Ilay lakolosy ao Soanierana

1. ratonga ( 13/11/2006 14:06)
=))=))=))=))=))somary lavalava ihany fa tena tsy nisy nanambinana:-D:-D:-D

Ilay lakolosy ao Soanierana

Efa telopolo taona mahery no nipetrahako eny Soanierana. Mifanila indrindra amin’ny fiangonana katolika. Nanana mpanao zaridaina efa lehibe izahay tany amin’ny taona 1980 tany ho any. Isaky ny maneno ny “angelus”, maraina, antoandro, hariva, dia mijanona kely izy, manala satroka ary mivavaka mangina. Taty aoriana, sendra namadibadika “dictionnaire” aho no nahita ilay sary hoso-doko “angelus” ahitana tambanivohitra vazaha ka nahatsiaro io lehilahy lehibe natao hoe Ikaky io. Tamin’izany andro izany, feon-dakolosy, nampahatsiahy ny sekoly fianarana sy ny fiangonana Faravohitra nahazatra, no nampilaza ny manodidina rehetra fa mitatao vovonana ny andro. Ankehitriny kosa, ao amin’io fiangonana katolika ao Soanierana io, dia feon-javatra hafahafa no miraondraona mampanofy ratsy vao mangiran-dratsy. Hatrizay ny alika mahalala fa raha vao maneno ny lakolosy dia efa tonga ny oran’ny sakafony. Amin’izao fotoana izao mitomany valala ry zareo noho ny haratsin’ny feo avoakan’ilay “alarme” ao am-piangonana. Sanatria ny hanakana ny mpino tsy hanatrika ny fotoam-pivavahana. Saingy, noho ny fiaraha-monina, satria tsy mpino mpamonjy fiangonana avokoa akory ny olona rehetra, mba tsy mety ihany angamba raha ianao matory maraina andro alahady no fohazin’ilay lakolosy fari-peo amin’ny enina maraina. Ny zazakely vao nanahirana teo ny nampatory azy no taitra indray mitsamboatra. Ny alika tsy hay hampanginina. Ny tena mitsangana tsy fidiny andro ririnina. Ho an’ireo vaviantitra miala maraina any aminy hamonjy tori-teny sy komonio dia sitrapo. Ary inoako marina fa tsy mila lakolosy fiantsoana, tahaka ny eny amin’ny “récréation” izy ireo vao mahatsiaro fa alahady ny andro ary efa migadona ny ora fandraisana. Ho anay kosa, marobe manan-katao hafa ankoatra ny fivavahana, dia fandriana am-piadanana no ilainay, indrindra fa alahadin-dririnina mamirifiry. Eto ambany masoko, sary iray ahitana ny endrik’i Soanierana tamin’ny 1957. Mbola tsy nanana tilikambo ny fiangonana. Tsy ny tilikambo izany no taloha fa ny fahanginana. Tamin’ny andron’i mompera Razafindrasendra hono no nisian’ilay lakolosy tsara feo voalazako ery aloha. Mbola tao Soanierana izy io folo taona lasa izay ka asa inona loatra no nahadedaka ny tompon-toerana taty aoriana hanolo azy an’io kipan-tsona hafahafa io. Tsy mba “soa nierana” mihitsy aloha izao lakolosy kentsonketsona, misiotsioka ary mibarareoka izao.Taloha ihany koa dia nisy voron-dolo mivady nanorim-ponenana tao amin’io tikilambo eo Soanierana io. Miesona be hay ireny biby ireny ! Lasa nitsoaka, tsy tamana intsony, voaelingelin’ny tabataba mahatsiravina izy mivady sy ny taranany. Asa raha ny Vatikana mihitsy vao hahavaha izao lonilony izao : ny mpivavaka mahatontosa soa aman-tsara ny fomba amam-panaony ; ny olona te hatory mba afaka matory, na maraina izany na tolak’andro, na alahady na zoma masina, na andavanandro na andro paska. Na ondry nania te hiverina am-bala aza mihemotra mandositra satria ny hira ao am-piangonana no efa lasa zary “kermesse”, arahin-gitara sy amponga ary fandihizana madinika, ary ny lakolosy manandrana manao “techno”. Mba mahagaga loatra raha feo tsy tantin’ny alika sy ny vorondolo aza no handratrana ny sofin’olombelona.

NASOLO-VALIAVO Andriamihaja

novalian'i mitia5 ny 17/11/2006 14:41
2. fasaly ( 13/11/2006 14:19)
ratonga: mba lava koa zany tantarandakolosy ao soanieràna zany kan!:roll::-D:-D fa feo manakory hono zao d'efa mampitomlany valala zao, noheveriko fa tapaka aza lay lakolosy:?
3. ratonga ( 13/11/2006 14:25)

..... lakolosy manandrana manao “techno”....

:-D:-D:-D
4. fasaly ( 13/11/2006 14:30)
ratonga: ary raha lakolosy manandrana lmanao techno mety ho tamàna iany zà mipetraka eo akaikinzany lakolosy zany fa zà tiatia techno!:-D ngamba vao maheno azy vao marina de metsamboitra be toundé mandihy avy hatrany na mbola mikipy aza ny maso:?:roll::-D:-D:-D
5. ratonga ( 13/11/2006 14:35)
mety tafidina eny an'arabé mihintsy vé:-D nefa mbola manao pyjam=))=))=))
6. cutie ( 13/11/2006 14:46)
:-D:-D:-D:-D:-D
7. fasaly ( 13/11/2006 15:00)
ratonga: ié! toa izà ndray no hotangoroan'ny oul vao maraina miaraka am felondakolosy eo raha lasa any anarabe zany:? sady ny dance techno tena mi kadansa be mitsy mijadojadona tsara mitsy:-D:-D:-D:-D
8. cutie ( 13/11/2006 15:11)
hay ve njy tia dance techno e :-D
9. fasaly ( 13/11/2006 17:23)
cutie: ié!:wink::oops::-P asiko anlay manao pataloha fingotra de mivelatra be ny ambany an! hummm! mitsatotsatoka mitsy:-P ary nenjy in???:lol::roll::-D
10. dailynews ( 13/11/2006 17:26)
hay izany dia tena ratsy be ilay feondakolosy? ary raha handefasana tts mihitsy ilay fiangoanana hoe maninona raha mba soloina ny lakolosinareo fa tena ratsy feo be? dia ohatra koa hoe mangataka olona be dia be hanao sonia hanohina ny hevitra vao mandefa ilay tts?
izaho aloha mahita fa azo resahina tsara ny zavatra tahaka izany fa tsy hoe ianao na ilay olona fantatrao na ilay olona nanoratra ny article no sarotiny.
mazotoa ary lazao izahay hoe nanao ahoaan ny valiny...
11. cutie ( 13/11/2006 17:30)
Mpandefa : fasaly [ Valio ] 13-11-2006 18:23:11
Lohateny : Re : Ilay lakolosy ao Soanierana
cutie: ié! asiko anlay manao pataloha fingotra de mivelatra be ny ambany an! hummm! mitsatotsatoka mitsy ary nenjy in???

za akia tsy tia techno a :-D:-D:-D
12. ratonga ( 13/11/2006 18:30)

....Taloha ihany koa dia nisy voron-dolo mivady nanorim-ponenana tao amin’io tikilambo eo Soanierana io. Miesona be hay ireny biby ireny ! Lasa nitsoaka, tsy tamana intsony, voaelingelin’ny tabataba mahatsiravina izy mivady sy ny taranany....


ary izy mianakms reo ko ngamba ry fasaly to tsy ty techno dé lasa nitso-ponenana, rà teo zao toi nampianantra lé pas de dansa mety mbola nijanona ry zareo klé!!:-D:-D:-D=))=))=))

13. cutie ( 13/11/2006 18:30)
:-D:-D:-D:-D
14. ratonga ( 13/11/2006 18:37)
cutie: andramo fotsiny ary lé patalo fingotra lazin'i fasaly é !:lol:
15. cutie ( 13/11/2006 18:38)
non:lol:
16. fasaly ( 13/11/2006 19:07)
ary tena hifitoeran'ny atsy rehetra zao lakolosy zao fa soly lakolosy moderne e! aiza kou mbakan'ny vorondolo mpivady avy efa nonina tao8O:roll::roll::roll: zàra tsisy mpamosavy aza :{:{:{ de in kou ny manaraka, aleo ihany techno ka!:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D


ratonga tsy pataloha fingotra be nge zany fa mifinjifinjy manarapenitra be fa ery ambany vao mivelatsa beuh e!:?:-D:-D:-D:-D
17. cutie ( 13/11/2006 19:08)
hay ve zany le pataloha fingotra e
:lol:
18. ratonga ( 13/11/2006 20:31)
lé kiraro vé @ zany ngamba lé drigy bé misy 30cm ny ahavony, sady mitsatotsatoka no mihevitrevotra:-D:-D:-D
19. cutie ( 13/11/2006 20:32)
:-D:-D:-D:-D:-D
20. fasaly ( 13/11/2006 20:46)
:-D:-D:-D:-D:-D aiza kosa e!:-D:-D drigy kely ihany ka!:?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1199