Mba hevitra atsipy fotsiny

1. Lejim ( 11/12/2006 00:02)
Hita fa resy ny opposition tamin'ny fifidianana teo iny. Ary na maro aza ny resa-be mandeha ataon'izy ireo momba ny fangalaram-bato, ny tena anton'ny fahareseny dia ny tsy fahaizany miaraka.
Raha ohatra ka matanjaka ny opposition dia tokony amin'ny alalan'ny fifidianana otran'ireny no anehoany ny heriny fa tsy amin'ny resa-be sy wa wa wa be.
Mbola maro ny fifidianana azon'ny opposition atao hanehoana ny heriny, ny deputation sy ny fifidianana maire, ao anatin'izany. Raha mahazo depute maromaro ny opposition dia mahavita mitambatambatra mba ahazoana majorite ao amin'ny assemble nationale, ahafahany mi-controller ny gouvernement. Raha nodinihiko ny fifidianana teo iny dia possible ny ahavitan'ny opposition an' izany. Ny fahaiza-manao no sisa tsy ampy ao aminy.
Any amin'ny fifidianana manaraka no tokony hiantefan'ny sain'izy ireo amin'izao fa tsy amin'ny fanonganam-panjakana sy fanaratsiana olona.
Mila fitondrana mahay, sy opposition competante, izay manana hery hi-controlle-na ny gouvernment ny firenena. Ny opposition misy any amintsika mbola tsy mankaiza!
Mety mamparary fon'ny sasany izany fa izay no realite tsy takotra afenina.
novalian'i fijo ny 13/12/2006 22:14
2. Stone ( 11/12/2006 00:17)
Ka isika tsy any europe ko!
3. Lejim ( 11/12/2006 02:11)
Marina fa tsy any Europe isika. Fa ny tiako tenenina dia, ny tetika ampiasain'ny mpanohitra any Madagasikara mihitsy no tsy ao ka tokony hovaina.
Raha tokony hiezaka hanintona ny vahoaka amin'ny heviny ny mpanohitra, zavatra mampihorohoro vahoaka indray no atao. Aiza izy no ahazo vato maro avy amin'ny olona. Ra mandriaka e, ady e, basy e, coup d'etat e, izay foana no tanjona. Toa adinon-dry zalahy fa demokrasia ihany no lalana ahazoana fahefana. Na mahazo fahefana amin'ny resaka coup d'Etat aza ry zalahy kanefa tsy misy olona manaraka akory ny fitondrany, dia tsy misy dikany izay! Na any Europe isika na tsy any, matanjaka kokoa ny opposition raha toa ka manana majorite ao amin'ny assemble nationale!
4. xxx ( 11/12/2006 03:52)
mbola hitohy ...
5. manantsoa ( 11/12/2006 04:17)
Okay ra -lejim a!
aty M/car toa ny fitehirizana fitaovam-piadiana maherivaika no mahamaika ny opposition .
Asa , iarovany tena ve sa sanatria hanonganany fanjakana ???
6. kitjo ( 11/12/2006 04:36)
Marina mihitsy izany lejim an!

Ny olana amiko dia tsy manana tanjona matotra ny mpanohitra, ny hitan'ny vahoaka ataon'ny mpanohitra dia ny hanongam-panjakana fts..izay midika ho "filana seza" ihany.

Hany ka na ny vahoaka aza tsy rotitra @fanarahana azy.

Mivaky2 lotra koa ilay mpanohitra ary samy be wa wa wa..tsy misy tanjona maharitra fa ohatra anle teo izao d n hoe hanongana fts fa mbola :?: ny oe ra miala ary zany ra8 d aona?

=> tsy mahatoky ny vahoaka!

Tokony hitambatra ry zareo ary mampitovy tadin-dokanga, mba misy hevitra na platform 2 ra be indrindra hikambanana ahafahana manana isa betsaka ao tsimbazaza mba hifandanja @ TIM.

Fehiny, ry zareo mihitsy aloha no mila mifanaraka sy mieritreritra hoe inona no anton' ilay fanoherana?
Fa na misy hevitra tsara aza ry zareo ho an'ny fitondrana fa oh zao foana d ttssss..ny vahoaka rahateo moa tsy miraharaha
7. andratax ( 11/12/2006 04:44)
marina ny voalaza teo fa raha mitambatra ny opposition dia mety mahavita zavatra nefa sarotra be izany raha eto M/car satria tsy tena mpanao Politika ry zareo. Fa fitiavan-tena no betsaka.
Jereo anie e fa ny olona nametraka any Zafy teo aminy fitondrana no nanala azy teo refa tsy nahazo toerana.
Dia ry zalahy teo @ 13Mai ihany no lasa opposition @ izao satria tsy nahazo toerana ihany
amiko tsy Politika izany fa izay mahasoa ny tenany ihany
8. ikaretsaka ( 11/12/2006 04:49)
ny polifikan'ny panohatra mihitsy no ef anilaozan'ny fotoana e.
Diso paika hatramin'ny voalohany:

1)ny zarazao anjakana efa tsy mandeha amin'ny gasy intsony

2)tany amerika atsimo t@ andron i che izany coup d'etat sy fampihororona vahoaka izany fa efa nilaozan'ny toetr'andro

Mila fitondrana mahay, sy opposition competante, izay manana hery hi-controlle-na ny gouvernment ny firenena. Ny opposition misy any amintsika mbola tsy mankaiza!
Mety mamparary fon'ny sasany izany fa izay no realite tsy takotra afenina.


Izay =D
9. kitjo ( 11/12/2006 04:49)
ndao tsika hoany ry andratax dia refa eny ivato mampiantso mpanao gazety oe

tonga zahay tompoko mba hanohitra..:-D:-D:-D
Ampiana oe ahasoa an'i Madagasikara :lol:
10. ikaretsaka ( 11/12/2006 04:53)
dein-- ratsy toetraaaa! hanala baraka tena?
11. sasa ( 11/12/2006 05:02)
io indray aloha d ho nofy izany opposition hahazo toerana betsaka eny tsimbazaza sy any am mairie izany raha mbola otranzao foana no fomba entin'reo manohitra, tonga ovaina mintsy marina io tenin'i lejim io
12. BloodTitan ( 11/12/2006 06:49)
Zany ahay lesy ra lejim mba fika mlay kle, aiza ara ra Bazylou am zao hevitra zao kle.
13. kitjo ( 11/12/2006 07:32)
lejim ndray efa atokisako hatramin'izay k!

sady fair play no no tsy mpanaraka be fahatany ary tsy mpanohitra jamba! sa aona lejim ahhh!

tokony anoratan' ise Lahiniriny hianatra an'izao!
14. HESHA ( 11/12/2006 10:16)
Ary tsy niteny tato i tezitra ?????
NEfa tokony ho interessant aminy zao ity kozy eto ty
15. mandrindra ( 11/12/2006 11:54)
marina ny voalaza eto fa ilaina ny mpanohitra mampiady sy mandroso hevitra fa tsy manao resabe.
tsy ekeko kosa ny hoe tokony hitambatra izay rehetra milaza fa mpanohitra. ny mahatonga ahy milaza izany dia tsy voatery ho mitovy daholo ny antony hanoherana, raha tsy ny hoe te hitondra fotsiny angamba
16. bazylou ( 11/12/2006 12:01)
pas tres nette hoy lgdi atsy !!! Ambivitra ihany ilay 54.8, atao hoe 55 % tsy iadivana lavitra!!
17. xxx ( 11/12/2006 12:50)
tezitra hono mbola nankany @ dokotera fa niakatra ilay zavatra :°)
18. besoiiin ( 11/12/2006 13:14)
marina daholo izany, tokony samy hiasa daholo na mpanohitra na mpitondra, mazava izao fa tsy ny vava akory no ahafahana hitarika vahoaka fa ny asa vita, tsy adala akory ny vahoaka ka tsy ahafantatra fa raha mpanohitra hita fa credible ianao dia sur fa ho ilainy ka tsy maintsy hiavaka,
19. besoiiin ( 11/12/2006 13:18)
bazyl> 1er sur 14 candidats mbola nahazo 54,8% v de pas tres nette????
fa taiza ary nareo sy ldgi no nianatra math......
20. andratax ( 11/12/2006 14:15)
ndao tsika hoany ry andratax dia refa eny ivato mampiantso mpanao gazety oe

tonga zahay tompoko mba hanohitra..
Ampiana oe ahasoa an'i Madagasikara


Ny oposition no tokony ampianarina manohitra fa tsy andratax no ho any ka :roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0621