006 21:31)
tratra dia manomboka izany ny famotorana.eto dia tsara ny miandry izay vokany ,fa tsy hanao resabe indray hoe,"izao hono"mbola maro koa no karohina.
amiko manokana aloha,dia gadra anterivozina mandrapahafatiny no tokony ahazo ireny,satria resaka filaminana no naika nokotabaina.
samy milaza ho demokraty isika,fa raha any us ohatra no tratra toa io,mino aho fa avy dia manjavona iny
18. Zina ( 13/12/2006 23:31)
misy mihitsy ny harary fo raha mbola mitohy zao hahahah
19. hjaune ( 14/12/2006 07:18)
Aza marary fo @'zany fa ny resaka politika avo lenta anie jerena fotsiny ny fandehany fa ndraindray tsy hita akory ny fiafarany e!:lol:
20. vegas ( 14/12/2006 11:14)
Mety hoe ny zanany lahy koa no nahazo ny prime. Inona tsony ny irarahiny ny tenany fa mba avotra ny fianakaviany kely aloha de mba faly izy any ampigadrana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0839