Te hitera-dahy.

1. Bakobako2 ( 17/11/2006 18:19)
Betsaka zany ny resaka henoko hoe raha te hitera dahy de izao sy izao misy zany ny mitombona sy azo arahina fa misy ko moa mazava ho azy ny finoanoa pôna , ka nareo ve ry reto mba mahalala ny recette marina am ty resaka vavy sy lahy ty ,
Misaotra mialoha am soso kevitra , vavy ny zanako voalohany tsy manaiky tsony Dada hoe mbola vavy ndray ny manaraka , ka refa zay moa haninona eo izy fa mba faniriana ny anay.
Misaotra antsika e.
novalian'i Bakobako2 ny 26/11/2006 08:22
2. unjila ( 17/11/2006 19:02)
hum za tsy mahay fa mba te halala ,de za te hiteraka kambana
3. Fiffi ( 17/11/2006 19:05)
Bakobako2:
vavy ny zanako voalohany tsy manaiky tsony Dada hoe mbola vavy ndray ny manaraka , ka refa zay moa haninona eo izy fa mba faniriana ny anay.
ka rehefa ho vavy moa no tonga eo de ahoana ? de tsy ho tiany ve ? fa tsy manaiky ahoana ? isaorana an'Andriamanitra zay fahasoavana omeny .
Zah aloha tsy mahafantatra fa efa nisy dinika momba an'io teto fa tsy aiko hoe aiza le izy zao ?


4. unjila ( 17/11/2006 19:06)
mba tedavo moa ry fiffi an:-*
5. callia ( 17/11/2006 19:17)
Araka ny fanazavan'ny mpitsabo de misy chance tokoa ahafahana manao zazalahy kely sy zazavavy:
- Ny tsirinain'ny lehilahy de fantatra @ hoe XY ny X vehivavy ny Y lehilahy
- Ny an'ny vehivavy kosa de XX zany hoe vehivavy daholo
Ny fihaonan'ireo tsirinaina ireo no ahazoana zaza:
Raha ny X n'ny lahy mihaona @ X n'ny vavy izany hoe XX de vavy ny zaza raha ny Y n'ny lahy mihaona @ X n'ny vavy izany hoe XY de lahy ny zaza .
Saingy izao ny Y (lahy) de matanjaka be sady meri-mandeha be nefa mora maty ary ny X(vavy) kosa de mandeha miadana fa maharitra.
Ka raha te hahazo vavy ianao izany dia mila miaraka 3 andro alohan'ny ovulation ianao sy ny vadinao ny andro iray alohany sy mandritry ny ovulation de aleo mijanona tsy miaraka. Raha te hahazo lahy injay de ny andron'ny ovulation mihitsy nareo mila miaraka. Ny fomba ahalalana ny andron'ny ovulation moa de ny courbe de temperature. Rehefa miakatra ny temperature-nao de ovulation izay.
Tsy sur à 100% izy io hono fa betsaka no nampiasa de tena mandaitra!
Mazotoa ary de bonne chance!
6. nolalaina ( 17/11/2006 19:27)
Zao ndray no henoko :
Mila en forme be hono refa lé miray iny
Asio coussin ao ambani-njy refa lé otr'zay ihany!!
Tsy mivazivazy aho @io an!!
7. booboo ( 18/11/2006 08:20)
Bakobako2 > jereo ao ambanimbany ao fa misy sujet nataon'i Nenipita -ahoana kay no ahafantarana azy. Mitovy @ raha tianao ho fantatra.
8. Fiffi ( 18/11/2006 14:58)
http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m452c9238922c7
9. Bakobako2 ( 18/11/2006 16:07)
Misaotra Fiffi a, fa tsy ho mora amiko le regime .
le hifady ronono sy fromagy sy ny sisa . ny tsy hisotro rano normale tsony fa rano visy tena tsy laitrako , ho hita eo e.
nahita ity takelaka ity aho zay sendra liana
http://aufeminin.com
10. Fiffi ( 18/11/2006 16:54)
11. Zina ( 20/11/2006 20:35)
Ny zavatra fantrao ndray dia izao...
Miasa be aloha ny vadinao?
relaxe = lahy
miasa be = vavy

Mety ve io?
12. nenipita ( 24/11/2006 11:57)
bakobako> raha te hitera-dahy dia misasa amin'ny rano misy bicarbonate de sodium kely atao ami'nny rano 1 l isasana 15 mn alohan'ny hanaovana firaisana, de mila manao regime koa ianao 2 volana mialohan'ny hanamboaranao ilay zaza, mihinana zavatra makirakirana sy masirasira fa tsy mihinana ilay mamy be lotra ireny.
izay fa mazotoa . Ny ahy izao vavy no tadiaviko fa efa manana lahikely 2 ans aho.
13. Bakobako2 ( 26/11/2006 08:22)
Nenipita> mirary soa akia a ,ilay vavy ataoko fa tsy de misy olana , rehefa nataoko ny fampitahana .:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1794