nodimandry omaly hariva ny renin 'i avylavitra

1. ravatorano ( 08/11/2006 06:09)
Amin'ny alahelo lehibe no ampandrenesina antsika namana fa namoy ny reniny ny namana avylavitra omaly hariva :cry::cry::cry:.Hisy fitsapana alahelo sy famangiana izay hataon'ny namana serasera rahampitso hariva ka eo amin ny ex cinéma SOA na luxor amizao fotoana izao no fotoana rahampitso hariva amin ny enina (18 h ).Manainga antsika rehetra izay afaka ary tsy omena tsiny kosa ny tsy tonga nohon ny antony maro samihafa.

ravatorano
novalian'i watafon ny 16/11/2006 19:29
2. ari.malala ( 08/11/2006 06:14)
Mirary fiononana feno hoan'i avylavitra ny tenako ary miala tsiny be dia be fa tsy hoafaka satria ny zanako tsy tsaratsara!
3. fasaly ( 08/11/2006 06:33)
Mirary ifhononana feno ho an'i avylavitra ihany koa ny tenako, mahereza....:-*
4. Fiffi ( 08/11/2006 06:36)
Miara-ory @ namana avylavitra . Mirary fiononana , mahereza hatrany .
5. prime ( 08/11/2006 06:51)
Dia mirary faherezana ho an'i avylavitra... Andriamanitra anie homba anao sy ny fianakavianao, hamafa ny ranomaso ary hampionona ny fo malahelo rehetra...

Ho tanteraka aminao sy ny ankohonana anie ny tsodranon'Andriamanitra manao hoe :
"Ilaozy ny zanakao ho kamboty, fa Izaho no hamelona azy..." Jeremia 49:11
6. watafon ( 08/11/2006 07:17)
D mirary fiononana feno ho an'ny fianakavian'i avylavitra e!
ravato: d efa miala tsiny sahady fa tsy afaka fa efa hainareo ihany e! d mahavità soa ny adidy e!
7. diamondra27 ( 08/11/2006 07:25)
avylavitra: tonga midodododo aty aminao izahay @ alalan'ity rohy ity fa aty lavitra aty, tonga mba hiombona sy hitsapa alahelo anao.
Mahereza rahavako.

romana12:15 miaraha mifaly @izay mifaly ary miaraha mitomany @izay mitomany

Mivavaha mba tsy ho kivy @izao zavatra manjo anao izao.
Dia aza misalasala ny miresaka @ namana raha tsy zakanao ilay deuil.
Aza tazomina ny ranomaso fa avelao izy handeha.

:-*

8. naritsimba ( 08/11/2006 08:10)
Dia mirary fiononana feno ho an'ny avylavitra sy ny fianakaviana rehetra, Andriamanitra anie hanome fankaherezana ho anareo indrindra i avylavitra.

Miala tsiny raha tsy ho afaka mamangy fa andeha hamita iraka any @ faritanin'ny Mahajanga ny tenako rahampitso .
9. hery ( 08/11/2006 08:37)

Misaotra anareo izay mitondra ny hafatry ny namana serasera any amin'i avylavitra ihany koa. Mba ampitao any ny fampiononana avy aty aminay tsy afaka tonga any.

Misaotra
10. Simpona ( 08/11/2006 08:51)
Mankahery an'i avylavitra ary mirary fiononana hoa anao sy ny fianakaviana rehatra.
Dia misaotra ireo namana misolo tena anay tsy afaka tonaga any. :-*:-*:-*
11. fiaritiana ( 08/11/2006 09:04)
Mirary fiononana ho an i avylavitra ny tenako sy ny namana rehetra eto @ serasera.
Mahereza fa zay no anjara tsy maintsy diavina
12. ravatorano ( 08/11/2006 09:34)
araky ny fandaminana farany izany sy ny fangatahan ireo namana maro dia ahemotra amin'ny 18h30 ny fotoana eo amin ny ex cinéma SOA ihany.

Misaotra !
13. betty ( 08/11/2006 09:46)
Mirary fihononana ho an'i avylavitra sy ny fianakaviany ny tenako, mahereza....
14. miantsa2 ( 08/11/2006 09:56)
de mirary fihononana feno ho an'i avylavitra sy ny fianakaviana manontolo aho nohon'ny antony ara-kasa de miala-tsiny ny tenako fa tsy ho afaka . koa ilay ANDRIAMANITRY NY FIHONONANA anie ampihonona anareo dia mahereza !
15. bonazy ( 08/11/2006 11:19)
Dia mirary fionona feno ho an'i avylavitra sy ny fianakaviany ny tenako,ary mba ampitanareo namana
any ny fampiononana avy aminay lavitra,
16. ninih ( 08/11/2006 11:40)
Miaraka ory aminao avylavitra a! ary mitondra ko ny fampiononana feno. de mitraka foana @ fiainana.
17. Darlin ( 08/11/2006 11:49)
NA dia tsy dia mifanerasera loatra @ i avylavitra aza ny tenako dia mirary fiononana feno azy sy ny fianakaviana ny tenako. Namana aho matoa mametraka hafatra eto.
Dia mahereza fa lalàna andalovan'ny tsirairay io. Anajary no lasa ka tsy afaka ny hitazona azy isika.
Izay fa dia mahereza e!:-*
18. andry08 ( 08/11/2006 12:04)
Mamangy amin'ny fahoriana, mampahery ny fianakaviana rehetra.
19. sasa ( 08/11/2006 12:45)
Mirary fihononana feno ho an'i Avylavitra, ary mirary fihononana ihany koa ho an'i fianakaviana manontolo.

Ravatorano za handé hamangy hiaraka aminareo fa andraso za. Merci
20. mimich ( 08/11/2006 13:47)
ho an'i avylavitra
mamangy amin'ny fahoriana. de mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana.

ravatorano> ho avy hamangy koa za
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6138