ireo olona mihakanakana

1. ari.malala ( 12/12/2006 11:51)
Miarahaba, tsy haiko na ato ity no tokony hipetraka na tsia, fa naika hanontany aho azafady hoe mety sitran'ny dokotera ve ireo olona mihakanakana? (mi beggayer no mahazatra antsika)dia inona no fanafodiny? msaotra mialoha e
2. bibilax ( 12/12/2006 13:19)
slt enao izaho manoratra @ nao izao de manana io zavatra teneninao io mintsy , efa hatriny t@ mbola kely za no nanao anio miakanakana io fa tsisy fanafodiny izany io , betsaka ny olona no nanoro ahy ny mety ahasitrana anio toy ny hoe mihinana vary ao angabone , sns fa tsy hitako akory , ny mahatonga ny olona manao anio fotsiny fahalalako azy de ny sainy lasa aloha noho ny vavvany, fa tandremo fa nisy olona tsy 1 na 2 fa maro no mananihany ahy refa miresaka izahay fa inona hoy enao fa tsy afaka intsony ilay olona ireo fa nanao miakanakana foana koa izy hatramizao, ry zareo aza gaga hoe toa lasa nanao koa fa aza mba mananihany anireny olona voanireny fa manao koa enao , ny fanafodiny lazainy dokotera ahy de hoe mieritreritra tsara vao miteny de miteny miadana fa tsy haingana , ok e
3. simplex ( 12/12/2006 13:25)
bibilax:
betsaka ny olona no nanoro ahy ny mety ahasitrana anio toy ny hoe mihinana vary ao angabone

:-D:-D
hevitr'akoho lesy zany sady maha omby le :°):-D:-D

Mety hiety zao le mieritreritra ela zay vao miteny. Otran'ny mety io @ le ol mbola tsy mahay miteny vahiny ohatra, sady lasa sexy hafahafa zany an. ;-):°):-D:-D
4. ari.malala ( 12/12/2006 14:04)
bibilax, misaotra anao amin'ny torohevitra e! fa ilay hoe mihinana vary any angabone kosa efa trop e! tssssss! ra tsy inona ko! za alo tsy mananiany an'ilay olona tratra e! izy izay aza mampalaelo ana de zany anie no antony nangatahako torohevitra eto ahafahako manampy anazy e :-) fa misaotra e
5. bilakarenjy ( 12/12/2006 15:03)
ity koa misy hitako fa za koa tratran'io taloha fa efa afaka fa rehefa tezitra na diso faly be dia miverina indray ,fa izao no atao :miteny moramora sy miadana eo anoloan'ny fitaratra lehibe iray ilay olona no sady manao fihetsika .Asaina miteny izay ao an-tsainy izy @ izany mandritra ny 15 minitra eo tsy akijanona a!.
Dia maka aina kely aloha dia avy eo indray mamerina miteny zavatra hafa indray .Dia toy izany foana .

Amin'izay azony an-tsaina tsara ny fisokatry ny vavany sy ny fihetsiny rehefa miresaka @ olona izy dia tsy hiverina intsony ilay mihakanakana .

Ho afaka ho azy ilay fahamenarana mihakanakana fa tsy tsaroany akory .
Ary vavy moa sa lahy ilay olona ?!

Na rehefa mamaky teny koa izy dia asaivo miteny mafy sy miadana tsara ho ren'ny sofiny ny teny lazainy .

Na raha mahay mihira izy dia sady mijery fitaratra no mihira mafy tsara .

Mila atao ren'ny sofiny ny teny lazainy hafahany manohy ny resaka fa izay ilay hoe :lasa aloha be ny saina noho ny vava dia tsy voateny ilay teny fa hoatran'ny efa voalaza .

Ary vavy moa sa lahy ilay olona ry

6. kelly13 ( 12/12/2006 15:08)
ari.malala> asaivo mamaky boky à voix haute matetika fa c'est assez efficace!!!
7. soanja ( 12/12/2006 15:51)
ari.malala:

Miarahaba, tsy haiko na ato ity no tokony hipetraka na tsia, fa naika hanontany aho azafady hoe mety sitran'ny dokotera ve ireo olona mihakanakana? (mi beggayer no mahazatra antsika)dia inona no fanafodiny? msaotra mialoha e


Raha mbola kely latsaky ny 10 taona ianao no entina tsaboina dia afaka tsara le izy satria misy blokazy psy no mahavoa an'io matetika. Fampikarana self estime no zavatra manampy manala azy. Tsy mora ny mitsabo azy akory fa saingy mila mahatoky tena ilay olona fa ho sitrana de miala le izy.


8. xxx ( 12/12/2006 17:55)
sao de mbo Ratôny ary ela io letsy rabibilax ?
9. ari.malala ( 13/12/2006 08:03)
misaaotra betsaka daolo e!

soanja, tsy za le tratran'ila izy fa olona ao antrano ka! d zay no nangatahak otorohevitra ahafahako manampy anazy :-)
10. soanja ( 13/12/2006 13:55)
Ok Arimalala a, ilay "Ianao" eto matetika rehefa manoratra aho dia midika hoe "Ny olona iray", fa aza manahy. Misaotra aky a.:-*:-*:-*
11. ikaretsaka ( 15/12/2006 05:24)
asaina hirainy koa ny zavatra lazainy ....
euh asiana intonation zany e...
atao karazana fitenin'ny any ambatondrazaka ireny
(na ohatran' ilay fitenin'i mompera rehefa manao lamesa ireny)

de aza adino ny mampikotrana azy @ ilay miteny anoloana fitaratra
12. ari.malala ( 15/12/2006 07:08)
Ika, ko izy aza afa avy any Moramanga ko! hihihih fa efa noteneniko ka, dia ho hita eo ny vokany. Fa misaotra betsaka anareo nanoro hevitr aan !:-*:-*
13. ikaretsaka ( 15/12/2006 20:32)
fa asaivo manao an'io isa maraina izy fa io ny naha afaka ny ahy..
ilay mijery fitaratra dia miteny irery eo alohan'ny fitaratra dia ianarany articulena tsara ny fiteny sady atao moramora...
raha vao mitady hanao dia asaivo manisy intonation rehefa miteny
14. fasaly ( 16/12/2006 10:42)
ari.malala: ity misy blagy kely ho an'ny mpiankanakana:wink:
Raha nande tany anaty ala ireto olona telo lahy hono dia ny iray almin'izy ireo miakanakana.
Hoy ilay miakanankana niteny tampoka hoe:
-hip! hip! hip.....

Dia savy de namaly lay namany anakiroa hoe:
-hourra!.......

Dia mbola hoy ilay mpiakanakana hoe:
-Hip! hip! hip....

Dia mbola namaly lay namany roa lahy hoe:
-Hourra!!!.....

kanjo efa teo akaiky lay biby be vao tafavoakany lay teny hoe:
-Hippppopotame........!!!!!!!:wink:
15. ari.malala ( 19/12/2006 14:46)
:-D:-D:-D:-D ko ts looza v ky fasaly ra hilaza zavatra hoe hampitandrina le ol no anianiana ko ty mitranga ny loza enao mbola mihanihany iany! :-D:-D:-D

Ika, ndraso fa efa atao manao entrainnement fona ka fa zaza tsy matotra fa mivanivany refa asaina manao
16. ikaretsaka ( 20/12/2006 14:42)
ari.malala> raha vao tsy serieux aloha dia sarotra be io ... fa mila raisonena kely ilay zaza amin'izay..
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6602