Manofy mandehandeha amin'ny alina, inona ny fanafodiny

1. xxx ( 27/11/2006 15:49)
Misy olona manofy mandeha amin'ny alina ary tsy mianjera izy na milatsaka an-kady fa mivoaka fotsiny. Ny masony mikipy kanefa izy mandeha.Rehefa avy nivezivezy teny izy dia miditra ny trano ary miverina matory, ny sasany miteniteny tsy fantatra indrindra raha mbola tsy matory ny tena, rehefa anontaniana izy dia tsy mamaly kay efa matory. Misy fianakaviana mitovy an'io ve ao aminareo, inona no atao fa toa hoe tsy azo tairina hono ilay manofy mandehandeha, soa ihany fa zazakely tsy manantsiny ka na efa lehibe aza izy dia mbola mandeha ihany fa raha tsy izany dia noheveiko ho taritin'ny ody mandeha amin'ny alina
2. zakony ( 28/11/2006 08:49)
rabofinay tena tompondaka erantany amin'ny fimenomenomana amin'ny alina. Izaho indraindray dia raiki-tahotra mihitsy fa izy dia mirediredy mafibe to amiantso vonjeo toa tsy fantatra zany, heno avy any an-tokotany mihitsy io an.
Izaho koa hono manao an'io hoy ny vadiko, rehefa reraka matetika dia miteniteny rehefa matory, ary azo iresahana kely mihitsy hono aho.

ny fanafodiny angamba dia ny tsy manao reraka, sao henon-drafotsy eo daholo ny tsiambaratelo:lol:
3. Kadoda ( 28/11/2006 12:25)
T@ za mpiandraikitra skoto de nisy ankizy notezaiko mihitsy manao an'io manonofy mandeha io fa efa nampiomanin'ny RAD aho de ambenana be @ alina. Dia nifoha tokoa ny anao vavikely (8ans) de andeha hamoha varavarana de taitra tampoka aho de notenenina mafy be ny anarany hoe: ee, ho aiza ise? de nitakerikerika be, de notenenina hoe andao matory fa aza mivoaka any de niverina natory ihany.
4. tslem ( 28/11/2006 19:29)
manofy mande aloh tsy haiko e! fa ny manofy miteny no tena mampmé, azo ampiresahina mitsy de tena mamaly anao izy an, mivôka eo daôly ny nafenina.zah miandry ny vadiko manofy miteny fôna ho ampiresahako:-D:-D:-D fa tena milay an.tsy iatadiavako fanafody kosa lou fa zarako aza e.=))=))=))=))mbô marina e!
5. xxx ( 29/11/2006 06:34)
Ny zokinay koa manofy miteny,zay mbola tsy matory fa miresaka dia miantso ny vadiny izy hoe mikisana fa mianjera aty anaty lavaka aho.Maninona a! hay izy eo amin\'ny sisin\'ilay fandriana saika nianjera.Matin\'ny fihomehezana izahay. Mbola kely koa zahay dia misanasana ny vavan\'ilay zokiko iray matory, nasian\'ilay zokiko iray naka rano sy siry aho dia nafangarony ilay izy,de nasiany rano tsikelikely tao am-bavany de tsetsafin\'i lery ilay rano nefa izy mbola matory a.
6. malalatinasoa ( 01/12/2006 08:09)
Zokinay koa misy fotoana manonofy dia mitsangana @ alina, fa tsy nahazo natory t@ superposee izy t@ mbola kely. Misy hatramin'ny famoaham-baravarana mihintsy fa tenenina fotsiny hoe ndana miverina matory dia hendry kely ery miverina eny am-pandriany.

Indraindray koa izy manonofy miteny rehefa ilay miasa saina be iny, fa tsy misy tadidiko rehefa maraina. Dia miresaka be mihintsy, fa tsy resahana izy. Misy miteny hoe mampahalasa adala hono ilay mampiresaka ny oul manonofy, tsy haiko ny fahamarinany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2086