hanao hotel 5etoiles 300chambres Ravalo!

1. kitjo ( 08/12/2006 03:26)
Araka kabarin'i Ravalo omaly hono dia be dia be ny zavatra ho ataony ao Tana....marobe tokoa fa nisongadina t@zany ny hoe hanao hotely be izy 300chambres...5etoiles...

milay e!
hitombo ny asa, mihatsara ny tanana..sns

Fisaorana an' Antananarivo hono no tena antony ka hotanterahiny dol ny fampanantenana satria Tana no nahazoany vato be inddra...izany tsy milaza hoe tsy hanao @ faritany hafa fa mbola ho avy koa ny any fa ny ao Tana aloha no efa tapaka ny heviny!
2. ikaretsaka ( 08/12/2006 04:37)
efa resaka efa eeeeeeela ( herintaona angamba izay) tao aminy io hotely 5 etoiles io fa tsy vaovao intsony
3. vahatra22 ( 08/12/2006 07:29)
tsara lo le tetik' asa e! fa saingy izao no défaut an-dRavalomanana: tokony ny tena any amin' ny ain' ny vahoaka no jereny aloha ra manana vola anaovana an' izany izy, ohatra tokony ny vidim-bary no ampidininy!izany hotel izany ne olom-bitsy no mahazo tombotsoa amin' izany e! ny ngetroka ihany! izy izany tsy mba mijery ny vahoaka madinika e! fa ny avo ihany no tovonana!
4. aigredoux ( 08/12/2006 10:17)
vahatra22:

tsara lo le tetik' asa e! fa saingy izao no défaut an-dRavalomanana: tokony ny tena any amin' ny ain' ny vahoaka no jereny aloha ra manana vola anaovana an' izany izy, ohatra tokony ny vidim-bary no ampidininy!izany hotel izany ne olom-bitsy no mahazo tombotsoa amin' izany e! ny ngetroka ihany! izy izany tsy mba mijery ny vahoaka madinika e! fa ny avo ihany no tovonana!


Marina mintsy zany, tsy ny fisian'ny salle de conference internationale, na ny hotel 5 etoiles akory no hampihena ny vidin'ny PPN. Tsy azo lavina kosa aloha fa hihatsara ny endriky ny tanàna, saingy ny mahamaika ny vahoaka dia ny hoaniny isan'andro.
5. tywa68 ( 08/12/2006 10:57)
marina zay saingy hanome asa ny madinika ihany koa anie ny fanatsaràna ohatr'izany ary ilaina ao Tanà la capitale satria ho avy ny manambola ê ! ny ho hanina indray azo rahefa miasa ! fa tsy i ra-8 no antenaina hanena ny vidiny !:wink: avelao izy hanohy hoa ! :lol:
6. vegas ( 08/12/2006 11:53)
Tsy miantraika any amin'ny vahoaka madinika mihintsy 'zany ka amiko dia tsy hitako loatra izay dikany. Hoy nareo hoe hisy asa ho miforona? Tsy ny mahantra mihintsy no ahazo asa ao fa ity aho eto.
Hoy ravalo tamin'ny propagandy 2002: "Hanankarena daholo zay rehetra mahantra eee! "
Aiza akory ny zany eo?
7. Robert ( 08/12/2006 16:45)
Hevitra tsara aloha ilay izy satria hitondra voka-tsoa hoany izay ahita tombontsoa @ ilay hotel.

Ary marina io resahany sasany hoe tsy hisy fiantraikany @ vahoaka io (vidim-bary ohatra). Inona re izany no tokony hanaovany ilay vola be io? Mba omeo hevitra re_olo? hifampizarana eto, indray andro any tsy hotonga any ampoto-sofi-dra-8 iany izay resaha-tsika eto..

Izao koa aza hadino fa Ra-8 de business man, manao investissement izy @ secteur hitany fa mandeha ary hampanambola aza. Tokoanany @ resaka fampandrosoana @ ireo rehetra ireo. Ahazo tsombontsoa ny vahoaka fa kely fa izy no ahazo ny tena vola be.
8. Samoana ( 08/12/2006 17:02)
Tsy vola mivoaka @ paosiny io reyolona fa efa misy groupe hôtelier ngezalà te hanangana kintana maro any an-tanàna de mba nekena a ! Aza manahy fa tsy adino ny vahoaka mahantra e ! ( alefaso ny hafatra fa hampitaiko e:D )
9. bazylou ( 08/12/2006 20:15)
dia mbola tsy hitanareoihany ve fa saosy ho azy io!! ianbareo dia faly izany hiasa ao aminy andevoziny ao!! Izay ilay vahoaka dia faly ery nefa tsy ho azy anaie ny saosy ao fa n'ilay 8e!!
IZa no hieritreritra mahantra izany , fa resaka fotsiny!!
10. ikaretsaka ( 08/12/2006 21:19)
vegas:

Tsy miantraika any amin'ny vahoaka madinika mihintsy 'zany ka amiko dia tsy hitako loatra izay dikany. Hoy nareo hoe hisy asa ho miforona? Tsy ny mahantra mihintsy no ahazo asa ao fa ity aho eto.
Hoy ravalo tamin'ny propagandy 2002: "Hanankarena daholo zay rehetra mahantra eee! "
Aiza akory ny zany eo?



efa notenenina azy io ..fa asa izay ataony aloha "kintankitana" na ny hitely na ny mitsinjo vahoaka...
11. Samoana ( 08/12/2006 22:21)
ô Rabazyl a ! Nenareo kosa de raisina an-tendrony foana ! Mba raiso hoe tsy fanandevozana izany fa mba hoe asa miditra ho antsika e !
Aza eritreretina ny saosy azon-dRa8 fa na misy hotely na tsy misy rariny izy raha manambola satria filoham-pirenena Malagasy !!!! Ary mieritreritra ny mahantra izy fa mandrasa tantana ary...minoa fotsiny hatrany:D
12. fijo ( 08/12/2006 22:53)
jareo daholo aloha e.
ny soa azo.
-fahatsaran'ny tanana;
-asa hoan'ny olona vitsivitsy na maromaro
-mety ahasarina vahiny=vola vahiny miditra
-mety hanova ny firenena satria hanana rafitra handraisana fihaonana lehibe.
-hampandroso ny vidimbokatra(satria mila mpamatsy izany)

ny vokany.
-tsy misy vokany amin'ny vidimpiainana
-tsy zakan'ny vahoaka ny hiditra any
-hitombo ny fahasamihafana itamaso eo amin'ny vahoaka.

izay aloha no itako.fa ampio,de avy eo isika mijery hoe iza no betsaka
13. lapino ( 08/12/2006 23:52)
Ny soa azo:
- fomba anankiray hi-exploiter-na ny potentiels ananan\'ny firenena ireny : misy interêt manokana i Madagasikara amin\'ny resaka tourisme
- arakaraka ny hisian\'ny activités misy vola betsaka mihodina no mampandeha ny ekonomiam-pirenena. Asa raha manao ahoana ny PIB vokatra raha ampitoviana ny activités PPN ( fambolem-bary, sns ... ) sy ny activités ohatra ny fanaovana hotely 5 etoiles
- tanisao daholo ny zavatra andrasana rehefa mivetsovetso ny mpanao politika rehetra hatramin\'izay hoe : \"hisintona ny investisseur mpanam-bola\"

Ny vokany :
- hoy indray ny sasany avy eo hoe lasan\'ny vahiny ny haren\'ny gasy
14. bazylou ( 09/12/2006 00:19)
""Aza eritreretina ny saosy azon-dRa8 fa na misy hotely na tsy misy rariny izy raha manambola satria filoham-pirenena Malagasy !!!! "" hoy i samoana teo..

Aiza kosa ry tsamy no dia izany no eritreritrao!! fa angaha raha hoe filoham pirenena dia mahazo ny rariny foana ianao stria filoha!!,, tsy poinsa io ry tsamy a!!
NY OLONA MPITONDRA DIA TSY TOKONY HANANA PETSAPETSA AMIN NY SAOSY NA INONA IO NA INONA .. NY MILIARDERA AZA MIALA AMIN NY TOEARANA MAHA PDG AZY REHEFA LANY
15. jhouhlambout ( 09/12/2006 09:27)
:wink:
16. xxx ( 09/12/2006 18:57)
:miam:
17. tywa68 ( 10/12/2006 11:45)
aza enjehina hoa izy fa raha tena tia-tena izy dia nitsotsotra nisantatra ny volabeny (azony t@affaires-ny) ! fa te-hanatsara ny farimpianan'ny gasy tiany izy, eny na dia mampiseho hoe be vola aza, dia mizara ihany zany amiko ary tia ny fireneny ! avelao izy hanohy fa efa misy zava-bitany (lalina loatra ny fahoriana nitsena azy teo t@ nandraisany ny pouvoirs !) mila fotoana dhl ê ! Minoa fotsiny ihany !
18. kitjo ( 12/12/2006 05:13)
Za manko gaga ry tywa...efa manana ny ampy izy mbola hankarary andoha eo ihany @ ty fahasahiranan'ny firenena, fitiavany ny Tanindrazana fts ihany sisa..

Fitia mifamaly io ry bazyl an!!!
19. kitjo ( 12/12/2006 05:16)
mbola vo eo am-pananganana dia efa misy soa:
- mihodina ny sosy @materiaux de costruction + tax
- mahazo asa dol le macon kely eny @ sisiny reny
- miha-miakatra ny qualite de service ao Dago sady miha professionel
- tsy maintsy miakatra manaraka fenitra iraisam-pirenena ny fampianarana ary hisy lanjany bebe kokoa, tsy ny mpianatra momba Tourisme na Hotellerie ihany fa ireo zay voakasika rehetra
- miakatra ny fanjifana: sakafo, lamba, savony, jiro, sns sns e
- image iray (+) ho an'i Madagasikara indray io
20. xxx ( 12/12/2006 17:25)
Ny vokadratsiny de ho ripaka indray ny bitro , sy ny sisa @ zany ko fa mahazo tombony indray ny mpiompy :-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2502