Ny tontolonay ankizy

1. anihat1 ( 19/11/2006 19:46)
Raha mba misy manana an'io hira io anie azafady e. (Mireille)...
Misaotra mialoha
novalian'i lanto ny 28/11/2006 09:31
2. cutie ( 20/11/2006 12:36)
Zany ny tontolonay
Izao tontolo izao
Mba ho anay ankizy zany
Ka ho sambatra ianao

Mba renao ve izany hira zany
Mba azonao ve izany antso izany
Ny fahatsaram-pony
Ny haizina tsy hisy intsony
Zay nanaovany ny tontolony

Mba renao ve izany hira zany
Mba azonao ve izany antso izany
Ny tanany hifandray
Ny fo hitempo iray
Zay nananany ka ventesiny

Raha ny tontolonay
Izao tontolo izao
Mba ho anay ankizy zany
Ka ho sambatra ianao

3. lanto ( 24/11/2006 20:01)
Ohatry ny tsy d mety izany ry cutie :)

ref :

Raha ny tontolonay
Izao tontolo izao
Dia mino izahay
Fa ho sambatra ianao

Fa ny tontolonay
Tsy izao tontolo izao
Fa anay ankizy izany
Hafa fa tsy toy izao

Mba renao izany hira izany ?
Mba azonao ve izany antso izany ?
Ny fahatsorampony
Ny ady tsy hisy intsony
Izay no anaovany ny tontolony

ref

Ny lolompo tsy mba ananany
Ny famonoana tsy mba fantany
Ny tany hifandray
Ny fo hitempo ho iray
Dia izay no hirany ka ventesiny

Efa ela koa ka mety misy diso.
4. cutie ( 26/11/2006 02:50)
ndraso njay averina henoina :lol:
5. lanto ( 26/11/2006 21:00)
io an'i cutie io marina no ihiran'ny pazzapa azy, ohatry ny niova be. Te haheno le an'i mireille zah fa tsy mahita.
6. cutie ( 26/11/2006 21:01)
vo henoko mitsy izy teo :lol:
Ny lolompo tsy mba ananany
Ny famonoana tsy mba fantany
Ny tany hifandray
Ny fo hitempo ho iray
Dia izay no hirany ka ventesiny

io tsy nirain-dry zareo :lol:
7. lanto ( 27/11/2006 07:57)
sady mifamadibadika be :)
8. lanto ( 27/11/2006 07:57)
tsika roa sisa no ankizy ato :lol:
9. cutie ( 27/11/2006 13:57)
ka le nitady an'le hira koa aza tsy hita nefa tsika efa nisahirana :lol:
10. lanto ( 28/11/2006 09:31)
hita akia ! hihihihi eritreritra sendra nandalo ny azy :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0516