Tribune:gazety manindrahindra ny adim-poko

1. ronaldo09 ( 06/12/2006 13:03)
Ny tenako aloha dia tohina tanteraka namaky ny gazety madagascar tribune nivoaka ny 05 decembre 2006 momba ny hoe Toliara:La victoire du vote ethnique ,amiko amy maha-zanaky ny faritany Toliara ahy dia manohitra tanteraka io satria anie ka vao t@ity i Toliara no nifidy ny kandida avy ao amin'ny !Tadidiontsika tsara ny tantara fa ny taona 1982(mbola tsy teraka aho t@izany nefa tanatara moa io)dia resy tany i Dada Monja nefa zanak'io faritany io izy,1989 mbola resy izy tany Toliara,amizao fotoana izao tsy i Lahiniriko irery no kandida avy any fa i Monja roindefo koa anie ka avy any nefa dia io izy resy io.
I Toliara dia anisan'ny faritany manana ny tanatarany ary fier zahay avy any ka tsy resaka fiaviana no nandanianay an'i Lahiniriko fa fanaporofoana fa tsy nisy ny zava-bitan'i Ravalo tany .Zahay raha resaka fiaviana tsy miasa ary tsy miteny aminay ary tadidio fa io irery ihany no faritany tsy resy mihitsy t@ andron'ny fahapanjaka ary izahay dia nahaleo tena mandra-pahatongan'ny mpanjanaka frantsay koa aoka mba tsy hampiadiana na ho rangitina amizany hoe vote ethnique fa io no vokatry ny fampanantenana poak'aty nataon-dravalo.
Zaho manokana aloha dia efa nandefa FAX any amin'ny tribune nanakiana io lohahevitra ny mba tsy hiverenany
Raha tadidinareo ny hiran'i Mamy Gotso hoe :Laha iha mbo tsy tane ka misalasala ,miavia fa ty any tsy mandany drala ,ty oloaby mipetrakao tea longo ,ndra iha gasy ndra karany ndra vozongo.
Midika izany fa Toliara an'ny gasy rehetra fa tsy ze voka-pifidianana no andrangitana anay.
novalian'i rabejo ny 11/12/2006 12:24
2. lost ( 06/12/2006 13:59)
Marina ny anao fa ny ahy ny faniriako d mba tokony asiana lalàna momban'io ao dago(izay manindraindra ny resapoko d mandoa lamandy sy gadraina fa raha tsy izany tsy ho foana io)Zany we ny foana tsy ho foana
fa mba hisy limiteny izy @zay!!
3. fijo ( 06/12/2006 22:23)
lost izay mihintsy?jereo fa lasa ataon'ny mpanao politika fomba fampitahorana le izy.
4. rabejo ( 11/12/2006 12:24)
ronaldo09:

Ny tenako aloha dia tohina tanteraka namaky ny gazety madagascar tribune nivoaka ny 05 decembre 2006 momba ny hoe Toliara:La victoire du vote ethnique ,amiko amy maha-zanaky ny faritany Toliara ahy dia manohitra tanteraka io satria anie ka vao t@ity i Toliara no nifidy ny kandida avy ao amin'ny !Tadidiontsika tsara ny tantara fa ny taona 1982(mbola tsy teraka aho t@izany nefa tanatara moa io)dia resy tany i Dada Monja nefa zanak'io faritany io izy,1989 mbola resy izy tany Toliara,amizao fotoana izao tsy i Lahiniriko irery no kandida avy any fa i Monja roindefo koa anie ka avy any nefa dia io izy resy io.
I Toliara dia anisan'ny faritany manana ny tanatarany ary fier zahay avy any ka tsy resaka fiaviana no nandanianay an'i Lahiniriko fa fanaporofoana fa tsy nisy ny zava-bitan'i Ravalo tany .Zahay raha resaka fiaviana tsy miasa ary tsy miteny aminay ary tadidio fa io irery ihany no faritany tsy resy mihitsy t@ andron'ny fahapanjaka ary izahay dia nahaleo tena mandra-pahatongan'ny mpanjanaka frantsay koa aoka mba tsy hampiadiana na ho rangitina amizany hoe vote ethnique fa io no vokatry ny fampanantenana poak'aty nataon-dravalo.
Zaho manokana aloha dia efa nandefa FAX any amin'ny tribune nanakiana io lohahevitra ny mba tsy hiverenany
Raha tadidinareo ny hiran'i Mamy Gotso hoe :Laha iha mbo tsy tane ka misalasala ,miavia fa ty any tsy mandany drala ,ty oloaby mipetrakao tea longo ,ndra iha gasy ndra karany ndra vozongo.
Midika izany fa Toliara an'ny gasy rehetra fa tsy ze voka-pifidianana no andrangitana anay.


Misaotra anao fa raha toa anao daholo ny Malagasy , indrindra fa ny mpitarika politika, dia tsy hipetraka intsony ny resa-pihaviana.
Indrisy anefa fa mbola diso ianao. Olona nipetraka tany amin'ny faritra atsimo aho manoratra aminao izao (fivondronana tsy ho teneniko eto). Dia satria aho anisan'ny tompon'andraikitra ara-panjakana t@ ilay toerana, hafa fihaviana (tsy ho teneniko eto koa na dia efa azonao an-tsaina angamba), dia efa naely ny resaka hoe "angaha tsy misy olona avy aty @tsika no ... io no apetraka eo ?". Dia raikitra ny kivorivory niaraka t@ Depiote mihitsy hanaovana izay tsy aha-tamana ahy (ny conseiller-ny ihany no nalahelo ahy noho ny asa ataoko dia nitantara tamiko izany). Ny antony dia manelingelina ny fiarahan-drizalahy mihinana. Aleon-drizalahy bado foana ny vahoakany t@ io faritra nipetrahako io satria @izay mora ambakaina. Rehefa asaina manavaka (fantatrao tsara ny dikan'io @ Dina misy any) dia manaiky satria izay no "tsaram-bazaha" araka ny fomba fiteny any.
Dia toy izany koa (indrisy!!!) no atao @ hoe "vote ethnique" fa tsy "péjoratif" velively akory izany na fanavakavahana. Mipetraka ny hoe "io ty antsika", "io ty zana-tsika", "io ty zain-tsika, zokin-tsika, longon-tsika". Misy eran'i Madagasikara izany fa ny fomba fisehony no samy hafa. @ faritra sasany dia na ny mba hanamainty molaly ny tany any aza dia tsy sahin'ny mpihavy fa raha vao manomboka mikarakara tany lavavolo iray ianao dia velona ny hoe "tanin'ny razanay io fa miala eo ianao". Raha toy izany daholo re ny eto Madagasikara e?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0415