Trano bongo

1. lanto ( 12/11/2006 19:29)
Misy hira misy trano ireto ohatry ny tonga ato an-tsaiko foana nefa tsy mety tadidy tsara ny tonony, ny mpihira koa
1- 'lay misy hoe
Trano bongo kely iray tazana ety
Trano bongo kely iray manintona ery
Trano bongo kely iray nefa maminay
eny io no tranonay


2- 'lay iray indray teny avy any atsimo any :
Trano bongooo
Trano bongo kely
Ouh ouh
Trano bongo ahay mahafantatse ty hasorotse ty fiagnane...

Asa an'i Vaovy ?

Ity indray tsy trano bongo :) Sao mba misy manana ny tonon'i "seresere" , hirain'i Terano izy amin'izao ? (seresere mba hambole laloasy...)
Sôtsa mialoha tompoko :)

novalian'i lanto ny 13/11/2006 15:43
2. tslem ( 12/11/2006 20:32)
ny ahy ndray ny haiko lé oe:
ireo misy trano bongo
midonatsetroka miavaka
maro² mivangongo
toy ny olona mivavaka:lol:
3. lanto ( 12/11/2006 20:49)
Trano bongo ireny ihany
Izay fonenantsika ety
Nefa misy tena mamy
Sady tena fy dia fy
Mino aho fa fantatrao
Trano bongon'ny fitia

tslem :wink:
4. Fiffi ( 12/11/2006 20:52)
inona raha fantatrao ?
trano bongo'ny fitia ..

ny an'i tslem zao no mba aiko fa ny an'i Lanto tena tsy hitako hoe inona moa zay hira zay ?
5. tslem ( 13/11/2006 08:04)
zany tranobongon'ny fitia zany ve ry fiffi lé oe trano bongo misy roa nono sa inn?=)) =))
6. Fiffi ( 13/11/2006 09:19)
de tsy aiko akia fa nga tsy haindry io hira io ? :)
7. lanto ( 13/11/2006 15:43)
tslem:

trano bongo misy roa nono sa inn?=)) =))


Tandremo ny tsipelina :lol:


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 3.0148