tsy aradalana hono ny fifidianana 3 dec

1. besoiiin ( 08/11/2006 15:12)
Dia gaga aho raha namaky gazety fa:

nampiantso ny mpamatsy vola ny kandidà 12 akoatra ny hasina sy ra8 ka nilaza fa tokony ahemotra ny fifidianana @ 03 dec satria tsy araka ny lalampanorenana ary tsy tomombana ny fikarakarana...
raha tsy izany dia tsy heken'ny rehetra ilay vokampifidianana ka hisy ny korontana...

tsy aradalana ko maninona ry zalahy no mbola nisoratra anarana nirotsaka?

toa zary zazakely ry zalahy ka tsy mahalala ny tokony ataony intsony, mivoraka e! tsy hita intsony izay argument hentina handrombahana ny fitondrana ka lasa manitantsaina, tsy mba fisainana tsara anefa fa mirona any @ ratsy
novalian'i kitjo ny 11/11/2006 17:47
2. Samoana ( 08/11/2006 16:12)

hoy besoiiin:
raha tsy izany dia tsy heken'ny rehetra ilay vokampifidianana ka hisy ny korontana


Mba tian-drizalahy kely finoana mihintsy io chantage hanisy " korontana " io a ! Rehefa mahatsiaro tena ho bokona rizalà tokony hanampy ny mpibata biriky hampandrosoana ny firenena
3. Fiffi ( 08/11/2006 16:25)
besoiiin:
tsy aradalana ko maninona ry zalahy no mbola nisoratra anarana nirotsaka?
zay indrindra manko !


4. kitjo ( 08/11/2006 17:58)
tsy manana hazon-damosina e!

reny rehefa tonga eo @ fitondrana le mati-kenamaso sy velona @ akamakama satria tsisy fototra ijoroana

aleonay ihany aza lazaina fa manao dictature ravalo
5. ff ( 08/11/2006 18:05)
Purement politika ty an: tsy voasoratra ao anatin'ny lalam-panorenana mintsy oe tsy ara-dalàna io daty. Matoa koa ny fitondrana miziriziry fa atao ny fifidianana,midika izany fa normal ny daty. Sady raha tsy norm ihany koa ne de tokony tsy navoakan'ny HCC io daty io tam volana mai e, ary tany de tokony efa hidradradradra tsy ankiato ry zalahy fa tsy ara-dalàna ny 3 desambra, raha toa ka tsy ara-dalàna marina izany!
6. lagoon ( 08/11/2006 19:06)
Efa ho 4 taona sy tapany izao no nimenomenona sy nivohavoha ny mpanohitra nitady sy nangataka fifidianana.Natao daholo izay fanapotehina rehetra,sabotazy,fampitahorana sns sns mba hisian'io fifidianana io.Na koa hoe:mialà i Ravalomanana nefa mbola tsy tapitra ny mandat.
Kanjo raikitra ity ny fifidianana,dia izao mitomany hoe:hajanony ilay fifidianana.
Fa tena mihevitra ny vahoaka ho inona mihintsy izy ireto e?
Teo nisy 4 taona be izao afaka nanomanana programa kinanjo tapina ny dômy fa nahita fa niasa i Ravalomanana ary maro ireo zava-bita.
Tsy nahavoa ilay déstabilisation sy hetsiketsika rehetra izay natao mba hampikomy ny vahoka sy ny tafika.
Avelao ho hitan'ny havany eo,fa ny vahoaka dia efa mahita tsara fa iza no miasa ary iza no be "WAWAWA"!
Ny mitady governemanta tetezamita tsy mandalo fifidianana no tena tadiavin'ireo.Tsy sahy miatrika fifidianana.
Ka avelao himenomenona eo e!
Efa noresahiko teto ilay ohatra iray ka haveriko.
Ohatran'ireny mijery Coupe du Monde ireny,dia mangataka ny équipe out-sider mba hahemotra ny lalao,na koa hoe tsy asiana goal ny equipe adverse.
7. zakilinina ( 08/11/2006 20:45)
Tohanako zato isan-jato ireo hevitrareo ireo rankizy.
Misaotra
8. bibilax ( 08/11/2006 20:45)
t@ ireo olona ireo nisoratra anarana anie ry zalahy mbola tsy tonga lay androny 03nov e , ka aiza moa no ahafatarany hoe tsy hametrapialana ra8, talohanio anie ny farany fanaterana anilay antota taratasy e , raha ny tokony ho izy anie de mbola @ taona ambony vao misy ny fifidianana e , fa misy adikafetsena ihany ny any fitodrana e, izy anie no nampandrosos anio e ka raha ny tena tokony ho izy de raha atao mialoha ny fifidianana tahakireo de tokony ametrapilana ny olona nitondra teo , mba mamaky ihany oa lalana fa aza de tia mitsikera olona fotsiny , jereo tsara fa ny olona refa izy no lehibe mitondra , dia tsy maintsy mamorona lalana foana , na dia tsy misy ankory aza ilay izy , zay e anjaranareo ny mieritreritra fa aza manao tsikera olona fotsiny fa tsy mety e,
9. zakilinina ( 08/11/2006 20:51)
Tsy azon'i bibilax ny lalàna : raha mametra-pialàna ny filoha vao aroso ny fifidianana. Tsy midika izany fa mametra-pialàna ny filoha raha aroso ny fifidianana. Rehefa fantatry ny vahoaka fa tsy mahavita azy ny filoha dia tsy ho lany fa tsy tokony hatahotra akory ireto mpanohitra ireto. Raha fantatry ny vahoaka fa mpanakorontana sy tsy manana programa akory izy ireo dia ho Ra8 ihany no ho lany fa aza matahotra i bibilax.
10. bibilax ( 08/11/2006 20:56)
izaho tsy maninona na iza no lany eo na iza no, lany eo , fa ny ahy fotsiny ny teneniko de izao mijaly ny olona @ zao fa raha tena tsara de tokony ny PPN rehetra no ahena ny vidiny @ zay mangina daholo ny vavany olona rehetra , @ zao anie ny manana ihany no mianana sy mitafy ao dago ao ; mampalahelo mintsy ny mahita ny olona manao ny tsy fanao , mangalatra ; misoloky , mivarotena , jereo fotsinyt@ za tany dago tany fa ankizy vavy tsy ampoizinao izao eny @ avenue eny a mivarotena , tena tsy lasa e ,mampalahzelo ny gasy @ izao fotoana izao , ny ho anina anio tadiavina omaly sns,,,,,zay ry ZAKLINA A
11. fijo ( 08/11/2006 22:12)
matahotra fifidianan ny mpanao politika sasany,hany ka izao tetezamita izao foana.ny olona efa leo
12. Robert ( 08/11/2006 22:29)
Mbola hoela ny mpanao politika malagasy vao tena homatotra.
Fa naninona raha talohany hilatsaka de efa mivondrona, betsaka kokoa ny chance hanesorana an-dra-8.
Izao vao hitany fa tsy hotafa ry zareo de mitady izao sy izao, indrisy fa efa nisoratra anarana, tsy miverina intsony ny 25 000 000 Ariary.

13. Robert ( 09/11/2006 00:41)
CNE - 3 DéCEMBRE


“Aucune irrégularité jusqu’ici”
Jusqu’à présent, le Cne (Conseil National Electoral) n’a constaté aucune irrégularité de la part des candidats ni de leur comité de soutien. C’est ce qu’a déclaré hier son Président Jean Théodore Randrezason lors d’un point de presse.
Par ailleurs, le Cne a discuté avec les représentants des candidats de la répartition des temps d’antenne gratuits pour chaque candidat dans les stations de radio et de télévision publiques durant la campagne électorale qui débutera dimanche prochain. Ainsi, chaque candidat aura droit à 5 mn de parole avant les journaux parlés ou télévisés.
Recueillis par Ndrasana
http://www.lequotidien.mg/article.php?

art=12458&date=2006-11-08
14. besoiiin ( 09/11/2006 05:58)
ny ahy ilay toetsain'ny ankabeazan'ny mpanohitra no tena tsy tiako, manao politikanjaza fa tsy misy fahamatorana na dia kely aza, efa tsinjony mialoha ny tsy ho fahombiazany @fifidianana dia mamoantsampona isan'andro izao. raha tena nisaina izy dia nanao program tsara ary nanao kandida tokana dia ho moramora kokoa ny hifaninana @ra8, ny heviny teo aloha mantsy dia samy mandeha samy mitady dia avy eo mitambatra rehefa 2em tour,(rehefa vita ny ady varotra @ isan'ny seza sy toerana tokony ho azo raha mandresy):D:D:D (tsy nahomby io paika io t@ 2002 an, nangaina dôly ireo nanatena seza sy tambiny t@reny tolona ireny) :D:D:D
vao maika diso hevitra nefa ry zalahy satria tsy hisy ny 2em tour satria niparitaka ny mpanohitra, ary efa araky ny vahoaka ny fikany,
fehiny, tsy adala akory ny vahoaka ka tsy ahalala ny tokony ataony
15. rabaradaka ( 09/11/2006 11:28)
Zao ry zareo no mahatonga an'io fimenomenoman'ny mpanohitra io ka hanaovany sasa atidoha ny vahoaka : tsy ampy ny fanazavana na ara-teknika na ara-politika ataon'ny Governemanta mikasika ny fifidianana sy ny datin'ny fifidianana. Hazavao tsara ange dia ho hitanareo fa hangina ireo sady amin'izay mazava amin'ny vahoaka
16. Robert ( 09/11/2006 12:53)
Eny ary fa tsy mazava ilay resaka fifidiana.

Raha tena izy de vao heno heo 3 déc ny fifidianana de tokony efa miezaka nanao demarche ry zareo, ohatra hoe manentana ireo mpanohitra (manana sa fahavalo) rehetra tsy hilatsaka. Raha Ra-8 irery no nilatsaka teo de marina fa hitany vahoaka sy ny cominauté internationale hoe tsy mety io. Izao 14 no kandida, manamarina izany fa misy démokrasia eto DAgo. Afaka maneho ny heviny sy afaka milatsaka daholo izay vonona.
Io fanaovana politika ny mpanohitra io de anisany mampahantra antsika malagasy. Miteraka ahiahy hoany investisseur, touriste vahiny...
17. kitjo ( 09/11/2006 16:20)
zay inddra fa ezahina korontanina daholo izay atao eo

fa inona ko anefa no dia ho fiovana be raha ahemotra aza e...manjary simba ny fetin' ny krismasy fa aleo andeha amzao fa tttssss....

hatrizay tsy hita zay atao, sady raha ireo mpanohitra ireo sy ny fimenomenonany no henoina tsy hisy zava-bita mitsy eo

aleo ho hita eo zay fidian' ny vahoaka fa raha tsy manaiky ny 3 Dec ny vahoaka dia tena tsy hisy andeha hifidy tokoa.

lany andro hanakiana eo fa tsy ny propagandy no omanina tsara farafaharatsiny mba mifidy azy ny fianakaviany

laozan' ny omby mihahaka eo ko!
18. fijo ( 09/11/2006 23:29)
de ilasa indray nankeny amin'ny HCC fa hoe hangataka ny tsy ahafahan'i levalo mitondra intsony.
vao eo anefa dia hita sahady ny tsy fanarahana "procedure" satria tsy avy dia eny no tokony alefa fa mangataka ny hevitry ny mpisolovava ny vahoaka aloha,ka raha mahazo ny 3/4 ny ao vao azo atao io fangatahana io.
ka izao izanydia fe atsy hay ny lalana ,ko rahalany eo de akory ndraika hony
19. kitjo ( 10/11/2006 13:51)
ka raha ny hafa dia tsy ara-dalana hitany fa raha izy no manao tsy maninona!
20. besoiiin ( 10/11/2006 18:55)
fetyb marina ato ho ato an, proclamation 1/4 de tour de vita , d krismasy, mbola miampy farantaona... milay zany ka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0599