sakafo vazaha frantsay

1. xxx ( 01/12/2006 01:16)
Fa inona marina kay ny tena hohanin ny frantsay e, toa malaza hoe manifinify hono ry zareo fa tsy mba matavy...
novalian'i meva2 ny 06/04/2007 08:45
2. diamondra27 ( 01/12/2006 08:58)
les normandes sont grosses, désolée pour toi
voky sakafo be crème sy au beurre de matavy be

3. booboo ( 01/12/2006 10:42)
:roll: zay lé raha tsy mety zay...ny oul avy any Champagne zany mamo lava aby fa any no mpamokatra champagne ?


4. mandrindra ( 01/12/2006 11:17)
marina io lazain'i diamondra27 io ka.
5. booboo ( 01/12/2006 11:19)
tsy marina kah....
6. fiderana ( 01/12/2006 11:25)
ny avy any Marovoay izany voky voay koa:lol:....dia lasa marokoroko be ny hodiny8)
7. mandrindra ( 01/12/2006 12:04)
booboo, ny normande tena komakomana tsara ny sipa any ka. tsy hoe izy rehetra fa ny ankamaroany an.
8. sipagasy ( 02/12/2006 09:19)
ny avy any alsace koa komany tsara ka iza no mitomany ny ho komany e! hihhihih


io tsy misy izany fa arakaraky ny sakafo hanina isan'andro ihany e!!!!!!


tadidio fa hoy isika Malagasy hoe ny omby mahia tsy lelafin'ny namany annnn ary ny kibo tsy mba lamosina ary ny tsinay tsy mba vatsy e!!!!
9. jefra ( 02/12/2006 16:18)
Somary hors sujet ny resako fa ahatsiarovako an bebeko le fanontaniana.
Izaho nody voalohany, d nanontany ahy izy:

-Ny belza ve izany mba mihinana vary tahaka antsika sa inona no tena sakafony?

-Ny azy tsy vary fa ovy.

-Hay dia mbola mba mahantra noho isika indray izany.

:lol::lol: sady nihomehy aho no nanazava hoe

-Tsy dia izay loatra satria ny antsika vary eran'ny vilia dia misy hena kely raha hisy, fa ny azy hena mameno ny vilia dia misy ovy kely.

-Ka tokony ho nolazainao hoe hena ange izany.

Efa taona maromaro fa tsy mety hadinoko. Fadiranovana izany tsy mahatakatra vary ka mivarilavo am ovy izany agny aminay agny.
10. diamondra27 ( 02/12/2006 19:18)
raha ohatra ianao ka frantsay sarababem-bahoaka dia tokony hisy apero, plat de resistance, de salade sy fromazy ary café @ farany.Ny zava-pisotro dia vin ary tsy maintsy misy mofo dipaina foana solon'ny vary any amintsika
Miankina @ fanabeazana ihany anefa zany

raha toa ka mba misimisy ny atao de any @ le apero no itarina ny fotoana ary ny vazaha de be resaka be eo ampisakafoanana bla bla bla

ny frantsay mahantra indray dia: frite na paty na ovy no sakafo haniny matetika + mofo dipaina
we mila voky fotsiny de 'zay

de raha tena ngetroka izy de hafa indray ny menu
fa mivoaka daholo ireny karazana vin rouge année ancienne ireny de misy entrée de faranana @ champagne
aza adino ny cafééééééééé
tsy maintsy asiana hena isanandro
11. jefra ( 02/12/2006 20:05)
Ny champagne ihany no tsy dia mitovy am fahitako manokana ny antsipiriana resahin'i diamondra:

-Anaoava apero no tena fanaovana azy raha misy ny hatao. Amitahana kakana satria mbola noana ka tsy tsara misotro le mahery be.
-Dia pousse-kafe (aorian'ny desera sy kafe) no mamarana azy. Efa feno tsara ny kibo dia eto vao aroso ny alikola mahery: cognac, eau vive, whisky, rhum ... araka izay misy sy tiana e. Sotroina maina am le vera kely fa tsy misy mitapoka izany.

Betsaka ny gasy no tsy mahatanty ilay miovaova zavatra sotroina apero + divay + pousse kafe, dia manomboka apero whisky, dia tsy miala intsony iny hatrany am desera :-D:-D:-D
12. diamondra27 ( 02/12/2006 22:38)
jefra: mbola misy koa ny atao hoe :trou normand sy ny canard ka
:-D:-D

de asio colonel ary @ dessert ho an'izay tia glasy e
13. emi ( 24/01/2007 21:37)
ny gasy monina ivelany koa anie dia efa manaraka io fomba sakafo vazaha io e! zay tsy hita aloha ny maharatsy azy e!fa mbola hafa hiany ny sauce gasy ka manja
14. noroharis ( 20/03/2007 19:50)
tsy manifinify izany daholo ny frantsay. Ry zareo aza no tena manana problème de poids, satria ny sakafo dia betsaka ary indrindra matavy be saosay, satria tsy misy tsirony . Ny hena izany moa dia mitovy daholo ny tsirony. na ny akoho na vorotsiloza, tsy hita izay mahasamihafa azy.
Any Frantsa, eraky ny magazines, dia feno hoe "comment maigrir" mandava taona.
Ny sakafotsika gasy aza no tena matsiro sady mahasalama. Sady tsy mampatavy satria be anana.
Reko aloha fa ny ankabehazan'ny gasy any andafy dia mihinana sakafo fomba gasy foana.
15. meva2 ( 05/04/2007 09:14)
heu...aza adino fa ny frantsay no mbola malaza @ gastronomie!!! izany hoe raha tsy misy tsirony ny produit misy any amin-dry zareo dia mety tsy ho nalaza ry zareo.
Io dia miankina @ izay marque sy toerana hividiananap azy ihany ary koa ny fahaiza-mahandro.Izany akory tsy midika hoe rehefa be sauce dia tsara ary tsy ny resto gastro ihany no ahitana sakafo tsara fa be dia be ny olona mahay mahandro.
Ny sakafo rehetra koa dia tsy voatery asiana sauce daholo ary ny hena dia tsy misy isan\'andro.
Tadidio fa isika malgasy no mpihinana hena be kokoa satria ao anatin\'ny civilisation antsika io nofonkena mita-pihavanana.
16. maeva74 ( 05/04/2007 21:26)
tantaraiko zavatra ianareo , sendra mba nisakafo niaraka t@ ireny frantsay ireny aho dia nasian-dry zareo nahandro sakafo malagasy ,dia nandrahoiko ary ny loaka sy ny vary .
voalohany indrindra dia lasa aho netsena nividy hena ,hoy aho mantsy an'ilay mpivaro-kena ,mba hasio taolana kely tsy tany @supermarket aho no nividy fa efa misy pivarokena fividiananay , rehefa nandrahoiko ilay hena sy vary , dia nipetrapetraka aloa aho niandry ny vary ho manitra tsara ,niala avy any ilay ramatoa sady nikikiaka be "faites attention;vous avez brulé le riz", dia hoy aho f'anga tsy izao no fandrahoambary ? kay ry zareo tsy mihinana apango! ( aza himehezana fa na ianao io ary voan'izany rehefa zatra ilay olonaianao dia noheverinao hoatra ny gasy koa izy)dia vita aloha ny @iny fa rehefa nisakafo dia samy nandoatra niandry andrizareo aloa handoatra izay aho vao nandoatra dia jerijerendry zareo aho naka taolana no hoy ilay sipa zanaky ry zareo hoe "ny taolana natokana ho an'ny alika ,izao tsy taitra fa hitako ilay sipa mihinana akondro dia nataoko hoe : ny alika any aminay mihinana akondro fa tsy taolana dia tsy niteny intsony ry zareo fa menatra be , tsy noraharahiko
izay fombany fa sakafo gasy no nasiany nataoko dia nataoko , taolam-pifiaka be iny ve dia hariako , nahita ahy nankafy ry zareo dia samy naka taolana daholo .:-D:-D:-D
hoy izy mianakavy "comme c'est bon"
:D:D:D
17. meva2 ( 06/04/2007 08:45)
izay no atao hoe fifanakalozana ara koltoraly.
Raha @ logique tokoa aloha dia ny alika no mihinana taolana e! ka mety logique ilay remarque kanefa anjaranao no manazava azy hoe fomban'ny malagasy ny mifika taolana fa tsy hoe ny alika no mihinana akondro!!!!hi hi hi , sady io tsy logique mihitsy!!!!!Samy manana ny fombany io ary izay no maha tsara ny fifaneraseran'ny samy olombelona, mampihitatra ny saina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.215