madagascarien sa madagascarois sa malagasy sa malgache ?

1. valinaka ( 10/11/2006 15:57)
andron'ny fivoarana izao ka mety raha atao tahaka izany ny toe-tsaina sy ny fomba amam-panao.
ny tiana ambara de misy ambaratongany isika na tiana na tsy tiana :eran-tany de hoatr'izany daholo fa saingy ny antsika noho ny "fihavanana" de nodian-tsy hita ka nampiraviravy tanana ny sasany ary de manjary mieritreritra ny rehetra fa ny fiainam-pirenena de azon'ny rehetra atao ny ho filohany ohatran'ny kilalaon-jaza.
ny malagasy na gasy na malgache de teny nampetrakin'ny mpanjanaka mba hanapepoana ny lohan'ny madagascarien (menalamba,vvs, mdrm,monima...)izany hoe ny olona liam-pivoarana na ny "penseurs":olona tsy intéresseées ary tsy notambazana vola fa niaina modestement ery maty modeste koa.
fa ny malagache kosa de olona notambazan'ny mpanjanaka vola sy voninahitra ka nanitsaka ny mpiray tanin-drazana aminy ary de izao hiarahan-tsika mahalala izao no manjo antsika hatramin'izao;
ny madagascarois indray de ireo vahiny te hampandroso an'i madagascar fa tsy ireo mpitsetsitra akory ka nanjary nahazo ny fahendrentsika:mitabe tsy lanin'ny mamba ,trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalen-kialofana ary nampiasa ny"valin-tanana" ka lasa nety aminy tsara izy io ankehitriny(aza adino fa ny karana rehetra anie t@ izany fotoana izany ka mpanao maskita sy sambosa ohatran'ny dakoma) nefa izao izy nampiana-jaza ka lasa avo fijery saingy betsaka amin'izy ireo no tsy manadino fa teto no nahitany ny mamy rehetra.
novalian'i Fiffi ny 29/11/2006 18:07
2. booboo ( 10/11/2006 16:57)
tsy azo tsy araka tsy mazava :°)
3. salmo ( 10/11/2006 17:02)
Aty kou leisy dia torakizany. Madagascarinô sa Madagasikarianá sa africano marron :-D:-D
4. fasaly ( 10/11/2006 17:07)
ny ahy ny titre no valiko fa lava lotra:wink: malagasy no izy na malgache am teny frantsay
5. Zina ( 10/11/2006 17:47)
Malagasy no izy ary tokony zarin-tsika doly na gasy ty na vaza na iza na iza tsisy afa tsy MALAGASY
zakosa tsy mba hanaiky atao Malgache ko... tena ratsy anie io anarana io e
6. fasaly ( 10/11/2006 18:09)
:roll::roll::roll:fa manin no hoe ratsy io anarana io ry zina????
7. kelly13 ( 10/11/2006 19:30)
fasaly> mal et gache!

marina tokou izany fa t@ izaho mbola nipetraka tany milan, d manontany ahy ny italiana hoe fa avy aiza ianao fa ôtran'ny filipianina! d hozy za hoe avy any madagascar d inn no fiantso ny oul avy any d hozy za hoe malagasy fa ra atao @ teny italiana hoa d "malgascia" d hozy ry zareo e, aleo le noteneninao vôlohany fa ratsy b zany anarana miafara @ "scia" zany! ary tena marina io!!! d fa aôna hoa, d raha atao tsostsotra ny fanazavany d ôtran'ny hoe mot péjoratif ny mot iatliana miafara @ ny hoe "scia".

fa gaga @ ty zvt nosoratan'i valinaka ty za hoe f'anga tena ni existe ny teny hoe "madagascarien", voavaly ny kestio-ko zany
8. xxx ( 10/11/2006 19:38)
nareo ngah mbola tsy naheno olona niteny hoe malgachien 8O, rangitra be zah taminio:-@
9. kolokanto ( 11/11/2006 09:30)
Miarahaba ny rehetra!!
Malagasy ihany no izy fa ny frantsay no namorona izany mal+gache izany!! Ny antony aloha dia tsy mbola hay!:idea:
Ny frantsay ihany no miteny antsika Malagasy hoe malgache fa ny anglisy, ny amerikana ary misy firenena hafa maro dia manao hoe Malagasy. Ny fomba fanononana azy fotsiny no somary misy accent-drizareo!
10. booboo ( 11/11/2006 10:17)
lé madagascarien ôtra anarana accarien zany hihihihihihi
11. valinaka ( 11/11/2006 13:58)
manahoana daholo ê!
mahafinaritra ny fomba hieveran'ny rehetra ilay resaka fa mifono hevitra lalina mantsy izy io ary noho ny fitenena maro eran-tany de tokony ho tsijovina ny mety ho dikany ho an'ny sasany.
raha ohatra ka any amerika na sns... de manontany hoe inona ny racenareo de hoe malagasy de ho'zaho efa nilaozan'ny toetr'andro satria ny endrika ny foko 18 de tsy misy itovizany ary sûr fa gaga ny olona hoe malagasy aiza izany ao @ carte?
ny an'ny olona mazava tsara daholo :burkinabe, laotien ,cambodgien,chinois,français,russe,kenyan,sns...
12. xxx ( 11/11/2006 14:41)
françai(se) koa no izy e!!
13. dailynews ( 11/11/2006 19:19)
malagasy....izaho rehefa misy manontany dia lazaiko foana hoe malagasy na dia mitady hiteny ahy aza izy ireo hoe madagascan..hoy aho hoe malagasy kah...
14. fasaly ( 11/11/2006 20:01)
kou raisinareo dika ara-kevitry ny vakiteny be kosa lay malgache kou aiza no tsy ho ratsy ny handikàna azy......ru zareo vazà refa maintso atsika malagasy de we malgache de refa tsika ny miantso ny françai(e) de hoe frantsay!:roll::roll::roll: amiko tsy misy olana na atsoina hoe gasy na gache na malgache na malagasy:-D:-D:-D:-Dankasarotina eo ve ny fiainana
15. Zina ( 12/11/2006 00:01)
kou raisinareo dika ara-kevitry ny vakiteny be kosa lay malgache kou aiza no tsy ho ratsy ny handikàna azy......ru zareo vazà refa maintso atsika malagasy de we malgache de refa tsika ny miantso ny françai(e) de hoe frantsay! amiko tsy misy olana na atsoina hoe gasy na gache na malgache na malagasyankasarotina eo ve ny fiainana


zany an??? mbola tsy tratra mantsy indry fa rehefa tezitra ireo vazaha ireo dia eo no hilazainy azy...aza dia tsotra lotra amin'io dikany io reaaa...
Ny ahy tonga dia corrige-ko mihitsy...MALAGASY
16. valinaka ( 14/11/2006 19:39)

de tena mahatsiaro sambatra mihitsy va re ianao ry zina @ izany teny izany?
de ahoana le hoe tsy misy finition?
de ahoana le hoe rehefa vazaha ny patron de manao merci na de voadaka aza? nefa raha zavatra mitovy nefa ka malagasinareo no patron de lazaina daholo izao sy izao ary atao ny tsy mety rehetra haminganana azy satria "raha maty aho aleo maty rahavana, ary raha maty rahavana..."
17. Zina ( 15/11/2006 20:22)
de tena mahatsiaro sambatra mihitsy va re ianao ry zina @ izany teny izany?

odryyyyyyy ahona koa izany question-nao zany angaha ianaon tsy mahatsapa ny tenanao ho sambatra rehefa atao oe MALAGASY?????
Za tiko ny tanindrazako ary izaho dia Malagasy fa tsy malgache akory....raha tianao ho teninina oe Malgache ianao dia anao samy irery zany...
18. Tsingatsa ( 16/11/2006 13:44)
:D
Dia ravoravo hatrany mandray tanana antsika jiaby Zalahy.
manahoana daholo ê!

[quote]message[Valinaka]

"raha ohatra ka any amerika na sns... de manontany hoe inona ny "racenareo de hoe malagasy de ho'zaho efa nilaozan'ny "toetr'andro satria ny endrika ny foko 18 de tsy misy itovizany "ary sûr fa gaga ny olona hoe malagasy aiza izany ao @ carte?
"ny an'ny olona mazava tsara daholo :burkinabe, laotien ",cambodgien,chinois,français,russe,kenyan,sns"...

:arrow:Ireto misy vaovao tapatapany nentin'ireo Malagasy nivahiny tany ivelany sy nitsidika faritra maro eto an-toerana:

:oops:Hoy ny amerikana iray: Sambatra ianareo Malagasy fa manana Razana iombonana: ny anay hoy izy dia mifangaro: Anglisy, Japone, Sinoa, Afrikana..."

:xHoy ny mpahay tantara iray: Ny fihavian'ny malagasy dia Kontinanta roa: Afrika sy Azia. Tsy misy Malagasy afaka milaza tena ho Afrikana rano iray, na Aziatika rano iray.

:roll:Hoy ny mpahay tantara iray: Tsy nisy mponina teto Madagasikara fa mpihavy avokoa ny Malagasy. Voaporofo teo @ tantara fa ny Nosy iray dia tsy afaka hoe misy mponina tompontany izany !

:cry:Hoy indray ny namantsika iray avy ao Atsimo Atsinana: Ny malagasy dia avy ao Ephèse, ao Azia mineure, ary izay no fihavian'ny hoe Efasy (Antefasy )dia nandeha tany Ejypta, dia tonga teto Magadasikara

(l)Hoy indray ny namantsika avy ao Andrefana sy Atsimon'i Madagasikara: ny atao hoe Maroseranana dia ireo Afrikana tonga teto Madagasikara t@ taonjato faha 17, ary maro ny seranana niantsonany

:!:Hoy indray ny namantsika iray: israeliana ny fihavian'ny malagasy

(l)Fehiny: na aivy aiza na avy aiza ny fihaviantsika, dia nisy fifandraisana be dia be teto @ Nosintsika, koa na marina ilany azy ny hoe misy mahasamihafa azy ny mponina avy @ foko isankarazany dia efa nisy "firaisana" be dia be tsy ahafahana milaza hoe izaho dia afrikana rano iray!

(l)Fehiny faharoa: Ny fihavanana no mahaMalagasy antsika

(l)Fehiny fahaefatra: tsy misy afa-tsy firenena iray erantany ankoatra antsika manana ny atao hoe Fokontany, ka raha atao salanisa dia mponina, dia arivo isaky ny fokontany iray.
Raha atao tsotsotra hoe 17.000 ny isan'ny fokontany koa 17.000.000 ny Malagasy.

Aza fady Zalahy raha lava ny vaovao tapatapany fa dia misaotra ny nandray tao antokantrano.
19. anare ( 17/11/2006 11:11)
Gasy iany hoa zahay malagasy. Ataovy @ le hira hoa vary aiany ny anay malagasy. Za aloha dia malagasy e. Za tsy afrikana tsy aziatika tsy arabo tsy eropeana e. Malagasy aho, ny tantara dia tsara tokoa fantatra ary ianarana. Fa na izany aza dia tadidio fa malagasy tsika na gasy na malgache ze tinareo reetra fa dia malagasy tsika e. Za aloha ny fitadiavana fahalalana no nandaozako any Dago fa de za miady varotra mintsy fa malagasy e. Aty ivelany aty no tena ahatsapanao fa malagasy enao. Efa latsaka any @ tsinaimaintitsika any ny maha gasy antsika. KOseo ane ra afaka mintsy e, miseo eny foana hoe gasy iny e ! sa ahoan.
20. Tsingatsa ( 20/11/2006 13:27)
:D
Ekena Anare! vary ihany ny antsika Malagasy!
:!:Izaho aloha dia vary gasy mena lava miaraka @ kitoza hena aomby matavy atono no sakafo maraina tena tiako.
:arrow:Marina ve fa any Camargues dia mahavokatra vary mena lava avy aty Dago?
Sao dia lasa any ny tahiry na ambioka (semences) voafantina nefa isika toa tsy manana firy intsony @ izany?
Misaotra mialoha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6518