Tribune: "Victoire du vote ethnique"

1. Lejim ( 05/12/2006 20:24)
Marina aloha fa nitana lanja lehibe tamin'ny nahazoan'ny kandida Lahiniriko vato maro tany amin'ny faritanin'ny Toliara ny fiaviany avy any. Benefice ho azy izany. Fa ny mahagaga ahy dia toa i Lahiniriko sy ny Touliarois (toulouse? lol) irery no tenenin'ny Tribune, nefa anie azo atao ho izay koa ny Kandida Ravalomanana tao Antananarivo e, otr'izany ihany Rolland Ratsiraka tany Tamatave, na i Herizo any Ambositra.
Maninona i Lahiniriko ihany no ampangain'io gazety io?

novalian'i jigs ny 15/12/2006 05:16
2. oufouf ( 05/12/2006 20:37)
izay anie lejim ilay resaka efa nandeha teto é , momba ny gazety gasy .... tena tokony antsoina hoe pro ve ry zareo sa amateur (manao tandrametaka ???), tokony mila fanovana mihintsy ireo
3. Papoose ( 05/12/2006 20:46)
ka ny tian'ny tribune tenenina angamba dia hoe raha any tulear dia 1er tour de vita ny fifidianana fa lany i lahiniriko hihihihii, dia raha any tamatave de 1er tour de vita dia lany i roland ratsiraka dia etc ee... :-D
4. Lejim ( 05/12/2006 20:59)
Papoose> may be, lol
Tsy mazava amiko mihitsy io Gazety io indraindray.
5. xxx ( 05/12/2006 21:03)
de raha eto madagasikara dia 1er tour dia vita ndra8 koa inona moa indray?
6. Fiffi ( 05/12/2006 21:59)
de zay zany.....
7. fijo ( 05/12/2006 22:03)
sady niresaka momba an'i roland ratsiraka ihany koa io lahatsoratraio,fa vakio tsara,
ny tao tana dia tsy afaka milaza izany ny gazety satria maro ny olona avy ao no nirotsaka,ka sarotra no hilaza izany.
oh:raha ratsirahonana izao no lany dia vote ethnique koa ve??? raha ny asina dia izay ihany koa ve????
8. zandikely ( 05/12/2006 22:16)
Roland Ratsiraka koa nahazo vato tany Antsiranana satria avy any koa izy?
9. Lejim ( 05/12/2006 22:25)
Marina fa misy resaka kely hoe comme "Rolland ratsiraka a Tamatave," ao, nefa raha mba dinihinao koa ny tian'ilay mpanoratra resahina dia ny Kandida Lahiniriko ihany no iantefan'ilay vote ethnique. Tsy manohana an'i Lahiniriko aho, sao dia izay indray no aroson'ny sasany eto, fa mampanontany tena ahy ihany ilay izy.
Nahoana moa no tsy ho azo resahina ny vote ethnique ao Tananarive. Ireo kandida avy amin'ny toeran-kafa mandray 2 a 6 % ireo mba malazalaza kely ihany, ohatra rolland sy Lahiniriko. Herizo tsy ataoko anatiny satria tsy dia lavitra ny grande centrale ny fihaviany!
Raha dinihina anie ny vokatra ao Tana dia ny Kandida Ratsirahonana sy ny Kandida Ravalomanana no mahazo vato ao e! Raha 70% eo ho eo ny an'i Ravalomanana, 13% eo ny an'i Ratsirahonana. Izany hoe, manodidina 82%-84% no azon'ny kandida avy ao Tana ao Tana. I Hasina tsy resahantsika satria na izy aza nanohitra ny election. Tsy dia nisy propagandy firy izany ny azy. Dia aleoko koa tsy hiresaka momba an'ilay candidate satria mety maro ny facteur mahatonga azy tsy nahazo vato maro!
Raha toa ka lazaina ho vote ethnique ny tany Toliary, (na Tamatave, ho an'ny sasany), lojika raha mba lazaina ho toy izany ny ao Tana!
Exception izao Diego sy Mahajanga!
Ny ao fianrantsoa tsy asiako teny firy satria tsy mazava amiko izay tian'izy ireo atao ao!
10. Lejim ( 05/12/2006 22:28)
Zandikely> Raha zah no ametrahanao io fanontaniana io dia izy efa noresahiko ambony io hoe, lasa exception Majunga sy Diego.
Fa ity lahatsoratra ao @ Mkara Tribune ity no tena nandehanan'ny eritreritro!
11. fijo ( 05/12/2006 23:22)
ka ny tena nahatonga azy niresaka an'i tulear dia satria nisy ireo ekipan'i levalo avy ao toliara mba niady mafy,nefa tsy nahasarika ny vato hoazy.izany hoe nadia olona avy ao aza no manao ny propa matanjaka,dia izay avy ao ihany no fidian'ny olona
12. DotMG ( 06/12/2006 05:37)
Lasa manahirana be ny miresaka foko amin'ny sehatra toy itony (http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m4575bda63c1f2 ), kanefa toa tsy maintsy hamaly kely ihany aho! Izay tsy nahazaka ny resako momba ny foko tato ho ato dia iangaviana mba tsy hamaly.

Resaka vote ethnique no resahinao! Marina izany ary tena misy io! Ary hatramin'izay! Tsara homarihina kely fotsiny fa teto Antananarivo dia tamin'ny 2001 vao toa mibaribary io, talohan'ny 2001 dia ny kandida tsy avy teto Antananarivo no nahazo vato betsaka teto. Ohatra: Ratsiraka Didier Ignace, Zafy Albert, Monja Jaona, ...
Kanefa ny any amin'ny faritra hafa, talohan'ny 2001 dia izay kandida avy ao amin'ilay faritany no mahazo vato betsaka ao amin'izany faritany izany: Toamasina dia nanjakan-dRatsiraka, Antsiranana nanjakan'i Zafy Albert, ary i Toliary nanjakan'itompokolahy Monja Jaona, samy tamin'ny fotoan'androny avy!

Mety ho niova ve ny fisainan'Antananarivo ka niditra tamin'ny vote ethnique koa? Raha ny fahitan'ny kandida anankiray aloha dia noho ny zava-bita teto Antananarivo no nahazoan'ny kandida le huit qui possède fandresena miezinezina teto! Antananarivo mantsy hono nahazo be kokoa nandritra izay dimy taona izay! (sic!)

Ny tany Antsiranana indray, dia tsara homarihina fa ilay kandida vehivavy avy ao amin'io faritany io tsy nilatsaka indray, dia tsy nisy kandida avy ao Antsiranana tamin'ity 3 desambra ity!

I Mahajanga sy Fianarantsoa indray dia "ville cosmopolite". Dia toy izay koa ny vokatra azo avy ao, izany hoe azo heverina ho samy manao vote ethnique avy ny antokon'olona tsirairay, nefa tsy voaporofo izay.
13. sasa ( 06/12/2006 10:34)
Lejim tsy azo lazaina ho vote ethnique ny eto tanà satria nisy candidat 4 no nilatsaka ny avy eto nefa ny sasany aza tsy hita tabilao akory, nefa raha hevitrao io no raisina d tokony hizara 4 ny vato eto tanà,raha araka ny hevitro aloha nilaza hoe vote ethnique le gazety satria tao toliary irery i lahiniriko ny nahazo vato betsaka, satria izy avy any toliary fa i rolland ratsiraka kosa d nahazo tany tamatave sy Diego na d tsy avy diego aza
14. jentilisa ( 06/12/2006 11:43)
Nahazo vato tany toliary i Lahiniriko satria na Tim na avi Avy any dia nanohana azy...mety ho noho ny fihaviana mety ho tsia!
15. piste ( 06/12/2006 22:27)
Antananarivo ihany koa dia mazava be fa nanao vote ethnique. Miteny ho azy ny chiffre. Ho an'ny Hasina sy Razakarimanana angamba dia noho izy ireo mpanohitra sy tsy nahavita propagandy firy. T@ ity fifidianana ity no hita fa nibaribary ny vote ethnique. Tokony hampisaina ny mpitondra Fanjakana ihany ny zavatra toy izao. Moa tsy misy Ray aman-dreny iombonana intsony ve ny Malagasy ?
RAha ny hita sy tsapa aloha dia tena voa be ny vahoaka tany @ Faritra nandritry ny Fitondran-dRavalo teo iny.
16. fijo ( 06/12/2006 23:52)
tao tana dia ny tsy fahombiazan'ny mpanohitra no nifidianana andravalo.
tany toliary dia mazava fa noho i lahiniriko avy any no nifidianana azy.na dia nilatsaka aza i monja,dia tsy nandefa buleta.
mbola manjaka ny vijerena fiaviana ao mada.ka tokony tezaina ny vahoaka.
tamin'ny 2001 i dia nifidy ravalo tana?tsy voatery hoe noho izy avy eo,fa izy no hany azo antoka fa aharesy an dradidi.
17. sasa ( 07/12/2006 05:26)
fijo io fijerena fihaviana aty dago io lesy tena mbola grave be ary tena tsy hita mintsy izay anaovana an'azy, fa raha mba miezaka manitsy ny olona d ianao indray no mahazo koa, ny an'ahy aleoko mangina fa efa tratra za kalou tany avaratra tany.
18. fijo ( 07/12/2006 06:05)
ka io ny politika no tokony hitaiza ny olona ka,nefa ry zalahy indray no manondrana
19. xxx ( 07/12/2006 11:05)
Misy eto antanàna daholo zany fa mba tsikaritrareo koa ve fa nisy vote nirona tamin'ny 'fivaviana' koa t@ ty ndray mitoraka ty? I Elia mantsy tsy nisy nahafantatra nefa de naharesy andrarezin'ny mpanao politika reraka toa andry RAzoky! Vive la solidarité féminine! afaka 5 taona mitovy avokoa ny chance-n'ny rehetra, mety hisy surprise hafahafa an!
20. piste ( 07/12/2006 14:05)
Tanà dia nanao vote ethnique fa aza ahodina ny resaka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0432