tapidalankalehy ny fahavalompirenena

1. besoiiin ( 29/11/2006 10:05)
Nilatsaka izao ny saro-tava. Nanatanteraka ny dingana farany tamin’ny tetim-panorona nokotrehiny ireo misakana ny hampiharana ny demokrasia eto Madagasikara :

1- natao aloha ny fitadiavan-tseza tamin’ny alalan’ny fangatahana governemanta iraisam-pirenena (gouvernement d’union nationale) izay tsy hita ny tokony nilàna azy ;

2- avy eo, rehefa tsapa fa ho sarotra ny handresy ny filoham-pirenena amperin’asa amin’ny fifidianana, dia naely ny tsaho indrindra teny anivon’ireo masoivohom-pirenena vahiny, ka nilazana fa hisy ny korontana manditra ny fifidianana ;

3- avy eo dia nirotsaka ho fidina ireo olona marobe mba hampizarazara ny vato, na dia tsy nivonona tamin’izany aza ny sasany tamin’izy ireo ;

4- avy eo dia ny sasany tamin’ireo niazakazaka nilatsaka ho fidina indray no nilaza fa tsy ara-dalàna ilay fifidianana ;

5- avy eo dia nanao fanambarana mialoha miendrika fiantsiana fa tsy hanaiky ny vokam-pifidianana ;

6- ary farany dia tonga amin’ny fankasitrahana miendrika fampirisihana ilay herisetra mamoa fady nataon’ilay jeneraly mitady hamerina fomba amam-panao efa nilaozan’ny toetrandro.

Tokony nanameloka io herisetra mifanipaka tanteraka amin’ny demokrasia io ireo mpilatsaka ho fidina rehetra tsy ankanavaka raha toa izy nihevitra fa tena mendrika ny hitondra firenena .

Ny tsy fanaovana izany dia manaporofo fa mbola tsy miandala ny demokrasia ny mpanao pôlitika sasany eto amintsika satria manana saina sy fomba amam-panao tsy afa-mivoatra intsony.

Tsy tsapan’izy ireo koa fa ny vahoaka kosa anefa dia efa niroso amin’ny fahamatorana ara-pôlitika.

Midika izany fa tsy maintsy tohizana hatrany ny ezaka hahamafy orina ny demokrasia, eny fa na dia any amin’ireo firenena efa ela niainana azy aza.


Elyett Rasendratsirofo (gazety taratra)
novalian'i fijo ny 30/11/2006 23:31
2. hery ( 29/11/2006 10:08)
7. Hangataka hiverina tsikelikely eo amin'ny fitondrana indray ry zareo (hiseho ho mpanohana Ravalo tampoka), satria sao dia ho very seza mandrakizay...

http://www.madagascar-tribune.com/index.php?JOURNAL=1070&ART=20859 fa efa misy miverina tsikelikely :-)

"Rehefa miverina andrasako ihany..."

3. gravy ( 29/11/2006 10:38)
:D aza mijanona ela loatra fa rehefa miverina tiako ihany :-D
4. ronaldo09 ( 29/11/2006 11:39)
Tena TIM ity hery ity marina!
5. besoiiin ( 29/11/2006 12:17)
ronaldo> in no blem??? samy manana ny fotokevitra hijoroany ny olona.... ary tsy voatery ho TIM daholo akory ny malagasy mahita miariary ny fiovana nentinizao fitondrana izao...

Hery> marina zany

Revirement à 180°

Grande surprise hier à l’Assemblée nationale. Ainsi, plus d’un ne s’attendaient pas au changement de langage du vice-président Jaosoa Jean Pascal qui a été auparavant dans le camp du député Jean Lahiniriko, actuellement candidat aux présidentielles du 3 décembre. Cet ancien PDS d’Antsiranana a été même parmi les quelques députés qui se sont battus becs et ongles pour le maintien du député de Betioky Sud au perchoir. Hier, le député Jaosoa Jean Pascal a brisé son mutisme. Pour cet élu de Sambava, il est plus facile de corriger les actions déjà entreprises pour atteindre l’objectif final que de détruire et reconstruire après. Par cette “révélation”, le député Jaosoa Jean Pascal a voulu inviter les Malgaches à soutenir les efforts déjà entrepris par le régime Ravalomanana. “J’invite le peuple malgache à opter pour la continuité en votant le 3 décembre prochain pour le candidat Marc Ravalomanana”, a-t-il lancé. Une manière pour Jaosoa Jean Pascal d’officialiser son retour au sein du TIM et d’annoncer sa rupture avec le candidat Jean Lahiniriko.

6. gege ( 29/11/2006 12:20)
Inona ny hamaritana izany? Aleo handeha ny fifidianana de izay manao ny tsy mety no fahavalom-pirenena? Mila valim-pifidiannana madio ny vahoaka. Tsy maintsy misy 2em tour io fa tsy misy mahazo @ 1er tour. Fahavalom-pirenena ny tsy mijery ny mahasoa ny firenena na iza io na iza na ny mpitondra fanjakana na ny mpanohitra.
7. besoiiin ( 29/11/2006 13:28)
gege> fa ahoana no tsy maintsy hisy 2nd tour??? 1° tour de vita :D
8. Lejim ( 29/11/2006 13:46)
besoiiin:

gege> fa ahoana no tsy maintsy hisy 2nd tour??? 1° tour de vita :D


Aza force-na razoky a! Dia raha tsy vita premier tour de haninona nareo? hi-grevy? Ianareo marina kay ilay mino fa tsy maty manota! :-D

Fa nareo hoy aho toa efa manomboka miady seza nefa tsy hay akory ny hapoakan'ny fifidianana. Mpisolelaka e, fahavalom-pirenena e, mpamadika palitao e, nefa samy mpanohana ao ihany. Misy raha la-terre! Miady antin-kena nareo nefa ny omby mbola tsy maty akory! hahah, mahazo daro eo vao gaga! :-D
9. besoiiin ( 29/11/2006 14:07)
lejim> iza razoky no manao forcing a:D, izaho milaza we 1 tr de vita sa ialahy isany milaza fa tsimaintsy hisy 2nd tour????? miheritrereta alou lalindalina koukou e vao mikôzy e, kely sisa dia tonga ny 3 dec fa aza taitra e, 1° tr io d vita rajim a... sa v ho forceningahy hisy 2nd tour??? :-D:-D:-D raha izany dia ingahy izany no mpanao forcing kouuuuuu, :-D:-D:-D ary ny momba ny mpamadika palitao sns ndray, tsy hitako izay ady seza @zany fa na ambouko na amboun'oul refa vandana d kary dôl, ary za razoky tsy mila seza a, madagasikara mandroso ny ahy no ilaiko,

1° TOUR de VITA E :-D:-D:-D:-D
10. Lejim ( 29/11/2006 15:10)
besoiin> Aza force-na premier tour rehefa tsy premier tour satria izay ihany no olana t@ 2001-2002. Iza no tsy mahatadidy an'iny!?
Elah no tsy mandinika, tsy misy saina, miteniteny fahatany.
lejim no anarako fa tsy rajim. Merci
11. besoiiin ( 29/11/2006 15:26)
lejim> aza mora misaute lesy ry akama aaaaa! tapaka lalankozatra eo fa tsiky dia ampy alouha, :D:D:D 1° tour less io d vita a, faly ela bon, tsy faly ela bon....
akoury mou atao fa izay ro izy kou
tsiky dia ampy lejim a:D:D:-*
12. Lejim ( 29/11/2006 16:42)
Hitan'la besoiin, tsy ahoako na lany premier tour Ravalomanana na tsia. Je m'en fou completement. Forcing foana no tsy tiako.
Ny filazana anakahy ho tsy mieritreritra lalina alohan'ny hiteny, sa me saute dia sa me chauffe aussi :lol: !
Ataovy amiko amin'ny manaraka dia mahafantatra ahy elah raha mihaona amiko eny amin'ny elankelan-trano! :lol:
13. Lalah ( 29/11/2006 17:10)
calm down! shuuuuuuuuuuuuuuut! 3 dec np valiny,
14. xxx ( 29/11/2006 17:51)
tena marina ihany ilay lazainy besoiiin hoe tsy dia misaina elah ry lejim ra izao famalianlah izao no jereko, ny olona miady hevitra eto dia ny anlah efa ny hiandry kendry tohana any anelakelan-trano sahady ny mahamaika anlah, sady ny zavatra lazainy hoe:>d ny valin-teninlah tonga dia hoe:> tonga dia hita hoe valy bontolo be mihitsy. Ampio marina aloha ny fisainana vao mamaly hevitra fa mandreraka be mamaky azy.
15. Lejim ( 29/11/2006 18:18)
Ary xxx ve matahotra ny ho voafelaka eny anelanelan-trano no miafina! hahah, tsy koi e.... lejim tsy mivaky lohan'izay xxx-kelin'la!
16. besoiiin ( 29/11/2006 18:18)
lejim> :D:D:D in mou lety no blem na olana raha mikôzy anla za we mieritrereta alou lalina vao miteny?? zany v lesy de hampisôt sy hampichauff??? calme iany wa. ela milaza amiko we manao forcing za milaza fa 1° tour de vita, izay no fijeriko ary logik amiko kou inona no forcing @ zany??? ialahy no tokony hieritreritra sy hisaina lalina araka ny teneniko satria mety ho ialahy no mpanao forcing we tsy maintsy hisy 2nd tour io. d raha tsy izay no miseho d aoana??:D:D sady tsy izany mintsy alou no hiseo e!
ho itanla eo @ 3 dec e, D any anelakelatrano zany tsika sy ela miaona e :-D:-D
17. Lejim ( 29/11/2006 18:20)
en plus, sangy ny ahy fa aty Amerika ve zah dia ahita olona any anelakelan-tranon'i Mada?!
Dia tsy misy idiran'i xxx akory ao anatin'izany. Fa izay miafina amiko hoy aho dia kontiko ho matahotra ahy! Tsy haiko akory hoe ahoana no matahotra ahy! :lol:
18. besoiiin ( 29/11/2006 18:25)
:D:D ato anelakelatranon'ny net lesy sika no miaona a lol
19. Lejim ( 29/11/2006 18:47)
Asio fifanajana fotsiny lesy dia mety ny fiainana
20. besoiiin ( 29/11/2006 19:05)
fa taiza ilay tsy nifanaja e tsy hitako, sa iza no tsy nanaja???:D:D fa ialahy ngah Andriamanitra ka tsy azo iadiana hevitra sy homena ny hitsiteny? ny fahalalako anla d olona misokatra, intelect ary mahitsy ialahy rehefa milaza zavatra, donc rehefa tratran'ny hitsitoraka kou ialahy d tokony hanana soupless sy hisaina alou we aiz no tianle oul ahatongavana @zany fa tsy tonga d hisauttt sy hichauffff. raha izany no atao akarary fo lejim an de eeeeee...
tsiky d ampy e! :D

fa zany eo iany fa hors sujet tsika...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1877