FAMINANIANA TOHINY

21. niryna ( 08/12/2006 18:13)
Izaho aloha dia tsy manao politika saingy kosa, tsy reraka ireo anaran\'olona efa nandalo nanimba ny firenena ve ianareo ka ny taranany ihany no hofidiana.Ny eloky ny ray tsy eloky ny zanany fa ny taranam-boanjo hono,ny fotony voanemba. TSARA Izy voafidy indray satria mbola nanerina ny zava-doza nataon\'ny mpitondra taloha izy, mino aho fa izao izy vao hanomboka hitondra tanteraka.Mora ny mitondra tehina fa sarotra ny mitondra tena.Izay atao rehetra toa fanantsikerana daholo kanefa raha apetraka eo amin\'ny toerany ny tena dia tsy ahavita.Trotroy am-bavaka izy mba hitondra ny tanindrazamalalan-tsika amin\'ny fahamarinana.Tsy mba hitan-tsika ve ny hezaka betsaka vitany na ny lalana, ny ankisy nalefa nianatra,sns saika izay tonga eo dia misy manenjika foana.Izahay aloha dia tena nahita ny fiovan\'i mada tanteraka e, ireny arabe ireny anie ka zavatra hitany tany ivelany daholo no nalainy tahaka e,ny soa hono fianatra aleo isika rehetra mba hiara mizotra amin\'izay. Alaivo ohatra fotsiny ny filipina toerana kely noho ny an\'ny tena kanefa mandroso avo 100 heny noho ny antsika, tsy misy miverindala intsony eo
22. kitjo ( 11/12/2006 12:21)
Dia ahoana?

57,24% vs 54,80%

Nisy namosavy ngamba ilay faminaniana sa naninona toa tsy nety?

:roll::?::oops::cry::roll::{
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3869