Nofiko ho an'i tsimiandravola

1. majesty ( 21/11/2006 05:05)
Aleo mba hanofy kely aho androany,nofiko hoe lasa tahaka an'i tsimiandravola daholo ny olona rehetra eto an-tany,tsy misy mivavaka satria tsy misy Atra,samy afaka manao izay tiany atao satria tsy misy ratsy sy tsara,izay matanjaka no tompon'ny fahefana eo amin'ny fiaraha-monina (didin'ny be sandry),tsy fantatra hoe hanao inona eto an-tany dia ho aiza avy eo fa toa manjeninjeny fotsiny,ary raha mba te ahatakatra an'izany dia mijanona ho fanontaniana fotsiny izany satria hoe ny fiainana tsy misy mpamorona fa dia tongatonga ho azy teny.Soa ihany aho fa taitra tamin'ilay nofy ary toa nahazo aina tampoka satria tena nofy ratsy ilay niainako teo,aleoko ihany mijanona ho mpino na dia ny mba ahalalako fotsiny ihany izay hiafarana ao aorian'ny fahafatesana aza (na ho any amin'ny helo na any amin'ny paradisa)ka ahafahako misafidy malalaka ka hananako ihany koa fanantenana ny amin'izany.
Ary raha mba i tsimiandravola ndray kosa no mba miova ho mpino,hafaliana tsy roa aman-tany ny eto amin'ny serasera :-*
novalian'i prime ny 04/12/2006 10:55
2. naritsimba ( 21/11/2006 05:31)
majesty> iza ilay tsimiandravola letsy?
3. Fiffi ( 21/11/2006 05:47)
majesty: andaoa akia iharahana hivavahana mba miova mpino izy an! de tsy hanofy ratsy intsony ndry...:-*
4. mpanota ( 21/11/2006 07:09)
Misy koa angamba izay fiteny ray izay hoe : "vavaka arahan'asa" raha ny tenako manokana mantsy no maheno hoe fivavahana na koa fiangonana dia efa fiatsaram-belatsihy ; fanakonana ny atao ; fitaovana politika ; amin'ny maha "DOGME" ny fivavahana dia toy lasa fitaovana famehezan'olona sy fitsetsefana ary fitadiavam-bola fotsiny ny fivavahana ; ary saika mampisaraka vazan'olona koa aza noho ny hamaroany ary hain'ireo mpivavaka ireo koa ny manavaka sy mitsara izay , zany hoe raha vao tsy miaraka aminy dia ho fahavalony raha vao tsy ao amin'ny fiangonany dia lazainy fa manaraka fivavahan-diso na manompo satana ......
Mnanahy aho fany milaza ho mpivavaka ihany no maha tonga ity fahamaroan'ny ATHEISME ity
Eny eh misy tenindrazan-tsika izay manao hoe "ny lainga mahavita herinandro , fa tsy mahavita taona "
Raha raisintsika ho toy ny lainga daholo angamba ireo hevirina fa fahotana rehetra mino kosa ny tenako fa tsy haharitra izany fanjakan'ny baroho izany
"Toy ny volamena latsaka am-bovoka ny marina ka tsy avelan'ny hasiny tsy hamiratra "
5. LazaDaddy ( 21/11/2006 10:19)
mpanota:
zany hoe raha vao tsy miaraka aminy dia ho fahavalony
Misy fahamarinany tokoa!

mpanota:
Mnanahy aho fany milaza ho mpivavaka ihany no maha tonga ity fahamaroan'ny ATHEISME ity
Misy fahamarinany tokoa!
6. jentilisa ( 21/11/2006 14:30)
Manana andriamanitra anie i tsimiandravola fa ny an'ny kristiana no tsy ekeny ho misy fa noforonina fotsiny e!
7. Fiffi ( 21/11/2006 15:12)
ka tokony hitandrina izy @ zany fa manjary mampanofy ratsy ny olona !
8. cutie ( 21/11/2006 17:33)
Mpandefa : mpanota [ Valio ] 21-11-2006 08:09:58
Lohateny : Re : Nofiko ho an'i tsimiandravola
Misy koa angamba izay fiteny ray izay hoe : "vavaka arahan'asa" raha ny tenako manokana mantsy no maheno hoe fivavahana na koa fiangonana dia efa fiatsaram-belatsihy ; fanakonana ny atao ; fitaovana politika ; amin'ny maha "DOGME" ny fivavahana dia toy lasa fitaovana famehezan'olona sy fitsetsefana ary fitadiavam-bola fotsiny ny fivavahana ; ary saika mampisaraka vazan'olona koa aza noho ny hamaroany ary hain'ireo mpivavaka ireo koa ny manavaka sy mitsara izay , zany hoe raha vao tsy miaraka aminy dia ho fahavalony raha vao tsy ao amin'ny fiangonany dia lazainy fa manaraka fivavahan-diso na manompo satana ......
Mnanahy aho fany milaza ho mpivavaka ihany no maha tonga ity fahamaroan'ny ATHEISME ity
Eny eh misy tenindrazan-tsika izay manao hoe "ny lainga mahavita herinandro , fa tsy mahavita taona "
Raha raisintsika ho toy ny lainga daholo angamba ireo hevirina fa fahotana rehetra mino kosa ny tenako fa tsy haharitra izany fanjakan'ny baroho izany
"Toy ny volamena latsaka am-bovoka ny marina ka tsy avelan'ny hasiny tsy hamiratra

miombon-kevitra :)
9. rakaroka ( 21/11/2006 17:46)
Nisy olona izay nilaza fa izy no mahery nihazakazaka indrindra au monde. Nony nalefa tao amin'ny compétition mondiale izy: hay gisitra!
Ao amin'ny baiboly tamin'ny andro taloha dia nisy toa izany mihitsy teo amin'ny test hoe iza ary no tena mandaitra ny fivavahana?... Asa valable amin'ny sehatry ny fiainana iainantsika izao ihany angamba izany. Na ny kristiana na ny tsy kristiana dia samy milaza fa manana ny herehiny "fiable" , donk tsy ahiana ny hafa. Ihatra iray hafa ity i Tom sy i Katie vao nivady tsy ela ao amin'ny Scientologie:
manana ny doctrine-ny miaraka amin'ny "éfficacité" et réussite de la vie araka izay hiheverany azy rizareo: Ny "ignorance" ezahina ovaina ho connaissance. Ny misère ho vrai bonheur sns... ary
artiste sy olona manana ny mahaizy azy maro izay idolen'ny maro ankehitriny no mifampita ao.
Ny finoana toa karazana maitrise de soi anaty hipaka
amin'ny fifandraisana ilay Mpamorona.
10. sonwin ( 21/11/2006 17:47)
Majesty> nofy tsara indray leisy tantaraina amin manaraka kle 8)
11. tsimiandravola ( 21/11/2006 23:19)
majesty:

....nofiko hoe lasa tahaka an\'i tsimiandravola daholo ny olona rehetra eto an-tany,tsy misy mivavaka satria tsy misy Atra,samy afaka manao izay tiany atao satria tsy misy ratsy sy tsara,izay matanjaka no tompon\'ny fahefana eo amin\'ny fiaraha-monina (didin\'ny be sandry),tsy fantatra hoe hanao inona eto an-tany dia ho aiza avy eo fa toa manjeninjeny fotsiny,ary raha mba te ahatakatra an\'izany dia mijanona ho fanontaniana fotsiny izany satria hoe ny fiainana tsy misy mpamorona fa dia tongatonga ho azy teny.Soa ihany aho fa taitra tamin\'ilay nofy ary toa nahazo aina tampoka satria tena nofy ratsy ilay niainako teo,aleoko ihany mijanona ho mpino na dia ny mba ahalalako fotsiny ihany izay hiafarana ao aorian\'ny fahafatesana aza (na ho any amin\'ny helo na any amin\'ny paradisa)ka ahafahako misafidy malalaka ka hananako ihany koa fanantenana ny amin\'izany.
Ary raha mba i tsimiandravola ndray kosa no mba miova ho mpino,hafaliana tsy roa aman-tany ny eto amin\'ny serasera :-*

Tena isaorako an\'i Majesty mihitsy ity sosan-kevitra iray ity fa tena mivoitra tsara mihitsy.Ela ihany no niandrasako fintin-javatra toy izay fa izao vao tena feno tanteraka ilay izy.

Tsy manofy mihitsy ny mpamaky an\'i Majesty,fa mahita maso ny voasoratra ary MIVANDRAVANDRA mihitsy ny hevitra feheziny.

Izao tokoa no mahatonga ny maro hifantoka amin\'ny finoana an\'izay andriamanitra notoriana taminy na ny eritreretiny ho tena izy.Amin\'izany finoana izany sy amin\'io andriamanitra io no apetrany ny \"moralité\" sy ny \"justice\" rehetra no apetrany.Ny olona namorona an\'io fivavahana io rahateo dia nampifantoka an\'izay eritreretiny rehetra ho tsara sy mendrika tamin\'ny andriamaniny.Eo,araka ny efa nolazaiko no nahatonga ny monopole de la vertu ho lasan\'i andriamanitra io(tsy rariny izany ,toa an\'i Bill Gates mikasika ny Microsoft =abus de position dominante).Hany ka lasa obligatoire ilay andriamanitra ,ary lasa intolérant ny ankabeazan\'ny mpino azy.Io ilay nahatonga an\'ilay hoe rehefa tsy momba azy ianao dia fahavalony,rehefa tsy tsara dia ratsy,rehefa tsy any amin\'ny paradisa ianao dia any amin\'ny afobe,rehefa tsy io andriamanitra io no inoanao dia satana ianao izay,diabolika,tsy misy morale (io rahateo no votoatinkevitr\'ilay nofin\'i Majesty),

Raha tsy eo io andriamanitra io mba ho \"fiaro\",ho \"tehina\" dia maro no raraka sy tafintohina ary mety ho rendrika satria ny \"morale\" rehetra miankina amin\'ny fisiany daholo.Amin\'ny olona toa an\'i Majesty ohatra,raha vao persuadé izy fa tsy misy andriamanitra,na fika be fotsiny izany hoe Jesoa izany,dia atahorana mihitsy ny \"hamaizan\'ny tanàna\".Ary tsy vitan\'ny \"fahalalahana\" toy ny nampiasaiko amin\'ny naha afa-jioga ahy ka nahatonga ahy nandefa \"ompa\" ,fa tena tsy fisian\'ny \"moralité\" mihitsy.Ka izay no loharanon\'ny \"angoisse\" ho an\'ny mpino.

Ka inona ary no tediaviko?Tsy dia ny hoe hahafoana tanteraka ary tampoka ny finoana an\'io andriamanitra io akory no tediaviko,fa ny hisian\'ny fiovana tsikelikely.Mazava loatra izany fa manomboka amin\'ny olona ataoko hoe nandranto fahalalana,mety hahazava saina,hikatsaka,handalina,ho lojika,rationnel,raisonnable fa tsy ho jamba lavitra noho ireo tsy nahita faravodilanitra hafa nohon\'ny sahan\'i Tsimiandravola (=tanana kely akaikin\'ny lac de Tsiazompaniry dont l\'horizon se résume aux sommets de quelques montagnes).

Inona nefa no tsapako?.Ireo olona manana internet miara-mitafa amin\'ny tena (à priori ,manankatao sy manampahaizana) dia mampiseho ,ary mitarika mihitsy aza ny hisitrihana any amin\'ny obscurantisme mystique...

De tsy menatra ve lesy éla isany?Tsimiandravola kely \"niboaka\" avy ary andavak\'i Tsiazompaniry indray no mahatsapa alohan\'ialahy isany hoe i Neil Asher sy Finkelstein (la bible dévoilée) sy ry Luigi Cascioli (la fable de Christ) no manana ny fahamarinana.(Tsy lazaiko akory ny Da vinci Code izay boky teny tsara fanahy amin\'ny kristianna).
12. majesty ( 22/11/2006 04:32)
Ny olana dia izao,rehefa ao anatin'ny fahasahiranana sy ny fahoriana matetika ny mpino dia tena ilaina sy katsahina mihitsy ilay Atra ka mahatonga ny hira sasany hitalaho hoe "AIZA NO MISY ANAO RY JESO".Fa rehefa injay kosa fa mihiratra ny fiainana,fa mivelatra amin'ny lafiny rehetra,lavitry ny olana sy ny fahaverezan-kevitra ary nandranto fianarana ka nahita fahalalana dia adino ilay Atra ary toherina mihitsy aza ny fisiany indraindray.
Teny atsipy ao ampon'ny manam-panahy izany!
13. Fiffi ( 22/11/2006 06:48)
majesty:

Teny atsipy ao ampon'ny manam-panahy izany!
^:^^:^=D=D=D


14. tsimiandravola ( 22/11/2006 08:02)
majesty:

Ny olana dia izao,rehefa ao anatin'ny fahasahiranana sy ny fahoriana matetika ny mpino dia tena ilaina sy katsahina mihitsy ilay Atra ka mahatonga ny hira sasany hitalaho hoe "AIZA NO MISY ANAO RY JESO".Fa rehefa injay kosa fa mihiratra ny fiainana,fa mivelatra amin'ny lafiny rehetra,lavitry ny olana sy ny fahaverezan-kevitra ary nandranto fianarana ka nahita fahalalana dia adino ilay Atra ary toherina mihitsy aza ny fisiany indraindray.
Teny atsipy ao ampon'ny manam-panahy izany!
MARINA dia marina tokoa izany ,ary miaiky an'izany daholo ny olona,ary izany indrindra indrindra no ananan-kavana sy ananana mpiray tanindrazana ahafahana mifampijery sy mifampiriharia sy mifanohana.Izany ihany koa no ilàna ny hananana "principe" ,izany hoe ilàna ny ananana koa "philosophie" na "cosmologie valable",izany no antony mahatsara ny hiverenantsika amin'ny fitahian'ny razantsika rehefa avy nohatsaraina izany hifanaraka amin'ny toetr'andro ary koa voadio amin'ny "obscurantisme" isan-karazany.(Adidiko 'zaho sy ianao ,saingy matetika ianao dia manaraby,mandatsa,manilika satria ny kristianisma izay natelinao no nahatonga izany)

Efa imbetsaka mihitsy aho no naheno avy amin'ny kristianna ,témoignage milaza fa nanao azy ho akany i Ranona na i Ranona tamin'ny tsy finoana (athéisme),fa nony tonga ny farany dia niaiky ihany izy (teo ampialana aina) fa misy andriamanitra.Ohatra reko tamin'izany dia prof de philo iray izay (tsy tadidiko ny anarany,Badeda angamba),nalàza ho athée mihitsy fa nibaboka ihany HONO.

Fanamarihana:
-Na marina sy ekena aza ny toe-javatra voalazan'i Majesty etsy ambony,dia tsy manaporofo mihitsy izany fa i Jesoa na i Jehova no Andriamanitra tena izy.Tsy mampisy ny tsy misy mihitsy ny fisarangotana amin'ny tsy misy amin'ny fotoan-tsarotra.Sady tsy misy afa-manaporofo fa nampiova zavatra ho an'ilay tra-boina izany fisarangotana izany.
-Ny tenako manokana dia efa nolazaiko teto fa tsy afa mandà ny fisiana ,na manaporofo ny tsy fisian'andriamanitra.Ny fantatro sy haiko porofoina fotsiny (satria aho tsy voafefin'ny finoana) dia ny tsy fisian'i Jehova sy Jesoa.Na izany aza nefa dia misy fifanojoan-javatra betsaka tokoa ao amin'ny Agnostique sy ny Athéiste (presque les mêmes discours)
-Hanisy sosankevitra kely etsy ambony aho momba ny zanahary


15. prime ( 22/11/2006 14:24)
Misy olona iray izay miteny hoe : "la réalité est plus cruelle que la fiction"...

majesty> hafakely izany nofy izany an...:wink:
16. Fiffi ( 22/11/2006 21:15)
tsimiandravola:
-Na marina sy ekena aza ny toe-javatra voalazan'i Majesty etsy ambony,dia tsy manaporofo mihitsy izany fa i Jesoa na i Jehova no Andriamanitra tena izy.
Andriamanitra de Ray , ary Jesoa de zanany lahy tokana Tompontsika.


17. majesty ( 23/11/2006 13:36)
Prime:tsy nofy ririnina io an:D
18. Fiffi ( 23/11/2006 16:48)
:-D:-D normale satria tsy ririny any zao an ! :-D:-D:-D
19. ravatorano ( 24/11/2006 08:02)
majesty
20. prime ( 24/11/2006 09:14)
:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5547