Lahinirin'ny sasany:misy afera maimbo

1. lagoon ( 10/11/2006 11:08)
Mety efa nisy nahita ity post ity,kanefa dia haveriko eto satria mety hisy Saina M%ichel higadra atsy ho atsy.
-------------------
Par: besaraka
Date: 10 novembre 2006 - 12:11


TARATASY MISOKATRA HO AN’NY KANDIDA LAHINIRIKO JEAN

Ravoravo izay KML Toamasina raha nahafantatra fa tonga teto Toamasina ianao nanomboka tamin’ny alatsinainy 6 novambra 2006 .Niandry izay mety ho fivoriana notarihanao izahay kanefa dia tsy hita izany hatramin’izao fa saika lasa olom-baovao naman’i Saina Michel – Talen’ny fampielezan-kevitra no nifandray taminao. Izahay no mametraka ny rafitra mazavan’ny KML teto Toamasina ary tena nanao ny ainay tsy ho zavatra mihitsy. Tsapanay fa tratry ny tsipaka ambava-fo izahay ankehitriny ka manao antso avo aminao fa saiky mitranga manerana an’i Madagasikara izao toe-javatra izao, indrindra fa ny KML Antananarivo. Araka ny vaovao voaranay dia saika ireo olona efa namitaka anao tao amin’ny Antenimieram-pirenena no lasa manodidina anao. Nomenao vola 10 000 000 fmg/mois ireo olona ireo nentina nananganana ny ADM ( Association de développement de Madagascar) tany amin’ny faritra maro nandritra ny taona 2005 – 2006. Lasa tany am-paosy avokoa izany vola izany.

Ny KML Antananarivo dia lasa nibahan-toerana ihany koa ireo olona naman’i Guy ( ancien Cuba ) izay hamitaka anao satria fantatrao tsara fa io olona no nahazo ny asa rehetra ( marchés ) tao amin’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny fotoana naha Filoha anao tao ka manantena izy ireo fa hangoron-karena indray amin’izao fampielezan-kevitra izao miaraka amin’i RADANOARA ( ancien ministre ).

Ny ho avy tsy ho ela no hanamarina fa tsy hisy vola tonga any amin’ny « base » mandritra ny fampielezan-kevitra fa lasan’ireo voaibe tarihan’i Saina Michel sy Marcel Andriantsitohaina ary ireo miaramila fiandry (réserviste) avokoa. Izany zava-nisy tany KML Avaradrano izany dia teny nampitsangam-bola mihitsy. Vola an-tapitrisany maro ny nentina nanomanana fihaonana tany Avaradrano kanefa dia nampitsanga-menatra mihitsy ny zava-nisy satria raha nisy dia vola eo amin’ny 3 000 0000 fmg fotsiny no lanin’izy ireo tamin’izany fa dia nifampizarana ny vola sisa.

Ny manodidina azy hatrany no nanimba ireo mpitondra nifanesy teto amin’ny tany sy ny fanjakana ka hatsipy ny teny ho an’ny manam-panahy.
Tena nampitolagaga mantsy ny fanazavana nentin’ireo Naman’i Herman TSIVAHINY teto Toamasina omaly fa : « Tonga tamin’ny sambo ireo vahiny iranianina nitondra vola 11 millions de dollars ary tafiditra soamatsara izany rehefa nisy ny fanelanelanana nataon’i Saina Michel tamin’ny Tale Jeneralin’ny seranan-tsambo sy ao amin’ny faditseranana. Ho tonga ny hélicoptères miisa telo ary fiaramanidina roa. »

Havanana amin’ny fanelanelana toy izany io olona io satria aza adino fa izy ihany no nampiditra an’i Pierrot Jocelyn Rajaonarivelo tamin’ilay resaka 500 millions de dollars ary isany nanao sonia izany izy ao amin’ilay taratasy niarahan’izy ireo tamin’ny Barclays bank (Londres) nasehon’ny Minisitra Radavidison Andriamparany tamin’ny mpanao gazety teo amin’ny birao fiasany teny Antaninarenina.

Tena voafitaka ianao Andriamatoa LAHINIRIKO Jean ary tena ho diso fanantenana tanteraka fa mitandrema ary ho lasa banky ny foiben’ny KML any Antananarivo hiveloman’ny olona vitsy an’isa. Izao tontolo izao no manara-maso izao « transaction » goavana izao.

LEMORA Jean Marcel
KML TOAMASINA
novalian'i ronaldo09 ny 14/11/2006 10:04
2. ronaldo09 ( 10/11/2006 13:10)
Inona koa ary ity tonga dia manatsira anaran'olona ity ,izahay ange teto tsy nanova ny anaran-Dravalomanana e!Fantstra fa tena fanat ndRavalo mihitsy nareo .Tsy hitako izay afera maimbo resahan-drangahy eto fa fampitandremana no misy ary ireo zavatra voalazan'ny mpanoratra ireo moa dia mino ianao fa marina ary raha marina aiza ny porofo ?
Mbola tsy fotoanan'ny fampielezan-kevitra izao e!Ary inona moa no atahoranareo ny HEROS-nay?Lazainareo fa mahavita ny anareo nefa ny anay noharatsina aza mikorapaka fa 3 desambbra ny gasy rehetra no hitsara
3. rabaradaka ( 10/11/2006 13:23)
Tsara ny namoahana an'io lahatsoratra io ary sambany aho mba namaky hatramin'ny farany na dia lava aza. Mivadia manohana an-dRavalo fa hanimba ny ho avinareo ange io mitsoaka an-daharana io ry zalahy e. dadatoa ronaldo09 ianao mihitsy no taomiko handrotsaka ny vato ho an-dRavalo dia ho hitanao fa hilamina isika
4. lagoon ( 10/11/2006 13:30)
ronaldo09:

Inona koa ary ity tonga dia manatsira anaran'olona ity ,izahay ange teto tsy nanova ny anaran-Dravalomanana e!Fantstra fa tena fanat ndRavalo mihitsy nareo .Tsy hitako izay afera maimbo resahan-drangahy eto fa fampitandremana no misy ary ireo zavatra voalazan'ny mpanoratra ireo moa dia mino ianao fa marina ary raha marina aiza ny porofo ?
Mbola tsy fotoanan'ny fampielezan-kevitra izao e!Ary inona moa no atahoranareo ny HEROS-nay?Lazainareo fa mahavita ny anareo nefa ny anay noharatsina aza mikorapaka fa 3 desambbra ny gasy rehetra no hitsara


Tsy izaho velively mihintsy no Mr LEMORA ry leiry e.
Mamerina ny resaka nataony fontsiny aho,ka rehefa tsy faly ianao dia :-@
Sa anisan'ireo mitady hi-doubler an'i LahinIranien iny koa ianao?Dia mody tezitra sy choqué be eo,nefa miaksy ratsy koa???:b


5. kitjo ( 10/11/2006 13:31)
ronaldo> mampalahelo ise!

sao d simba amzany Brazil!
6. Rainikarabo ( 10/11/2006 14:11)
vola sy helico avy any Iran? ay ay ay :^)
7. fijo ( 10/11/2006 21:01)
avelao kosa aloha hitranga ny zavatra voalaza vao mitsara isika e.ita aloha izay ity resaka ity.jerena raha mitombona avy eo.raha tonga tokoa ny angidim by sy ny roplanina,dia manamarina izany fa nisy marina io zavatra voambara io,ka mila manadiady ny tomponandraikitra
8. Lejim ( 10/11/2006 21:55)
lagoon> Tsy manohana an'iza na iza aho fa ilay fomba fitenenan'la mihitsy no tsy misy fifanajana! Inona ny tombontsoan'la manaratsy olona eto!
Ary marina ny raha tenenin'i Ronaldo99 hoe tsy misy resaka afera maimbo izany eo. Ry Saina Michel izany no manao afera maimbo raha azoko tsara fa tsy i Lahiniriko. Sady tsy misy resaka afera maimbo io lahatsoratra io nefa ny titre omenao azy afera maimbo. Tsy mahita titre mety mba mahafehy kokoa ny zavatra taterinao ve enao ankoatra io?!
9. fijo ( 10/11/2006 22:14)
le afera maimbo ato ngamba de le hoe ny vola voahodin'ny sasany.fa io aferan'ny samy izy ao,fa tsy idiran'ny hafa.samy mitady tombon,y ao,de mibaradaka ny tsy nahazo.izay no fahitako azy
10. Hubert ( 11/11/2006 07:06)
raha tena dinihina aloha dia misy afera ratsy be ao, satria misy fitaka izay efa nahavoa ol hafa teo aloha no mbola harahin'sasany aty aoriana; raha azoko tsara.
de ho maimbo ao marina izay zatra manao lalandririnina koh:lol:
azy ny azy hoy fijo.
11. kitjo ( 11/11/2006 09:37)
mbola aiza re e!

ny hita aloha hatramzao eo anivon'ny mpanohitra d ry zareo samy ry zareo aza tsy mahay mifanaraka!
nefa vao olom-bitsy sy mbola eo am-pakana fo ny vahoaka dia efa miseho daolo ny olana

ka mbola aiza re izany e!
12. lagoon ( 11/11/2006 11:08)
Lejim:

lagoon> Tsy manohana an'iza na iza aho fa ilay fomba fitenenan'la mihitsy no tsy misy fifanajana! Inona ny tombontsoan'la manaratsy olona eto!
Ary marina ny raha tenenin'i Ronaldo99 hoe tsy misy resaka afera maimbo izany eo. Ry Saina Michel izany no manao afera maimbo raha azoko tsara fa tsy i Lahiniriko. Sady tsy misy resaka afera maimbo io lahatsoratra io nefa ny titre omenao azy afera maimbo. Tsy mahita titre mety mba mahafehy kokoa ny zavatra taterinao ve enao ankoatra io?!




Tsy misy tombontsoako manaratsy olona leity eto a.Mitatitra ny zavatra hitako fontsiny aho.
Ndana manorotra any @ Mr LEMORA.
Io titre afera maimbo io no tiako,satria nahoana i Saina Michel sady nihinana t@ Pierrot no mihinana miaraka @ LahinIranien,izany hoe "opportuniste" iny bandy iny mitady seza fontsiny.Ary vonona hamadika an'i LAhinIranien raha toa ka misy manome vola bebe kokoa.
Io resaka Iran io koa dia mbola zavatra hafa.

13. xxx ( 12/11/2006 10:35)
RAHA MISY NY FATIANTOKA DE NY IRANIAN NO MIANTOKA <
14. lagoon ( 12/11/2006 12:25)
Tandremo mitomany indray ny sasany ary e!!
Ary tsy IZAHO no nanoratra io lahan-tsoratra io.

http://www.aody.mg/politique.php?id=634
15. kitjo ( 12/11/2006 19:54)
hahaha

mampalahelo kosa Ratsirahonana le oe "ancien president par hasard" hahahaa

za manokana aloha tsy hoe tsy tia anRatsirahonana fa Ravalo foana no favori..zay fts e!
16. ronaldo09 ( 14/11/2006 10:04)
Fa iza moa ity Lemora lazain'la ry lagoon ?Ary inona ny porofo fa misy io ary taiza no nahazoan-dRangahy io vaovao io ,ary iza moa no mahalala fa nareo ihany no nanoratra an'io dia nitady anarana foromporonina eto?Mpianatra lalana aho ary tsy manaiky ny zavatra lazaina fotsiny hoatry zao fa porofo no ilaiko ary porofo mivaingana .Tsotra Mandainga ianao fa tsy marina io !:evil::evil::evil::evil::evil::evil::evil::evil::evil:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0455