Fa hono ho'ah ry namana??

1. kolokanto ( 19/11/2006 21:25)
Tena gaga sy variana aho ry namana isany tato nahita fa hay mbola misy Malagasy mihevitra sy ohatran'ny mirehareha mihitsy aza hoe tena mbola zana-tany frantsay ny Malagasy!! Tao amin'ny lohahevitra iray tato no nahitako an'izay!!
Any Afrika atsimo dia teny anglisy no teny ampiasaina ary ry zareo zana-tany anglisy fa tsy Frantsay isika gasy teny Frantsay no ilina sy ampiasaina satria isika zana-tany Frantsay

Tsy hanonona anarana aho fa io no nolazaina!!
Fanontaniako ianareo ve mbola mieritreritra hoe zana-tany frantsay?????:?::?::?:
novalian'i kitjo ny 20/11/2006 16:30
2. fasaly ( 19/11/2006 22:04)
:roll::roll::roll::roll::roll::roll::roll: i raika lahy kely iry njay zao no nanoratra io:-D:-D:-D
3. vale ( 19/11/2006 22:14)
ihihihihihihi
4. bazylou ( 19/11/2006 22:20)
tsy zanatany frantsay ara taratasy fa ara toe-karena sy ara toe-tsaina ary ara-drafitra!!
5. zandikely ( 19/11/2006 22:30)
Ny filazana hoe zanatany aza dia efa feno fanambaniana be, zavanisy izany tsy azo kosehina fa tsy tokony hisy sahy hirehareha ho zanatany Frantsay izany raha olona misaina sy mihevitra ny zavatra fonosin'izany teny hoe (ZANATANY IZANY FOTSINY)
6. zandikely ( 20/11/2006 03:28)
Zaho indray tsy mihevitra hoe ho vahaolana ny ataon'i Général FIDY. Zaho kosa na izany tsy mametraka an'i MARC RAVALOMANANA ho filoha ilealy.
Maro ny zavatra tsy mety ataony, hita ihany koa ny tsy fahaizany amin'ny zavatra maro....
Ny Mampalahelo dia mbola tsy mahita izay kandida mendrika ny taonjato faha 21 i Madagsacar.
7. zandikely ( 20/11/2006 04:10)
I'm stupid man! I'm really sorry!:oops:

Tsy tokony teto io famalin-kevitra io fa tokony tamina lohahevitra hafa
8. fens ( 20/11/2006 05:03)
:?:
9. Fiffi ( 20/11/2006 06:26)
fens: lasa tato ny valiny saika nataony tao @ politika !
10. Fiffi ( 20/11/2006 06:26)
heu...tsy politika fa dinika hafa :oops::-D
11. herinirina ( 20/11/2006 08:00)
Fiffi:

heu...tsy politika fa dinika hafa :oops::-D

:?:Azo fantarina ve hoe inona le resaka hafa!?Sao de mba!!!!!!!????????????Mthn ihany e!Mba valio anie raha azo atao!STP:P:P:P:?::?::?:

12. xxx ( 20/11/2006 08:44)
nenà nrday lou tsy dia tiako le vehivavy mitsolatsolana ireny e:evil:
13. xxx ( 20/11/2006 08:45)
oay diso koa zah fa hay tokony tsy nanoratra mihitsy androany!!
14. vale ( 20/11/2006 09:20)
:lol::-D:-D
15. SNAR ( 20/11/2006 15:58)
I Madagasikara dia efa mahaleotena raha ny tena marina, fa fiaraha-miasa no atao miaraka @ firenena vahiny. Fa ny toe-tsaitsika Malagasy sasany no mbola voangeja, tsy fantatro hoe aiza no hametrahana azy, fa mihevitra hoe tsy ambony raha tsy miteny vazaha. Menatra raha miteny Malagasy, satria ambany, nefa izy Malagasy Ray sy Reny. Miala eto M/car kely heritaona dia efa tsy miteny Malagasy intsony fa hoe hadino hono. Misy izany an. Ny zanaka Malagasy teraka any andafy tsy mahay miteny Malagasy aza efa tsy fidiny, koa ny mipetraka eto @ antoerana indray no miteny vahiny. Mampalahelo. Mati-kambo sy fanambanian-tsaina no betsaka, ny any tena tsy tiana noho ny any hafa.
16. kitjo ( 20/11/2006 16:30)
Ireny ilay menatra ny mahagasy azy ry kolokanto an!

hany ka tsy misy afatsy ratsy raha anontaniana "adjective" momba an'i Madagasikara sy ny Malagasy!

Mbola tena voazanaka mihitsy ka izay anefa no mampirehareha azy fa ngamba izy amzay mba ataon'ny olona hoe vazaha

sady amiko aloha: Teny frantsay ve no andeha hireharehana? hihihihihihihihi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.049