Mba hevitra atsipy fotsiny
21. Lejim
(
11/12/2006 14:33)
kitjo:
lejim ndray efa atokisako hatramin'izay k!
sady fair play no no tsy mpanaraka be fahatany ary tsy mpanohitra jamba! sa aona lejim ahhh!
tokony anoratan' ise Lahiniriny hianatra an'izao!
Misaotra e,
Fa ilay hanoratra amin'i Lahiniriko aloha, :-D
22. Lejim
(
11/12/2006 15:03)
mandrindra:
marina ny voalaza eto fa ilaina ny mpanohitra mampiady sy mandroso hevitra fa tsy manao resabe.
tsy ekeko kosa ny hoe tokony hitambatra izay rehetra milaza fa mpanohitra. ny mahatonga ahy milaza izany dia tsy voatery ho mitovy daholo ny antony hanoherana, raha tsy ny hoe te hitondra fotsiny angamba
Tsy voatery hitovy hevitra ange. Fa angamba mba hitovisana kosa ilay hoe, te hi-influencE ny gouvernement. Amin'ny deputation manaraka izao ohatra dia tokony hiasa mafy any amin'ny tapany avaratra sy avaratra antsinana any Rolland Ratsiraka. Sure aho fa maro ny olona tia azy any. Dia mety mahazo deputE maromaro izy any. Otran'izany koa i Lahiniriko any Toliary sy ny mpanohitra sasany any amin'ny faritra hafa any. I Herizo izao misy toerana tena tia azy mihitsy ka tokony ho any amin'ireny toerana ireny izy miasa. I Ratsirahonana sy ny AVI koa tsy adino. Manambatra hery ao amin'ny assemble nationale ao amin'izay. Dia mba balancE ny fitantanana, fa tsy hevitra iray ihany no manjaka ao. Mifanaja koa ny fanjakana sy ny opposition amin'izay satria ny iray manana pouvoir hi-dissoudre, dia ny iray mahafaka manao ny motion de censure, na empechement.
Mpianatra premiere annee any amin'ny Droit dia efa mahafantra an'izany fa tsy haiko ny tsy anaovan'ny opposition azy.
23. fijo
(
12/12/2006 22:11)
tsy misy ampianany voalazan'i lejim.za koa efa mba nilaza ihany hoe mila mahaymampitovy hevitra ny mpanohitra,satria raha tsy matanjaka io mpanohitra io,tsy handroso mada.
ny mampalahelo aniefa dia tsy misy mpanohitra any.
mpitady seza no misy any.?eo no misy ny olana izao.
ny mampalahelo aniefa dia tsy misy mpanohitra any.
mpitady seza no misy any.?eo no misy ny olana izao.
24. kitjo
(
13/12/2006 04:54)
Ndao ko fijo hanampy anay aza hody dia hangataka asa ao @ presidence na Assemblee isika dia poste angatahina hoe "Hanohitra"..
:lol::lol::lol:
:lol::lol::lol:
25. fijo
(
13/12/2006 05:56)
ndao e,sady mba afa raha isika no manohitra fa tsy ireo bontolo be ireo
26. kitjo
(
13/12/2006 06:22)
Mety milay zany an!
Miara-miasa @ Fanjakana ihany fa aty no mianga ny kritika rehetra @ zay programa miseho eo..
tsy maintsy ampandalovina mpanohitra aloha...
Antoko: Mpanohitra vaovao!
Miara-miasa @ Fanjakana ihany fa aty no mianga ny kritika rehetra @ zay programa miseho eo..
tsy maintsy ampandalovina mpanohitra aloha...
Antoko: Mpanohitra vaovao!
27. mandrindra
(
13/12/2006 09:28)
lejim, ara-taratasy dia marina io lazainao io. fa sarotra ny anatanterahana izany amin'ny lafiny pratika satria samy lohany daholo ireo ary samy te hitarika. raha ny fanoherana fotsiny no foto-kevitra hikambanana dia hitako fa olana lehibe no aterak'izany. ny antony dia satria atao izay handresena ny eo an-toerana. dia rehefa mahazo fitondrana dia olana lehibe satria tsy misy drafitrasa iraisana abkoatry ny fanoherana.
kitjo sy fijo, aza manangana antoko vaovao izany fa ny any aza efa tsy voaisa intsony ny antoko etsy sy eroa
kitjo sy fijo, aza manangana antoko vaovao izany fa ny any aza efa tsy voaisa intsony ny antoko etsy sy eroa
