hatao teny vazaha sa gasy sa angisy, sa espagnol,sa...

1. tezitra ( 05/12/2006 10:51)
Betaka ny milaza fa tokony ho teny gasy no hatao eto, zavatra 4:

1) inona marina ary no objectif ny serasera mba hahaizanay azy tsara

2)Raha hatao teny gasy ihany dia ataovy tena gasy:
ratonga nanoratra: Tô méty 1er tour hiany dé vita ; xxx nanoratra : Hery mampmé; ny sasany indray manoratra wa wa wa no betsaka eto

3) tombony ho an'i serasera sy ny mpanao publicité gasy ary ho an'i mcar ny fandraisan'anjaran'ny vahiny eto

4)Izaho indray milaza fa aleo teny mifangaro, satria ny mponina 700 tsy afaka mifidy tao @ firaisana ( 700 electeur potentiel n'ont pas pu voté dans un quartier, donc même pas dans une ville) dia hataonay ho ren-tany sy horendanitra, ary tsy hisy hangina na hanainky hananfina ny appauvrissement organisé à huis clos eto

Y'A QUE LES POISSONS MORTS QUI SUIVENT LE COURANT
2. salmo ( 05/12/2006 11:21)
hatao teny espagnol :-D
3. xxx ( 05/12/2006 11:25)
kes kil di clui là ! serasera nou mahazou louza refa tsy naharéssy ny azy .
1/ ny atao hoe serasera dia hahafahana mifanerasera na ahoana na ahoana ny fiteny sy ny fomba hitenenana : @ oul mahay ohatran' i tezitra 1/2 mot dé mahazo resaka ! (tsy ataoko teny français , na italiano na anglais io )
2/ tsara ny hevitra asehoan' i tezitra fa aleo ny tompon'andraikitra no hilaza sy hamaly
3/ izaho indray milaza fa tsy mety ny mifangaro , teny frantsay sy teny malagasy , aiza mofo sy vary ve indray omena ny trondro ? tonga dé tezitra izy ary maty ho azy , avy eo manaraka ny renirano , aiza é ! tsy mety baba a !
4. hery ( 05/12/2006 11:25)
Safidy noraisin'ny serasera ny teny gasy. Eritrereto hoe tahaka ny eny andalana rehetra any Madagasikara ianao rehefa eto. Eritrereto hoe eny amin'ny tsenan'Asabotsy (Antsirabe), na eny amin'ny bazary be (Toamasina) na eny antokotanin'ny Sacré-Coeur (Katedraly ao Toliara) na ao amin'ny Mon Tana (manatrika fety gasy) etc...
Izany hoe eny amin'ny toerana misy gasy maro. Ny teny Gasy no hain'ny maro.

Mety tsy ara-dalàna na araky ny akademia ny teny malagasy ampiasaina. Tsy maninona izany. Miezaka isika miteny gasy tsara... izay tsy mahavita miteny tsara na tsy zatra dia tsy maninona fa ezaka no atao.

Mety ho very ny pub sns... tsy maninona izany. Ny maha malagasy aloha vao ny resa-bola.

Mety tsy ho azon'ny vazaha... tsy maninona. Afaka mijery takelaka hafa miteny vazaha ny vazaha. Raha hatao frantsay mantsy dia tsy ho azon'ny amerikana sy ny sinoa, raha atao teny anglisy dia tsy ho azon'ny espanola sns... Dia atao teny gasy, izay vazaha te hamaky dia na mianatra teny Gasy na mitady site miteny vazaha.

Afaka miditra eto tsara ny vahiny... (misy vahiny vitsivitsy eto... tena vazaha). Fa anjaran'izy ireo no mandray izay voarainy amin'ny teny Gasy. Misy amin'izy ireny manoratra amin'ny teniny... fa aza gaga anefa raha valian'ny namana amin'ny teny malagasy.

Tombony lehibe ho antsika no mbola hisian'ny takelaka (lehibe) mifototra amin'ny teny gasy. Ny ankamaroan'ny takelaka lehibe mantsy dia ataony teny frantsay satria very ireo nolazaiko tetsy ambony.

Gasy ihany e :-)
5. simplex ( 05/12/2006 11:28)
^:^^:^^:^
ekena !!!
6. majakely ( 05/12/2006 12:56)
Aza mila vaniny ry tezitra aaa..elah ko hita dooly zao zavatra rehetra izao hilana vaniny ,,tsss:twisted:
7. sasa ( 05/12/2006 13:01)
gasy ihany gasy hatrany e! otranay moa izany aleo d tsorina fa tsy mahay afa-tsy teny gasy, ka raha vao misy manoratra am teny frantsay eto d fanina aloha ny tenanay, indrindra moa fa teny hafa d vao maika loza tena very tanteraka.
8. andry08 ( 05/12/2006 13:27)
Fa ilay hatezerana angaha nihoatra ny androany fa tsy hoe ) 4 dec, dia havadika zavatra hafa indray ry tezitra an!Efa hoa mba faly anio ka inona indray ?
9. exdadabe ( 05/12/2006 13:42)
tsy azoko :roll:
10. Robert ( 05/12/2006 14:09)
Marina ilay notenenin'i Hery...

Fa mba iangaviana isika rehetra mba hiezaka hanoratra malagasy niaraka @ tsipelina sy ny voambolana tena malagasy..Ekena fa forum ity fa mba hiezaho eee....

Misaotra antsika rehetra...Gasy ka manja
11. xxx ( 05/12/2006 14:42)
tsisy baiko moana anga?
12. diamondra27 ( 05/12/2006 14:51)
de ze tsy mahay teny gasy fa tsy nadia fenarana de ahoana?

de le resaka @ maha haingana azy koa no mampiova le teny gasy na le oul mitsy no mety mba te hizeste.
De lasa manaraka koa ny oul satria rapide be le frapy @ clavier.

tezitra: izaho aloha mahita fa misy marina ihany ny tenin'i tezitra e! rehefa atao teny gasy dia tokony ho teny gasy iray manontolo fa tsy asiana hadisoana, nefa indrisy misy ny olona mahay miteny gasy fa tsy mahay manoratra , dia omena tsiny ve izy?
Dia misy koa ny olona mahay fa manao fanahy iniana ny tmampiasa ilay teny gasy fa tenin-jatovo na fiteny @izao fotoana no ampiasaina.
Zatra mampiasa SMS loatra angamba.

Mba souple ihany wa fa ny tokony atao maha-tezitra de refa misy zavatra tsy mety lebe miseho. Refa tafita fotsiny le tiana lazaina de tsy zay ve no zava-debe?

Aza asiana resaka bordel fotsiny fa samia milaza ny heviny, de mifanaja, dia izay.

F'angah tsy :D de ampy indray e!
13. tezitra ( 05/12/2006 14:59)
diamondra:*(l),fa tadidio fa misy koa ny gasy tsy mahay teny gasy nefa mba te hahafantatra an'i gasikara sy ny zavamisy(ex ny zanaka gasy sasany andafy)

total respect zero limite
14. tywa68 ( 05/12/2006 15:03)
zay mihitsy no izy ry diamondra â ! ry tezitra efa "rancunier" h@izay !

15. lapino ( 05/12/2006 15:05)
tezitra:
fa tadidio fa misy koa ny gasy tsy mahay teny gasy nefa mba te hahafantatra an'i gasikara sy ny zavamisy(ex ny zanaka gasy sasany andafy)

total respect zero limite
Mba manao bain de langue eny an-tsenan'Asabotsy izy izany e! :wink:


16. pissoa ( 05/12/2006 15:11)
Rehefa tena te hahafantatra an'i Gasikara izy ry tezitra dia tiany ho fantatra hatramin'ny fiteniny an. Vao maika mety ho azy ny takelaka miteny gasy, ary mba cool/souple tsara amin'ny teny mifangaro.

Refa tsy te hiraraha ny fiteny gasy izy ... izy aza tsy te hiraraha kou :roll:
17. xxx ( 05/12/2006 15:28)
tezitra:

diamondra:*(l),fa tadidio fa misy koa ny gasy tsy mahay teny gasy nefa mba te hahafantatra an'i gasikara sy ny zavamisy(ex ny zanaka gasy sasany andafy)

total respect zero limite


So de mba manavy ary "tezitra" :-D

manokatra post i "tezitra"
izy ihany no mamaly ny tenany
izy ihany no micontre dire ny tenany
izy ihany no dakoro am tenany
izy ihany no manoroka ny tenany
izy ihany no mampisavorovo ny post-ny
izy ihany no miditra mampilamina
izy ihany no mananatra
alefany mitrangatrangana doly ny olona::)
izy no mamarana ny post-ny
afa-po "tezitra" de lasa indray manokatra post hafa satria efa dila ny 30mn

Sao mila fanampiana ara pisikolojika aza i "tezitra" :?:



18. kitjo ( 05/12/2006 16:03)
tsy haiko aloha ry zareo fa dia izy @ teny gasy izay ary ny fiaraha-monina ato no mbola maha-fidele ahy amty site ty h@zay ka h@ zao..

na mande site hafa aza mitselika fts fa ato ihany no trano ato!

za manao teny gasy SMS nddray satria maika fa mahay manoratra teny malagasy tsara mihitsy aho ra ifanarahana!
19. kitjo ( 05/12/2006 16:04)
Fa inona aloha no idiran' izany @ Politika e?
20. simplex ( 05/12/2006 16:27)
:-w:-w:-w
d sanatria v i tezitra no tezitra ee :°):-D:-D

;-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1954