Ny fibebahana miaraka.

21. Imahaka ( 20/11/2006 10:15)
LazaDaddy:

Fiffi> ... te hibebaka dia mino aho fa tsy ho menatra izy ny hizara an'izany @ ny manodidina azy.



'zarazarao aza ny helokao ry DaddyLaza ho hitan'ny be sy ny maro an
22. LazaDaddy ( 20/11/2006 10:28)
Fiffi> tena zaraiko eo anatrehan'ny "ondry fahanako" mihitsy ny ahy rehefa torotoro ny foko.

Toy ny ray aman-dreny miaiky ny fahadisoany eo anatrehan'ny zanany ihany io. Ny ray aman-dreny toy ireny dia mitaiza ny zanany amim-pahamendrehana. Fa ny ray aman-dreny sasany mantsy miziriziry tsy mety manaiky diso ohatran'ny prof eny ankatso mihitsy dia miteraka "atmosphere" manapoizina ilay tokan-trano sy ny taranany.
23. LazaDaddy ( 20/11/2006 10:49)
miala tsiny fa ho an'Imahaka io farany io fa tsy i Fiffi akory :)
24. cutie ( 20/11/2006 11:57)
fiffi, mbola tsy novalian-jy ny fanontaniako :cry:
25. Fiffi ( 20/11/2006 12:40)
LazaDaddy:
Ny ray aman-dreny toy ireny dia mitaiza ny zanany amim-pahamendrehana.
zao ary an ! ary raha jerena kely ny handraikitrin'ny Rad sy ny handraikitrin'ny pretra ? diniho kely io....


26. Fiffi ( 20/11/2006 12:45)
cutie:
Tena tsy azoko mitsy alou le izy ry fiffi , samy manoratra ao anatin'ny le ttsy ny helony ve ny oul tsirairay?
TSIA ! efa misy ttsy hoa zay efa voasoratra ao daholo izay mety heloka possible hoe mitvovy ary hiharahana nanao ! (ohatra hoe : heloka ny fahazarana fotsiny ny fandehanana any am-piangonana satria matahotra an'le hoe i anona toa tsy tonga niangona..?) de alohan'ny fanaovan'le pretra ny famelan-koloka de miteny izy ohatra hoe " manaiky ve ianareo fa nanao fahadisoana ? de miara-mamaly hoe "manaiky aho" ....



27. cutie ( 20/11/2006 12:49)
fiffi ah ok
hafahafa koa zany :roll::roll::roll:
Ny efa nataoko ndray manko , samy manoratra ny helony ao anatin'ny ttsy ny oul tsirairay , de angonina de omena an'le pasitera ny ttsy rehetra, de dorany eo imasonay eo daholo le ttsy , fa tsy vakiany a :wink::wink::wink::wink:
28. kelly13 ( 20/11/2006 13:43)
Mandefitra:

Fa ra vavaka direct any @ Ray ve tsy mety fa tsy maintsy miandry pretra?Ifony @ Andriamanitra ny fahotanao rehetra,ary refa mibebaka de tena miala @ zay ratsy natao fa tsy iverenana intsony.

za kou d izay no hevitro! fa maninona no ande ho teneniko @ mopera ny fahotako? ôtran'ny hoe tsy maiintsy mandalo sivana v vao afaka miresaka @ Atra?

29. cutie ( 20/11/2006 13:45)
kelly
zay ny an'ny katolika ka :lol:
30. dailynews ( 20/11/2006 15:30)
raha ny fahitako azy dia tsara ary tokony hampirisihina ny olona raha hifona amin Atra isanandro, raha ho ahy manokana dia tsara raha tsy mitondra ota any ampandriana...izany hoe alohan ny hatory, na raha vao avy manao ilay fahotana iny tonga dia mifona( izay no tsara indrindra saingy indraindray ilay etat te hibebaka mbola tsy ao amin iny fotoana iny satria tsy manana ilay fo torotoro raha tsy efa mandinintena amin ny alina iny hoe ..hmmm..inona indray no nataoko androany sns...

koa raha toa aho ka hiantehitra amin ilay daholobe manao azy amin ny andro krisimasy dia hoy aho hoe....ela loatra raha izany ... raha tena torotoro moa ilay fo maninona tokoa, saingy ny hitako tsininy kely fotsiny dia mila ampirisihina izany ireo olona ireo handinintena isanandro mihitsy.

ilay resaka hoe miteny ny fahotany amin ny olona hafa tahaka ny pretra eto... dia tsy hitako izay olana aminy, izao kosa anefa. io olona io dia tokony hahafanatra ihany koa fa tsy ho voatery hisy io pretra io @ fangatahany fifonana satria afaka ihany koa izy manana acces direct any amin 'Atra.
ny pretra izany eto amiko dia afaka asolo olonkafa izay mpino hilazanao hoe inona ny zavatra nataonao tsy mety dia miara mivavaka aminao, fa tsy hoe tsy maintsy mandalo aminy ilay izy.

ny vavaka rehetra ho any amin Atra dia mila mandalo amin i Jesoa izay no fantatro. "tsy misy mankany ami ny Ray hoy Izy raha tsy @ alalako" sns... mbola misy TA any milaza izany fa tsy hanao recherche momba io aho raha tsy hoe misy mitady angaha.

ilay vavaka atao izany na fifonana, na fangahataha, na fiderana, na fangatahana fahamasinana, fangatahana izay ilaina amin ny fiainana na fifonana ho an ny hafa, andavanadro, fisaorana... dia faranana amin ny hoe amin ny anaran i Jesoa no hanaovako izany vavaka izany. dia izay ilay acces amin Atra ...efa nomeny mazava io donc..tsy mila mitady olonahafa intsony aho hoe hanampy ahy hanao izany.
31. Fiffi ( 20/11/2006 15:40)
dailynews:
koa raha toa aho ka hiantehitra amin ilay daholobe manao azy amin ny andro krisimasy dia hoy aho hoe....ela loatra raha izany ... raha tena torotoro moa ilay fo maninona tokoa,
heu.....tsy hoe isakin'ny krismasy hiany vao misy an'io an ! fa misy ohatra alohan'ny Paska koh sy andro hafa koh ! saingy rehefa ho avy zao ny Noely zay vao tena feno be ny fiangonana hanaovana an'io fibebahana io .


32. dailynews ( 20/11/2006 15:45)
tsara izany kah, maninona moa...fa ny tiako lazaina dia ireo olona ireo tokony ampirisihina hanao izany isanandro mihitsy fa tsy miandry fotoana tahaka izany. dia anefa ve vonona ny hifanena isanandro ry zareo.....angamba tsia ny valiny..donc mila manana fotoana manokana ihany koa izy isanandro ho azy manokana sy Atra ao amin ny mangingina ary afaka mifona manokana aminy ihany koa izy mandritra izany.

33. dailynews ( 20/11/2006 15:50)
eny e, tsara ireo ho an ny olona izay tsy miditra ampiangonana mihitsy raha tsy krisimasy sy andro pasaka sns...fa mila ampahafantarina azy ihany rehefa avy eo fa tsy ny andro tahaka ireo ihany ny Tompo no miandry azy hifona fa isanandro Izy dia miandry azy ireo hiresaka Aminy.

34. LazaDaddy ( 20/11/2006 20:23)
Fiffi:
zao ary an ! ary raha jerena kely ny handraikitrin'ny Rad sy ny handraikitrin'ny pretra ? diniho kely io....
Ny "pretra" angaha milaza ny fibebahany @ mpiangona? hahaha! Mba mieritrereta ihany vao manoratra fa aza entenin'ny tanana te hanoratsoratra. :wink:

1) Ny fibebahana raha tiana zaraina noho ilay fo torotoro dia toy ny fijoroana vavolombelona fa tsy atao resaka an-jorony @ "pretra".

2) Andriamanitra irery ihany no azo anaovana "resaka an-jorony" ny fibebahana satria Izy no ibebahana.

3) Ny filazana fa "heloka iombonana" dia hakanosana tanteraka toy ny mihafinafina ao anatin'ny "daholobe".
35. cutie ( 21/11/2006 00:00)
mba niombon-kevitra t@ LD za t@ iny :lol:
36. soanja ( 21/11/2006 00:15)
Misy fomba isan-karazany ataon'ny olona miresaka amin'Andriamanitra, midera, misaotra ary mangataka fibebehana sns ; ao ny miaraka dia samy miteny izay ao anatin'ny fony eo sady mitabataba, ao ny miaraka tambambe ihany fa samy manao toram-po mangina eo, ao ny miaramiredona, ao ny irery sns . Tsy misy maharatsy azy izany ,ny zavadehibe dia mahatsapa ianao fa nanota ka diso ary vonona HIOVA ka tsy hamerina intsony. Mitandrina amin'ny manaraka mba tsy ho tratra intsony sns. Eo koa moa ny manao asa fivalozana izay tsy misy maharatsy azy koa. Ny zavadehibe dia ny FIOVANA ao anaty ary mahatsapa fa nihaino anoa Andriamanitra.
37. Fiffi ( 21/11/2006 06:03)
LazaDaddy:
Mba mieritrereta ihany vao manoratra fa aza entenin'ny tanana te hanoratsoratra. :wink:
satria ve tsy mitovy @ hevitrao de ho lasa zao ? Tadidio tsara fa raha nanoratra an'io aho de efa voaheritreritra tsara io !

soanja: marina akia ny andry an ! na hoe miaraka mibebaka aza , moa ve tsy ny fo hiany no mitondra an'io ary nahatsapa fa nanota ka nahatonga ny fangataham-pamelana ?


38. Zina ( 21/11/2006 16:00)
ny ahy dia mi-baser amin'ny baiboly ihany tsy miala ao mihitsy aho, ka izay lazain'ny baiboly dia hinoko.

Fiffi ity misy toko sy andininy izay miseho tsara mihitsy fa Andriamanitra/Jesosy ihany na mamela antsika @ ny fahotan-tsika.
Lioka 5: 20 - 23

5.20
Voyant leur foi, Jésus dit: Homme, tes péchés te sont pardonnés.
5.21
Les scribes et les pharisiens se mirent à raisonner et à dire: Qui est celui-ci, qui profère des blasphèmes? Qui peut pardonner les péchés, si ce n'est Dieu seul? 5.22
Jésus, connaissant leurs pensées, prit la parole et leur dit: Quelles pensées avez-vous dans vos coeurs?
5.23
Lequel est le plus aisé, de dire: Tes péchés te sont pardonnés, ou de dire: Lève-toi, et marche?

Ambava homana am-po mieritreritra.
39. xxx ( 21/11/2006 16:49)
Ny azoko ambara, amin'ny fiarahana mibebaka dia "fandinihana ny fieritreretana" no atao aloha (tsy tadidiko raha izay no anarany amin'ny teny gasy :oops: ). Ilana ny fitaritan'ny Pretra io, na olona nandalina kokoa, na boky mirakitra fanazavana ... Ohatra mivaingana , tsy fantatsika eto akory matetika ny dikan'ny hoe "mijangajanga", na ny dikan'ny hoe "mandainga". Rehefa manao inona aho no mijangajanga, na rehefa manao inona aho no mandainga. Mila ampahafantarina antsika izany satria tsy afaka tena mibebaka isika raha tsy fantatsika akory hoe meloka. Misy fanontaniana maromaro amin'io hoe ho an'ny mpianatra, ho an'ny mpivarotra, ho an'ny RAD, ... Mazava ho azy, afaka ataonao irery io, ary tena tokony atao matetika fa rehefa hoe misy fiaraha-mibebaka dia afaka atao miaraka koa.

---

Mikasika ny Pretra sy ny fibebahana dia sarotra ny miresaka raha tsy mahafantatra tsara fa mahafantapantatra fotsiny ny tena fampianaran'ny fiangonana Katolika sy ny baiboly. Inoako marimarina fa ny miresaka eto dia misy tsy mahalala akory ny fotony, na manadino hoe "Sakramenta" izany ho an'ny Katolika ;avy eo ny mahalala izany, mety tsy mahalala hoe inona tokoa moa ny atao hoe "Sakramenta" ho an'ny Katolika.
40. Fiffi ( 21/11/2006 17:05)
xxx:
Inoako marimarina fa ny miresaka eto dia misy tsy mahalala akory ny fotony, na manadino hoe "Sakramenta"
heu....mba misy mahafantatra kosa kah ! :) mety hoe tsy tena mahafantatra lalina de lalina fa misy fantatra hiany angamba eh ? Momba ny "Sakramenta" aloha de efa mba nianarako hiany saingy.....na izany aza misy hiany ny tsy azo .


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0078