concentration

1. xxx ( 14/11/2006 18:23)
Za oa tsy afaka miconcentre tsara amin'ny atoko mihitsy, ohatra ny valabalaka zany foana. Dia tsy mahita tory aza ndraindray. Tsy haiko hoe maninona. Nefa izaho amin'io mpianatra an, ilay tokony hiconcentre be reny mihitsy. Sao dia misy mahita fika, ahoana no nataonareo taminareo vao nanomboka nipetra-drery?
novalian'i xxx ny 18/11/2006 17:09
2. titimms ( 14/11/2006 18:28)
so de amoureux ary xxx? sinon mila repos kely mitsy enao zany. aza mandefa tele fa mihanoa mozika malefaka dia mitsora tsara eo ampandrina aloha, akipio ny maso, mieza mieritreritra zavatra tsara, relax tanteraka izany pendant 20 mn eo.
3. Fiffi ( 15/11/2006 06:49)
manana tanjona ! zany hoe rehefa tsy concentré iny enao de alefaso any an-kafa aloha ny heritreritra .
4. Aino ( 15/11/2006 10:47)
xxx izaho koa teo aloha nanao any izany, dia nisy nilaza fa hoe tokony hanao fanantanjahantena kely aloha hono fa raha toaka hoe mipetraka faona na tsy dia mihetsika dia lasa mora reraka ihany koa ny hozatra dia izay no mahatonga any ilay valabalaka.
5. melody ( 15/11/2006 13:23)
Marina mihintsy io lazain'i Aino io. Satria rehefa mikandra dia mipetraka fona (sedentaire) tsy misy activité fizika mihintsy nefa tena hilaina io. ankoatr'izay mila manao meditation, tsy ilay sarotra ireny fa ilay mihaino ny 'breathing' nao enao, izany hoe ilay fihainana iny no henoy tsara, dia bon courage o!
6. booboo ( 15/11/2006 14:08)
nenà ny fanaoko, milomano (rehefa reraka @ iny manko ny vatana dia matory tsara avy teo) sy miova rivotra : mandehandeha manaraka moron-drano kms maromaro (ambanivohitra aty aminay koa tsinn).

Mila tony ny vatana sy ny saina vao afaka mi-se concentrer tsara @ raha atao raha tsy zay miviaka :^):^):^) hihihihihihi
7. soanja ( 15/11/2006 17:02)
xxx:

Za oa tsy afaka miconcentre tsara amin'ny atoko mihitsy, ohatra ny valabalaka zany foana. Dia tsy mahita tory aza ndraindray. Tsy haiko hoe maninona. Nefa izaho amin'io mpianatra an, ilay tokony hiconcentre be reny mihitsy. Sao dia misy mahita fika, ahoana no nataonareo taminareo vao nanomboka nipetra-drery?


Tokony hanao Yoga izany ianao fa manampy be mihitsy io. Tsy le Yoga mivavaka ireny akory fa concentration tadiavina amin'ny alalan'ny fihetsiky ny vatana sy ny saina miaraka. Brain Respiration no fiantsoana azy aty aminay. Rha mahavita an'io ianao isa-maraian vao mifoha dia ho hitanao fa hi-flow tsara daholo izay atao rehetra.


8. kitjo ( 15/11/2006 17:29)
iiee..raha misy le tai chi sinoa reny ko no tsara..
le mi balancer vatana sy ny eritreritra fts fa tsy le meditation mivavaka reny akory

sinon io lazain namana io..manaova sport..mihinana tsaramaso...ny chocolat ko manampy fa tsy oe atao be akory fa raha tena ts maintsy manao revision ohatra

jereo @dokotera koa raha mety fa mety misy tsy fahampiana otrikaina na oh zany!
9. melody ( 15/11/2006 17:36)
soanja a, tena gaga za hoe misy olona manao brain respiration any ho any. Izaho manko manao an'io ary ny tena tiako ilay Dann Jon tapping sy Hang-gong - tena mi-relax anao mihintsy io no misokatra tsara ny saina.... manja be o?:):):):)
10. booboo ( 15/11/2006 18:14)
inona aby zany jon machin truc gong nareo zany lé ? :^):^):^)
11. Zina ( 15/11/2006 19:32)
xxx ndray2 ko tsy ampy vitamine ianao...ny C, A ary ny B ....
12. melody ( 15/11/2006 19:38)
booboo: karazana relaxation akia io a, toy ny yoga ihany fa andry zareo koreana ilay izy, ary ireo teny hitanao eo ambony ireo dia fitenindry zareo ary tsy misy dikany @ teny hafa tsinona ilay izy, na mety misy fa tsy hampiasaindry zareo, efa zatra fa tsy hoe mi-geste @ teny tsy hay akory:wink:
13. watafon ( 15/11/2006 19:46)
melody : miteny inn alou enao zany e? sinoa v sa ? hihihi!
ny tsara aminy d avy manao sport iny enao d vider-na tanteraka ny ao antsaina d mi-relaxe tsara ! fa hotsapanao fa maivamaivana sady afa-bizana !
14. melody ( 15/11/2006 20:58)
watafon:gasy ihany k, saingy rehefa manao an'ilay yoga zahay d izay resaka teknika rehetra dia ataondry zalahy koreana daholo....:)
15. soanja ( 16/11/2006 00:55)
melody:

soanja a, tena gaga za hoe misy olona manao brain respiration any ho any. Izaho manko manao an'io ary ny tena tiako ilay Dann Jon tapping sy Hang-gong - tena mi-relax anao mihintsy io no misokatra tsara ny saina.... manja be o?:):):):)


Tena tsy misy ohatr'izany ny fisokafan'ny saina moa ny vatana afapo tsara. Mazotoa aky fa zah koa aty manaraka tsara. Isa-maraina amin'ny 5:30 no anaovako azy.Ary ny andry?


16. Zina ( 16/11/2006 04:14)
soanja "pilates" angaha io ataonao io?
17. booboo ( 16/11/2006 10:01)
inona ndray koa zany " pilates " ? hihihhih hahaizan-draha ato @ forum kah
18. melody ( 16/11/2006 14:35)
Izaho indray akia ry Soanja manao kilasy ny alarobia (stretch) dia ny zoma (vibration class), efa nanandrana ilay vibration class io ve akia enao - tena afaka mihintsy ny havizanana, andramo ange e!:)
19. soanja ( 16/11/2006 15:54)
Zina:

soanja "pilates" angaha io ataonao io?


Manao pilates in-2 isam-bolana zah.


20. soanja ( 16/11/2006 15:56)
melody:

Izaho indray akia ry Soanja manao kilasy ny alarobia (stretch) dia ny zoma (vibration class), efa nanandrana ilay vibration class io ve akia enao - tena afaka mihintsy ny havizanana, andramo ange e!:)


Le stretch foana no ataoko satria zah koa manko mihazakazaka de tsy tiako overworked ny vatako. Fa aleo jereko io satria efa mihamangatsiaka amntsy izao de tsy araka le mihazakazaka anaty hatsiaka be loatra dia faka manandrana zavatra hafa indray. Misaotra aky a.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1864