FANONTANIANA MIPETRAKA HO ANTSIKA MIANAKAVY?

1. xxx ( 14/11/2006 16:15)
Ny fanontaniana mipetraka voalohany dia ho an'ny eo @ fitondràna maninona kay raha mbà misy ihany ny vola hanaovana propagandy mbà hanaovana zavatra hafa mahasoa ny tanora e ohatra! izay andry iankinan'ny firenena, firifiry ireo izay tsy mianatra intsony fa ilaozany mitaingi-tamboho sy mifoka rongony ary misotro toaka! ao koa ny mpangala-badin'olona sns...
Ireny tanora ireny anie ilay mpanendaka sy mpamaky trano sy mpi viol e!sy mpivaro-tena eny TSARALALANA fa tsy iza tsy akory.

Nisy ny asa teny @ ireny zone franche ireny nefa indrisy fa dia maro no lasa chômeurs noho ny fikatonan'izy ireny noho ny raharaha 2002 .
Toa jerenareo mpitondra fotsiny izy ireny nefa dia tena OLANA GOAVANA tokoa satria maro an'isa.

Ao koa ny fidangan'ny vidim-piainanana sy ny karàma izay tsy mifandànja ny raisina kely nefa izay rehetra hita dia lafo daholo HANY KA TSY MISY AMBIM-BAVA na économie mihintsy fa dia TONGA DIA LANY! aiza moa no tsy hisy ny kolikoly etsy sy eroa.

Tokony hitovy daholo koa ny olon-drehetra manoloana ny lalàna fa tsy hoe raha nangalatra akoho iray i Ranona dia any ANTANIMORA fa i Ranona raha manodina 1 milliara tsy maninona.Io lalàna io dia isan'ny andry sy fototra iankinana'ny fandrosoan'ny firenena iray jereo daholo izay tany manan-katao rehetra raha any FRANCE ianao no tratran'ny contrôleur RATP tsy manana CARTE ORANGE na TICKET dia miomàna..Mety hisy hiteny hoe zavatra tsy mitovy anie izany e! ka izay indrindra nahoana eto MADAGASIKARA ny mahantra sy ny saranga antonony terena handoa izao rehetra izao nefa ny mpanam-bola sy ny karàna zara raha mandoa...

Dia ahoana koa ity resaka déléstage ity efa ho 4 taona ve dia mbola misy foana .Ny faritra SAVA izao dia tena mampalahelo tokoa tsarovy fa maro ny fitondràna nifanesy fa t@ vao mbà nisy an'izany.



Fotoana izao raha tena hitsinjo ny vahoaka ny mbà tokony hijerena izany zavatra izany fa tsy manao fampanantenana poakaty fotsiny.5(TRAMWAY ,TSENA MISY 4 ETAGES .....)


Ho an'ny mpanohitra indray dia MAMPALAHELO fa dia mazàva be ny tanjona fa dia ny hitady seza fotsiny efa fantatry ny olona ny paika ka tokony mbà ovaina TSY ADALA AKORY NY OLONA raha matotra ny zavatra tadiavinareo ianareo samy ao aza tsy mahay manàsa ny lamba malotonareo !

Ny fanontaniana mipetraka mantsy dia tany DEMOCRATIQUE tokoa ve i MADAGASIKARA ny valiny dia TSIA satria bodoin'ny mpitondra ny ankabeazan'ny zava-drehetra na ny mpanohitra aza tsy afa-maneho ny heviny fa dia be marenina fotsiny!


Ho an'ny mpomba dia samy manana ny arguments avy hoe izao no antony hanohanako an'i ra... dia ny etsy andaniny koa mbà miteny hoe iao no antony..AOKA NY HEVITRA NO HIADY ny olana eo @ isika gasy mantsy dia RANCUNIER ary olon'ny fo nefa fotoana izao isaintsainana tsara asa tokony karazana BILAN izay angamba no tena térme ilazàna azy.Tsy vahaolana ny fanompàna olona sy ny teny ratsy izay toe-tsaina lomorona sy faikam-boto.

Izay angamba va dia vava-kisoa misy sira ary atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby ary atsipy ny teny ho an'ny manam-panahy.Nalàza ny MALAGASY teo @ fahendrena sy ny FIHAVANANA ka asa re raha nahatsara zavatra inona moa no antony tsy hamerenana izany ?

Aoka fa sao diso lava loatra ka mahamonamonaina!


2. hery ( 14/11/2006 16:18)
Maninona ary raha tsy nasiana fifidianana mihitsy dia tsy lany ny vola e. Ravalo ihany no avela ho prezidà. Dia amin'izay hanaovana zavatra hafa mahasoa ny tanora etc... (Jereo etsy ambony ny tohiny)

3. sipagasy ( 14/11/2006 16:32)
sitrany ahay !!!!!!
4. tsingy ( 14/11/2006 16:37)

eo njinja ny olana,vola tokony hikarakarany ny tanora,laniny @ propagandy,d anjaranao ary ny mieritreritra e.:wink:
5. Rainikarabo ( 14/11/2006 16:41)
6. kitjo ( 14/11/2006 16:41)
marina zany hery an

lejim> volany io ko! ze tiany!

teneno ko ry herizo sy ny tariny aza e!

ianareo iany nge no mila vaniny eo fa efa fantatra izy fa tsy maintsy ho lany kanefa mbola mitady fifidianana iany...soa iany fa misy an le 125millions andry zareo ireo le tsy averina hikarakarana io fifidianana io d ts miala volabe ny fanjakana satria efa sur fa tsisy haverina ireo!


xxx> meo kandida ary zay e..anaovy propagandy zay so mba miova hevitra ahitanay oe iza no hahavita be noho izy!
7. jentilisa ( 14/11/2006 16:46)
sy amin'ny fifidianana!
8. tsingy ( 14/11/2006 16:48)

mahita volana alohan'ny biby kosa nareo kou.Zah lou mibàbà fona na izy ny eo na tsy izy ny eo e fa zahay tsy miala amindratsirahonana e:-D::-D:-D:-D
9. kitjo ( 14/11/2006 16:51)
marina zany e!

refa mba samy manana ny kandida-ny tsika ndray fair play foana k!
za koa tia an ratsirahonana fa ravalo fts reveko kokoa..hahaha

milay e..noho ireo manakiana fts fa ts mahita tohanana anefa!
10. mandrindra ( 14/11/2006 16:56)
kitjo, zah zany anisan'ilay tsy manankevitra e:D. satria izaho tsy manohana an'iza n'iza. diso aho ve raha izay hitako fa vandana rehetra dia lazaiko fa kary avokoa?
11. saho ( 14/11/2006 17:10)
Manao copie toa ny propangandy any Amerika...Manohana daholo ireo mpanana tombotsoa rehetra. Raha resahina manokana dia toa ny t@ andron'ny MASON tany Amerika t@ taona 1920 tany ho any. Aiza anefa ny elanelana problem sociale Amerika sy Mada...mbola ela zalahy e!Ny olom-bitsy ihany no mahazo tsirony satria olom-bitsy koa no nandatsaka vola hidirana candidat...taiza nisy ohatr'izany hatr@izay naha-Gasikara ny Gasikara. Hamidio daholo ny fananana rehetra...halefaso any @ tany mandroso daholo ny harena rehetra fa aleo ny vahoaka malagasy hitrongo vao homana...tsy hitovy velively @ tany industrialise akory...Avelao indray hisy ny Revolisiona e! Mandeha ila zalahy fa tsy lasa...Tsy hisy hitsinjo ny mpiray tanindrazana na tanora na antitra ra8 fa ny tombotsoany ihany no tena mitombo andro aman'alina...Monopoliser be ny haren'ny Gasikara iray manontolo...te ho Rotschild malagasy izy...aza tratran' i Robin Hood ao aoriana kely ao fa lasa tsy Fahamarinana sy Fahamasinana akory fa ny fiainam-bahoaka miha-mahantra ary ireo manana miha-manana...Aiza ilay tanjona sy marimaritra iraisana e!
12. kitjo ( 14/11/2006 17:32)
saho> ka ahoana znay ny solution?

mandrindra> nndrriii..ndao hanaraka anay aza e!

de tte facon zay lany eo ts maintsy ekenao iany na le tsy tinao aza ra zany!
13. fijo ( 14/11/2006 23:37)
kitjo an,ngah alejim manoratra ato no resahandry????
fidio ravalo dia vita e.milamina ny sisa
14. Lejim ( 14/11/2006 23:44)
kitjo:
lejim> volany io ko! ze tiany!


Fa mamaly ny zavatra noteneniko taiza marina enao io?
15. mandrindra ( 15/11/2006 09:46)
kitjo, ny ahy tsy hoe tsy tiako ireo milatsaka ireo; satrai ny tsy fitiavana dia fankahalana. fa ny enti-manao no misy tsy mifanaraka amin'ny eritreritro, zah ilay tsy dia manankevitra io an. dia soava dia fa izaho aloha tsy hanaraka anareo e
16. kitjo ( 15/11/2006 11:50)
mandrindra> ao aza fa atao jury e..hihihi

lejim> nifandiso ny valiny fa resaka nibolisatro tato io nefa tokony tary ambadika e..mifona e! sa mbola bedy iany ve za? :roll::oops:
17. fijo ( 15/11/2006 19:51)
bedy be mihintsy ndry;sao neverindry fa ra8 ary lejim.
18. mandrindra ( 16/11/2006 12:36)
kitjo, misaotra nanome seza:wink:. fa miala tsiny fa dia laviko izany satria saidy tsy haiko no tsy mbola mendrika ny ho amin'izany aho :lol::lol:
19. kitjo ( 16/11/2006 17:05)
milay kosa ty mandrindra ty
sao d modeste ary anaranao? hihihi

fijo> aoka zay fa bedin lejim eo za..hihihi
20. fijo ( 16/11/2006 23:17)
an an zarany aza malaza ko.na tsy miresaka aza dia voateny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.181