hafatra ho an'izao tontolo izao!!

1. isaka ( 15/11/2006 05:43)
HAFATRA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO

HO RINGANA
TSY HO ELA NY
FIVAVAHAN-DISO!
Inona no atao hoe fivavahan-diso?
Ahoana no handringanana azy io?
Inona no ho vokatr’izany eo aminao?
Inona no atao hoe fivavahan-diso? Kivy ve ianao mahita ny heloka bevava atao amin’ny anaran’ny fivavahana? Mifanohitra tanteraka amin’ny atao hoe rariny ve ny fahitanao ireo ady sy fampihorohoroana ary zava-dratsy hafa, ataon’ny olona milaza ho mpanompon’Andriamanitra? Nahoana ny fivavahana no toa mahatonga olana maro be toy izany?

Tsy ny fivavahana rehetra no tompon’andraikitra amin’izany, fa ny fivavahana diso. Nilaza i Jesosy Kristy fa mahatonga ny olona hanao ratsy ny fivavahan-diso, toy ‘ny hazo ratsy [izay] mamoa voa ratsy.’ (Matio 7:15-17) Mamoa voa manao ahoana ny fivavahan-diso?
Ny Fivavahan-diso dia . . .
MANDRAY ANJARA AMIN’NY ADY SY NY POLITIKA: Izao no lazain’ny gazety Vaovaon’i Azia (anglisy): “Na atỳ Azia na any an-tany hafa, ireo mpitondra fivavahana fatra-paniry fahefana dia manararaotra ny fitiavan’ny olona fivavahana, mba hahazoany izay tadiaviny.” Mampitandrina àry ilay gazety, fa “atahorana hisafotofoto tanteraka izao tontolo izao” vokatr’izany. Nanambara toy izao ny mpitondra fivavahana iray fanta-daza any Etazonia: “Tsy maintsy vonoina ny mpampihorohoro mba tsy hamonoany olona intsony.” Inona no soso-kevitra nomeny? “Aringano amin’ny anaran’ny Tompo izy rehetra”, hoy izy. Ny Baiboly kosa anefa milaza hoe: “Raha misy manao hoe: ‘Tia an’Andriamanitra aho’, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy.” (1 Jaona 4:20) Nilaza mihitsy aza i Jesosy hoe: “Tiavo foana ny fahavalonareo.” (Matio 5:44) Firifiry anefa ny fivavahana mandray anjara amin’ny ady!

MAMPIELY FAMPIANARAN-DISO: Milaza ny ankamaroan’ny fivavahana fa manana fanahy tsy mety maty ny olona. Ampiasain’izy ireo izany mba hanararaotana ny mpiangona ao aminy, izay ampandoaviny vola ho takalon’ny fanaovana fotoam-pivavahana ho an’ny maty. Izao kosa anefa no voalaza ao amin’ny Baiboly: “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona.” (Mpitoriteny 9:5) Nilaza i Jesosy fa hatsangana ny maty. Koa raha manana fanahy tsy mety maty ve ny olona, mbola hila hatsangana amin’ny maty indray? (Jaona 11:11-25) Moa ve ny fivavahanao mampianatra fa manana fanahy tsy mety maty ny olona?

MILEFITRA AMIN’NY FITONDRAN-TENA MALOTO: Any amin’ny tany maro, dia misy fiangonana manendry lehilahy miray amin’ny lehilahy na vehivavy miray amin’ny vehivavy, mba ho mpitondra fivavahana. Mampirisika ny fitondram-panjakana koa izy ireny, mba hanaiky ny fanambadian’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy. Misy fiangonana milaza ho tsy manaiky ny fitondran-tena ratsy, nefa mbola ekeny ho mpitondra fivavahana ao aminy ihany ny lehilahy nametaveta ankizy. Inona anefa no lazain’ny Baiboly? Mazava tsara ny voalaza ao hoe: “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Fa na mpijangajanga, na mpanompo sampy, na mpanitsakitsa-bady, na lehilahy manaiky hanaovan-dehilahy firaisana, na lehilahy miray amin’ny lehilahy, . . . dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.” (1 Korintianina 6:9, 10) Moa ve ianao mahalala fivavahana milefitra amin’ny fitondran-tena maloto?

Inona no hiafaran’ireo fivavahana mamoa voa ratsy? Nampitandrina i Jesosy hoe: “Hokapaina ka hatsipy any anaty afo ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara.” (Matio 7:19) Toy izany koa no hiafaran’ny fivavahan-diso. Haringana tanteraka izy ireny! Ahoana anefa no hitrangan’izany, ary rahoviana? Mahita ny valin’izany isika, ao amin’ny faminaniana iray ao amin’ny Apokalypsy toko faha-17 sy 18.
Manana fahefana eo amin’ireo “mpanjakan’ny tany” ny fivavahan-diso


“Mivoaha ao aminy, ry oloko”
Ahoana no handringanana ny fivavahan-diso?
Alao sary an-tsaina ny mpivaro-tena iray, mipetraka eo ambonin’ny bibidia iray mampahatahotra. Manana loha fito sy tandroka folo ilay bibidia. (Apokalypsy 17:1-4) Iza io mpivaro-tena io? Manana fahefana eo amin’ireo “mpanjakan’ny tany” izy. Mitafy lamba volomparasy izy, mampiasa emboka manitra, ary manan-karem-be. ‘Mamitaka ny firenena rehetra’ koa izy amin’ny alalan’ny fifandraisany amin’ny fanahy ratsy. (Apokalypsy 17:18; 18:12, 13, 23) Fantatsika avy amin’ny fanazavana omen’ny Baiboly, fa tsy mpivaro-tena ara-bakiteny izy io, fa fikambanana ara-pivavahana misy eran-tany. Tsy fivavahana iray monja anefa, fa ny fivavahana rehetra mamoa voa ratsy.

Ilay bibidia itaingenan’ilay mpivaro-tena, dia ireo fitondram-panjakana eo amin’izao tontolo izao.* (Apokalypsy 17:10-13) Toy ny hoe mitaingina an’io bibidia io ilay mpivaro-tena, satria miezaka mibaiko azy io amin’ny fanapahan-kevitra raisiny sy izay tokony hataony.

Hisy zava-mahagaga hiseho anefa tsy ho ela. Hoy ny Baiboly: “Ny tandroka folo efa hitanao, sy ilay bibidia, dia hankahala an’ilay mpivaro-tena ka handroba izay ananany rehetra sy hampitanjaka azy, ary hanapitra ny nofony sy handoro azy tanteraka amin’ny afo.” (Apokalypsy 17:16) Hamely tampoka sy handringana tanteraka ny fivavahan-diso ireo fitondram-panjakana eo amin’izao tontolo izao! Inona no hahatonga azy ireo hanao izany? Izao no valiny omen’ny Baiboly: “Nataon’Andriamanitra tao am-pon’izy ireo ny hanatanteraka ny heviny.” (Apokalypsy 17:17) Hampamoahina tokoa ny fivavahan-diso, noho ireo zavatra mahatsiravina ataony amin’ny anaran’Andriamanitra. Hanao zavatra ara-drariny tanteraka Andriamanitra, ka ireo fitondram-panjakana nifandray tamin’ny fivavahan-diso ihany, no hampiasainy handringana azy°io.

Inona no tsy maintsy ataonao raha tsy tianao ny ho ringana miaraka amin’ny fivavahan-diso? Mampirisika antsika ny irak’Andriamanitra hoe: “Mivoaha ao aminy, ry oloko.” (Apokalypsy 18:4) Izao mihitsy àry no fotoana tokony hialana ao amin’ny fivavahan-diso! Inona anefa no hataonao avy eo? Tsy hino an’Andriamanitra intsony ve ianao? Tsy mety izany satria ho ratsy fiafara koa ny olona toy izany. (2 Tesalonianina 1:6-9) Ny fivavahana marina ihany no fialofana azo antoka. Ahoana no hamantaranao ny fivavahana marina?

Ahoana no hamantarana ny fivavahana marina?
Inona no voa tsara tokony hovokarin’ny fivavahana marina?—Matio 7:17.
Ny Fivavahana Marina dia . . .
ANJAKAN’NY FITIAVANA: “Tsy anisan’izao tontolo izao” ny tena mpivavaka, sady tsy voazarazara noho ny firazanany na ny kolontsainy, fa “mifankatia.” (Jaona 13:35; 17:16; Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Tsy mifamono izy ireo, fa vonona hamoy ny ainy ho an’ny namany, raha ilaina izany.—1 Jaona 3:16.

MATOKY NY TENIN’ANDRIAMANITRA: Tsy mampianatra “fomban-drazana” na “didin’olombelona” ny fivavahana marina. Ny Baiboly kosa no ataony fototry ny fampianarany. (Matio 15:6-9) Nahoana? Satria “ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso.”—2 Timoty 3:16.

MAMPIFANDRAY KOKOA NY MPIANAKAVY ARY MAMPIRISIKA NY OLONA HO TSARA FITONDRAN-TENA: Ny fivavahana marina dia mampiofana ny lehilahy ‘ho tia ny vadiny tahaka ny tenany’, manampy ny vehivavy “hanaja fatratra ny vadiny”, ary mampianatra ny ankizy ‘hankatò ny ray aman-dreniny.’ (Efesianina 5:28, 33; 6:1) Tsy maintsy fakan-tahaka koa ny fitondran-tenan’ireo manana andraikitra eo anivon’ny fivavahana marina.—1 Timoty 3:1-10.

Misy fivavahana manaraka ireo fitsipika ireo ve? Hoy ny boky iray nivoaka tamin’ny 2001: “Mety ho tsy nitranga ilay Famonoana Tambabe [nataon’ny Nazia tany Alemaina], raha betsaka kokoa ny olona nanaraka ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fitondran-tenany. Ary raha manao izany koa ny olona ankehitriny, dia mety tsy hisy intsony ny fandripahana foko.”—Famonoana Tambabe Noho ny Antony Politika (anglisy).

Sady mampirisika ny olona hanaraka ny fitsipi-pitondran-tenan’ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany 235, no mampihatra izany koa. Manasa anao izahay hangataka fanampiana amin’izy ireo, mba hahafantaranao izay takin’Andriamanitra aminao. Ho afaka hivavaka amin’Andriamanitra araka ny sitrapony koa ianao amin’izay. Aza mangataka andro, fa izao no fotoana tokony hanaovan-javatra. Ho ringana tsy ho ela ny fivavahan-diso!—Zefania 2:2, 3.


--------------------------------------------------------------------------------

* Manazava ny tsipiriany momba izany ny boky Ny Fanambarana—Akaiky ny Fiafarany Malaza! navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Navoaka tamin’ny 2006

Miverina amin’ny voalohany | Beliefs | Future | Medical | Topics | Contact Us | Publications | Languages | Index

Copyright © 2006 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania. All rights reserved.
novalian'i prime ny 13/12/2006 10:13
2. LazaDaddy ( 15/11/2006 05:54)
HO RINGANA
TSY HO ELA NY
FIVAVAHAN-DISO!
izany hoe ho ringana tsy ho ela koa izany ny temoin de jehovah?
3. LazaDaddy ( 15/11/2006 06:04)
Inona no atao hoe fivavahan-diso?

Ny fivavahan-diso dia izay mamboamboatra ny Tenin'Andriamanitra. Ohatra:
+ Manampy boky -tsy Tenin'Andriamanitra- ho fanampin'ny Boky 66 ao @ Baiboly
+ Mitsipaka ny filazan'i Kristy ny maha iray Azy sy ny Ray
Ahoana no handringanana azy io?
Tsy ilain'ny olona ringanina io fa anjaran'Andriamanitra izany rehefa feno ny fahatezerany.
4. Fiffi ( 15/11/2006 06:08)
isaka: lava be loatra le izy ......
5. Simpona ( 15/11/2006 06:34)
Kamo be za hamaky fa lava loatra, aleo klou miasa:roll::roll::roll::roll:
6. tsingy ( 15/11/2006 09:20)


Samy manana ny fomba ny fomba fandraisany ny we "fivavahana marina na diso" ny tsi11.
Andriamanitra ihany no mandringana izay diso fa tsy anjaran'ny olona no mifampitsara amizany amiko aloha an,
Ny athé zao tsy mananjavamahory amizany o?:-D:-D:-D
asina :lol:ian ty fiainana ty wa
7. tsimiandravola ( 15/11/2006 11:19)
tsingy:



...fa tsy anjaran'ny olona no mifampitsara amizany amiko aloha an,
Ny athé zao tsy mananjavamahory amizany o?:-D:-D:-D
asina :lol:ian ty fiainana ty wa
Tsy athée aho fa agnostika.fa mitovy ihany ireo mikasika an'i Jehova sy i Kristy.Ka aminay dia ao anaty salaka iray ihany ianareo.Ho an'ny mpandefa ny hevitra dia mahereza mamaky ny voalaza rehetra momba ny sekta Temoin de Jehovah aloha.Jereo ny google amin'ny mot clé toy ny hoe Jehovah'witness,na temoin de jehovah faux prophète....

-Dia amim-panajana no ilazako aminareo rehetra mpino fa manana fahalalahana ny hino izay tianareo ianareo ,fa kosa tano mangina any am-ponareo any izany fa aza aseho masoandro ê!Aoka isika ao anaty fahanginana (iray minitra na 45 secondes) no samy haneho izay toavintsika fa tsy hiloa-bava eo anatrehan'ny valalabemandry.Ny anay ohatra dia fahanginana ny amin'ny laisité,sy fahatsiarovana ireo razana ohatra,ny anareo dia i Jehovah na i Mahomet raha tianareo.Fa aza dradraina eran'ny vodimototra e!.Hatrany amin'ny RNS any Vichy avy mbola tongavan'ny Ecuménista!Merdes alors!

Na ny internet aza tsy tokony hisy fitoriana ny filazan-tsaranareo akory satria public

8. tsimiandravola ( 15/11/2006 11:23)
Ny mampalahelo dia toy ny rano atondraka lamosin-gisa fotsiny ny fampirisihana ny olona azon'ny sekta mba hamaky fanakianana.Ary izay no tena olana koa na ho an'ny mpino kristianina aza.Mangetotra izy dia lasa dia ianao dia avelany hitatatata eo ianao.Izany no atao hoe lâcheté!
9. Zina ( 16/11/2006 03:48)
Tsy athée aho fa agnostika.fa mitovy ihany ireo mikasika an\'i Jehova sy i Kristy.Ka aminay dia ao anaty salaka iray ihany ianareo

dia tena mampalahelo ty fisainanao
Salamo 53:1
L\'athé dit en son coeur: Il n\'y a point de Dieu! Ils se sont corrompus, ils ont commis des iniquités abominables; Il n\'en est aucun qui fasse le bien.
10. xxx ( 16/11/2006 05:53)
-Dia amim-panajana no ilazako aminareo rehetra mpino fa manana fahalalahana ny hino izay tianareo ianareo ,fa kosa tano mangina any am-ponareo any izany fa aza aseho masoandro ê!Aoka isika ao anaty fahanginana (iray minitra na 45 secondes) no samy haneho izay toavintsika fa tsy hiloa-bava eo anatrehan'ny valalabemandry.Ny anay ohatra dia fahanginana ny amin'ny laisité,sy fahatsiarovana ireo razana ohatra,ny anareo dia i Jehovah na i Mahomet raha tianareo.Fa aza dradraina eran'ny vodimototra e!.Hatrany amin'ny RNS any Vichy avy mbola tongavan'ny Ecuménista!Merdes alors!

-Dia amim-panajana no ilazako aminao ry Tsimiandravola fa manana fahalalahana ny tsy hino izay tsy tianao ianao ,fa kosa tano mangina any am-ponao any izany fa aza aseho masoandro ê! [...] Merdes alors!

Na ny internet aza tsy tokony hisy fitoriana ny filazan-tsaranareo akory satria public

Na ny internet aza tsy tokony hisy famelabelarana izay tsy hinoanao akory satria public.

Izy ony mamelabelatra etsy eroa dia ny olona ataony ankolaka hoe shut up. (l)(l)(l)
11. xxx ( 16/11/2006 08:26)
:D:D:D:D=))=))=))=))=))=))
12. xxx ( 16/11/2006 08:42)
Izy ony mamelabelatra etsy eroa dia ny olona ataony ankolaka hoe shut up
Ka raha samy hamelabelatra etsy sy eroa daholo anie ny manampinoana eto amin'ity tany ity,koa ho hita intsony ve ny lohany sy vodiny?

Raha ny hevitro kosa aloha dia aleo ny ideologie tsy miankina amin'ny finoana no ifandinihina,sa ahoana hoy ianareo?
Raha ohatra mantsy ka misy fivavahana 36,dia hevitra 36 X10puissance 36 ny hevitra azo dinihina=be loatra.

Manjary lasa guèrre des religions indray no iafarany satria misy ny mitady hanao "abus de position dominante" toy ny ataon'i microsoft amin'ny système d'exploitation.Izany rehateo no risque mety hahazo antsika amin'ny resaka silamo (misy resaka violence,sy fanerena ara-tsosialy koa ao)

Ka mba eritrereto ihany,satria tsy maintsy atao izay mba ananana "principe" mba hi-eviter-na izay mety ho fandrika hahafaty.
13. majesty ( 16/11/2006 12:08)
tsimiandravola:ilaina ny mizara ny finoana ka,mba ahalalan'ny hafa sao dia mba mahasoa azy izany,dia na ianao io koa aza afaka milaza ny hevitrao fa samy manana ny eritreriny ny tsirairay fa tsy azo terena hoe tsy maintsy izao no arahana;za ary zao eto vao variana fa hay na amin'zao fotoana efa mahavery hevitra ny mpahay siansa izao aza ka mahatonga azy hireny lasa nino ny fisian'Atra no mbola misy olon-tsotra tahaka anao izay minia mikimpy na tsy te ahalala fotsiny tsotr'zao izany fahamarinana lehibe izany :D
14. prime ( 16/11/2006 12:34)
"Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà, dia mba havela ianareo;" Lioka 6:37
15. tsimiandravola ( 16/11/2006 13:44)
majesty:

amin'zao fotoana efa mahavery hevitra ny mpahay siansa izao aza ka mahatonga azy hireny lasa nino ny fisian'Atra no mbola misy olon-tsotra tahaka anao izay minia mikimpy na tsy te ahalala fotsiny tsotr'zao izany fahamarinana lehibe izany :D
Tsy izaho ilay xxx,fa mba sendra nandalo fotsiny aho dia nahita ny nolazainy dia hitako fa misy azo raisina.

Ny amin'io voalazanao io dia mamela ahy ianao hanompa anao amin'ny reninao satria eritreretiko fa mendrika anao izany.
Taiza no nisy mpanao siansa very hevitra???Tsy mpanao siansa izy raha ny fahaverezan-keviny no asosany,fa mpamosavy,ary ianao sy ny mpino no voamosavy voalohany.

Diniho tsara fa ianao sy ny toa anao dia toy ny silamo izay mitady haka ny siansa hiandany aminy mba hanohanany ny finoany.Toy izany no efa nataonareo sy mbola ataonareo satria nohon'ny alikànareo dia asainareo miandany aminareo foana ny Andriamanitrareo sy ny baibolinareo.Tsy misy hafa amin'ny sekta antsoina hoe scientologie (misandoka ny siansa ho namany hampihelezany ny finoany).Hoy ny baiboly hoe: "si Dieu est avec nous,qui sera contre nous?",dia toy izany noa nahatonga ny intolerence isan-karazany ka nampisy ny pages noires du christianisme nandritra ny 19 siècles.


16. xxx ( 16/11/2006 16:09)
Ka raha samy hamelabelatra etsy sy eroa daholo anie ny manampinoana eto amin'ity tany ity,koa ho hita intsony ve ny lohany sy vodiny?
Eo de mitady hitsikilo eo. Fa ataonao in ny vodiny ? Vazivazy io fa izao
Raha ny hevitro kosa aloha dia aleo ny ideologie tsy miankina amin'ny finoana no ifandinihina,sa ahoana hoy ianareo?
Raha ohatra mantsy ka misy fivavahana 36,dia hevitra 36 X10puissance 36 ny hevitra azo dinihina=be loatra.
Dia avelao any koa ary le miresaka ny tsy finoana e. Mahakasika ny finoana anie ny famelabelarana ny tsy finoana an'Andriamanitra etsy sy eroa raha sendra tsy nomarihinao e. (l)(l)(l)
17. dailynews ( 16/11/2006 17:21)
xxx:

-Dia amim-panajana no ilazako aminareo rehetra mpino fa manana fahalalahana ny hino izay tianareo ianareo ,fa kosa tano mangina any am-ponareo any izany fa aza aseho masoandro ê!Aoka isika ao anaty fahanginana (iray minitra na 45 secondes) no samy haneho izay toavintsika fa tsy hiloa-bava eo anatrehan'ny valalabemandry.Ny anay ohatra dia fahanginana ny amin'ny laisité,sy fahatsiarovana ireo razana ohatra,ny anareo dia i Jehovah na i Mahomet raha tianareo.Fa aza dradraina eran'ny vodimototra e!.Hatrany amin'ny RNS any Vichy avy mbola tongavan'ny Ecuménista!Merdes alors!

-Dia amim-panajana no ilazako aminao ry Tsimiandravola fa manana fahalalahana ny tsy hino izay tsy tianao ianao ,fa kosa tano mangina any am-ponao any izany fa aza aseho masoandro ê! [...] Merdes alors!

Na ny internet aza tsy tokony hisy fitoriana ny filazan-tsaranareo akory satria public

Na ny internet aza tsy tokony hisy famelabelarana izay tsy hinoanao akory satria public.

Izy ony mamelabelatra etsy eroa dia ny olona ataony ankolaka hoe shut up. (l)(l)(l)


RAHA MBA AZO ATAO DIA AZA ASIANA TENY TSY MIHAJA ETO RETO A, NA INONA NA INONA HAFANAN NY HEVITRA.

18. xxx ( 16/11/2006 21:05)
Miala tsiny :) Ary raha azo atao dia aoka hifanaja fa tsy hifampivazavaza rehefa miresaka na inona na inona hafanan'ny hevitra (l)(l)(l)
19. majesty ( 17/11/2006 05:48)
hoy tsimiandravola:

Ny amin'io voalazanao io dia mamela ahy ianao hanompa anao amin'ny reninao satria eritreretiko fa mendrika anao izany.
Taiza no nisy mpanao siansa very hevitra???Tsy mpanao siansa izy raha ny fahaverezan-keviny no asosany,fa mpamosavy,ary ianao sy ny mpino no voamosavy voalohany.


Misaotra an'ise fa voaraiko tsara le ompa amin'ny reny fa ny amin'ny ray sisa :D

Ny mahatonga ahy hilaza hoe very hevitra ny mpanao siansa dia noho ny fitrangan-javatra izay tsy ahitan-dry zareo hevitra ny hanazavana ny fisiany,ohatra akaiky amin'izany ny fisian'ny tain-kitana niraraka bdb,sy ny masoandro niova loko ho mena toy ny ra ka tsy nahazava ka nahatonga ny mpitondra fiara nandrehitra jiro tany Amerika t@ taona 1800 tany ho any fa tsy tadidiko ilay daty fa ho entiko eto amin'ny manaraka.
Manaraka izany koa ny fahitan-ndry zareo fa mifanaraka sy mirindra tsara avokoa ny zava-boahary eto amin'ty zao tontolo izao ity ohata amin'zany ny masoandro sy ny kintana ary ireo planeta marobe tsy hita isa izay mifamoivoy eny ambony abakabaka tsy hita maso eny nefa tsy mety mifandona mihitsy fa samy manana ny lalana izay voasoritra izorany toy ny hoe misy tanana mamolavola sy mikarakara azy ireny,santionany fotsiny ireo fa na izany aza,aza mora tezitra fa adi-hevitra ange no atao e
20. prime ( 17/11/2006 13:13)
Aza mifanompa fa tsy mendrika izany e... adihevitra ny eto ka tsara ny mifanaja raha azo atao...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1178