zaza very tadidy

1. ari.malala ( 16/11/2006 06:25)
Miarahaba anareo,

Inona kay ny tokony atao amin'ny zaza very tadidy? tena tsy mba indray mandeha fa isanandro mihintsy, ohatra hoe apetrany eo ambony latabatra ny kilalaony dia lasa izy manao zavatra a fa mipenimpenina be izy mitady an'iny kilalao iny refaveo! mampalaelo be ny mahita an'le zaza fa inona no tokony atao? sa ve izany no atoa hoe very tadimpoitra?
novalian'i mimich ny 29/11/2006 08:29
2. watafon ( 16/11/2006 20:02)
fa firy taona kalou le zaza e?
3. vahiny2004 ( 17/11/2006 12:11)

Mety tsy very tadidy izy fa "distrait" fotsiny, manao zavatra iray dia mahita zavatra hafa dia lasa any ny sainy ... Raha tsy hoe nisy nahazo azy angaha : nianjera t@ loha ohatra, na nisy fotoana nanavy be ela loatra

(zà aloha tsy dokotera fa mba eritreritra ny ahy)
4. ari.malala ( 17/11/2006 12:55)
watafon:

fa firy taona kalou le zaza e?



7 taona
5. Fiffi ( 18/11/2006 17:01)
distrait fotsiny akia izy ry ari.malala no mahatonga an'zany an ! aza dramatizena fa be loatra ny zavtra mety ao an-tsainy ao . Ny fianarana , Noely , ny zandrikely sns....:):-*:-*
6. tisera ( 19/11/2006 08:05)
:? raha io hoe tsy tadidin'io ny nametrahany entana dia tsotra ny fanafodiny é! ampianarina azy hoe isaky ny maka zavatra iray dia averina @ toerany ; dia ny zavatra tsirairay izany misy toerana fixe é! tsy hoe lasa robot kely izy fa manampy azy tsy ho maty arika ny mianatra mampirina . Dia tsy manao zavatra roa miaraka aloha fa vita ny eto fa atao ny ary ; raha sendra misy miantso dia ampirimina aloha ny eny an-tanana sns...rehefa tena maty harika be moa izy dia hanontaniana hoe : inona no nataony farany ? dia mbola teny an-tanany ve ny kilalao : manampy azy hamerin-tsary ao an-tsaina izay nataony io. Dia irahina na indramina tsindraindray izy hampirina zavatra : ohatra hoe @ maraina atao hoe : apetraho akaikin'ny télé ange ity boky ity é! dia rehefa tonga ny fin d'après-midi dia hanontaniana hoe : taiza moa no napetraka ilay boky nomeko t@ maraina ... modimody hoe tsy misy dikany fa efficace an! Fa raha zavatra hafa indray ohatra tsianjery na ny any am-pianarana dia hamakiana boky matetika dia ampanaovina memory eo @ ordi :)!
8Ony ahy indray mantsy izaho mihitsy no tena maty harika é!
7. watafon ( 19/11/2006 13:18)
varimbariana fotsiny anagamba no filaza an'izany fa tsy very tadidy kosa e! raha tsy nisy "traumatisme psychique" nahazo azy ohatra na "maladie neuro" ohatr' ireny mifanitona ireny t@ fahakeliny d tsy tokony hisy olana loatra !
mila zarina sy ampianarina tsara ftsn izy mba hamerina @ toerany ny zvt nalainy , raha 07 taona zany mantsy efa azo atoro tsara !
8. fasaly ( 19/11/2006 17:18)
ari.malala: ny ahy aza aky tsy tadidiko tsony hoe dinika taiza moa no novaliko:roll::roll::? fa tena very aho ato am forum ndraindray:-P nefa efa olo-be ity:-D
9. Fiffi ( 19/11/2006 18:15)
=))
10. Fiffi ( 19/11/2006 18:17)
fasaly:
11. fasaly ( 19/11/2006 18:25)
:roll::roll: in njay ity mitsipatsipaka bei ty ry fiffi:-D:-D:-D:-D io mivanitika io ihany no maha very tadidy:-D
12. ari.malala ( 20/11/2006 13:23)
fasaly :-D:-D:-D:-D njy ty d mampime minty ka! :-D:-D

misaotra betsaka am valinteny dy ny torohevitra e
13. watafon ( 20/11/2006 19:42)
fasaly: hummm ! tandremo zany an !:-D:-D:-D:-D:-D
14. mimich ( 29/11/2006 08:29)
ari.malala:

Miarahaba anareo,

Inona kay ny tokony atao amin'ny zaza very tadidy? tena tsy mba indray mandeha fa isanandro mihintsy, ohatra hoe apetrany eo ambony latabatra ny kilalaony dia lasa izy manao zavatra a fa mipenimpenina be izy mitady an'iny kilalao iny refaveo! mampalaelo be ny mahita an'le zaza fa inona no tokony atao? sa ve izany no atoa hoe very tadimpoitra?
za ry ari.malala de mpanao oh n'io tamin'ny mbola kely de bedy foana fa hoe maivan-doha. Raha eo amin'ny resaka fitadidiana lesona amin'ny fianarana sy ny zava-mitranga indray anefa de anisan'ny manana fitadidiana aho .
Ny tiako holazaina dia hoe mpahazo ny zaza io raha ny fiheverako azy. ary satria maika am ny zavatra hafa de oh mitsingevangevana eny fa tsy ampy fitandremana sy fifantohana.Ary mety tena marina ilay hoe maivan-doha, satria oh tsy de manisy attention loatra am ze zavatra atao de manjary tsy tadidy ny asina ny kilalao sns. Ny marina dia manque d'attention ilay izy raha ny fiheverako azy fa tsy very tadidy izany.

Ampianarina fotsiny izy hanana fifantohana (concentration) amin'izay zavatra ataony , de am zay ao ilay fitandremana , dia miala tsikelikely io.
oh ampianarina mamerina ny kilalao nalaina any amin'ny mpisy azy rehefa tsy milalao intsony , na izay zavatra nampiasana amin'ny toerany, de folahana tsikelikely oh izay , de miezaka mitandrina sy mifantoka we bedin'i Neny za raha vao tsy mamerina
matahotra aloha izy dia lasa miezaka mitandrina , de miezaka mifantoka ho azy ami'izay ataony , die avy eo miala ho azy io fahazaran-dratsy io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1439