sakafo hafahafa kanefa tsara!

1. kitjo ( 05/11/2006 11:15)
Ho antsika tia manandrakandra sakafo tsy mahazatra..

Ohatra:
thailandais:
desera: sakamalaho sy vomanga

voasana ary tetehina toy ny mitetika mangahazo ny vomanga, ampangotrahina.
Tetehina fisaka tsara ny sakamalaho dia arotska ao @ilay vomanga efa mangotraka
Mamiana @ siramamy @ zay, atao re ilay masika @ sakamalaho fa atao mamy tsara fts

Tena tsara io rehefa hariva mangatsika
novalian'i melody ny 23/11/2006 18:51
2. kitjo ( 05/11/2006 11:20)
desera sinoa :

tsaramaso mena na lentille:
andrahoina halemy tsara tena potika mihitsy ny tsaramaso mena na lentille , tsiasia...rehefa tena potika lasa puree dia asiana ronono mandry dia aroso mafana..

saonjo, voatavo, vomanga
tetehina oh le manao managahazo koa, avela halemy tsara daholo, ny voatavo no atao farany satria io mora malemy, fa tsy avela potika an!
atao marihidrihitra dia asiana lait de coco sy siramamy,
mety foana na mafana na ampangatsiahina...afaka asiana fruit hafa avy eo toy ny letchis na manga na zay misy...na gelee
3. kitjo ( 05/11/2006 11:28)
Soupe Tom-yam(traditionnel thailandais)

Natao ho an' ny olona mahatanty masiaka ihany ity fa ratsy raha tsy masika...natao ho an' ny mpanao regime koa satria nutritif nefa tsisy menaka mihitsy

- Mampangotraka rano
- tetehina ny voatabia, oignon, sakamalaho (atao vaventivent tsy ho potika be) dia arotsaka anatin' le rano mangotraka
- Asiana vodina veromanitra 2 na 3, io no tena base @ soupe zareo io veromanitra io fa any amintsika moa dithe fts ampiasaina azy, ary tsy ao mitsy le gout ra tsisy veromanitra.
- arotsaka daholo izay fruit de mer tinao (crevette, calmar, nofona trondro) kelikely daholo fts ireo
- asiana sakay be izay masiaka araka izay faran' ny zakanao
- asiana ranona voasary makirana na vinaigre zay tokony mamparikivy azy...ilay masika sy marikivy mitsy no maha Tom yam azy!

d izay...tsy asiana menaka mihitsy!misy sauce Tom Yam azo vidiana @ mpivarotra fa masiaka be tsy zaka fa io no tsotra azo karakaraina ao antrano.
4. kitjo ( 05/11/2006 11:30)
aza adino ny sira na raha misy dia sauce soja sy sauce poisson no atao solona sira...20mn io dia vita farafahabetsany!
5. vale ( 05/11/2006 12:23)
mmmmmmmmmmmmm, saotra betsaka aky Kitjo a, miala @ efa mahazatra indray ity,.. tena tsara!=D saotra!:wink::wink:
6. kitjo ( 05/11/2006 12:41)
tsita ange akia fa aty dia mihinana ny tsy fihinana foana e ..hihihihi

saingy ny ahy kosa aloha ny mahafinaritra ahy eto dia interdit ny 'alika" sady tsy possible aty satria lafo be ny alika.

io ihany no atahorako fa ny sisan' izay efa nohaniko ny ankamaroany (bibilava, voay, fanihy, ...)

aty ange na bozaka aza dia atao jus e, tsara be koa atao dithe fa mampatory be sady fanafody cholesterol sy aty...saingy ny karazany dia irony bozaka maintso lava b irony fa misy toerana fambola azy io manokana aty

7. vale ( 05/11/2006 16:06)
kitjo::-D:-D:-D

tsara aky le mba misy re7 hafa fa de sakafo eropeana foana no betsaka de mba miova, manala routine:wink:
8. kitjo ( 05/11/2006 16:16)
Singapore Chisken rice(my favorite)

- ny vary:
ron' akoho no andrahoana ny vary...asiana puree-na tongolo gasy sy sakamalaho kely..ohatra mahandro vary tsotra ihany fa au lieu de rano dia ron'akoho

- ny laoka
ity aloha angamba dia tsy maintsy poulet de chair e,
Andrahoina a la vapeur ilay akoho vatany be iny, esorina ny lohany sy tongony...
na andrahoina mivaingana fts ampangotrahina @ rano, afaka atao ao ilay lohany sy tongony teo dia ampiana jumbo na reny sauce reny na "chicken stock" le @ boite reny hanome tsiro azy

- ny side dish hafa
azafady fa tsy haiko milaza azy...
anana (tissam ohatra), sauter-na kely @ sauce soja fts

- sakay: aty tena misy sakay oh chili sauce reny hoe Chicken Rice chihli sauce fa ny fanaovana azy dia puree tongolo gasy + sakamalaho + poivre kely + sakay sauce +vinaigre

tsara be io ary mahasalama satria tsy matavy, esory ny hoditr' ilay akoho

ilay akoho moa izay tiana andrahoina azy araka izay itiavana azy na endasina aza fa io fts ny original.

Ilay vary no hafakely fts! misy ny sasany asiany lait de coco kely
9. kitjo ( 05/11/2006 16:25)
Rojak
sakafo sinoa izy ity fa d'origine malaisienne plutot!

-Voankazo izay tiana, marikivikivy no tena tsara:
mananasy - paoma - voaloboka vaventy didiana 2 ...
Tetehina araka izay itiavana azy ireo, afaka ampiana

- mofo
misy fanaovana azy aty fa afaka oe mofo dipaina fts dia somary griller-na kely na endasina kely

- legume kely narotsaka anaty rano mangotraka fts (oh le lazain' i fiffi atsy ambadika atsy fa atao mitovy tetika @ ilay voankazo

- ny sauce
menaka kely no ampiasaina anendasana Oignon sy ail..rarahana totom-boanjo avy eo...asiana sauce chili...atao marihitra tsara..asiana rano kely raha maina be, aza adino ny sira

rarahana ranom-boasary makirana ireo voankazo sy legume ary afangaro @ilay mofo...tokony maina tsara

Ny original dia ataony eo ambony ilay sauce fa matetika masiaka ka aroboka kely anatin' ilay sauce fts ilay izy dia hohanina

Sakafo tena tian' ny gasy izay mandalo aty io fa saingy hoe tsy mahazatra fts ilay voankazo hanina @ zavatra masiaka, indrindra oe sauce.

mora atao kely, gouter ohatra, fa ny fanazavako fts no lava!
10. Fiffi ( 05/11/2006 17:40)
kitjo: misaotra akia fa tena misy safidianana tsara an! :):-*:-*=D=D=D=D
11. cutie ( 05/11/2006 17:46)
saonjo, voatavo, vomanga
tetehina oh le manao managahazo koa, avela halemy tsara daholo, ny voatavo no atao farany satria io mora malemy, fa tsy avela potika an!
atao marihidrihitra dia asiana lait de coco sy siramamy,
mety foana na mafana na ampangatsiahina...afaka asiana fruit hafa avy eo toy ny letchis na manga na zay misy...na gelee

le saonjo sy vomanga no efa nataoko fa :miam::miam::miam::miam:
12. Fiffi ( 05/11/2006 18:24)
:miam::miam:
13. kitjo ( 05/11/2006 18:28)
cutie. tsy azo hanina bedabe io fa heverin ol terroriste eo ndry...:-D
14. unjila ( 05/11/2006 19:02)
slt mba te hanao mofobolina re za de tsi tadidiko tsony ler7
15. kitjo ( 05/11/2006 19:09)
coucou unjila> nanokafako sujet vaovao ao njy fa jereo zay valin'ny ankizy ao
16. mihanta ( 05/11/2006 19:19)
ny vary:
ron' akoho no andrahoana ny vary...asiana puree-na tongolo gasy sy sakamalaho kely..ohatra mahandro vary tsotra ihany fa au lieu de rano dia ron'akoho


Efa miresaka vary ihany akia indry ry kitjo,sao dia mba manana recette fanaovana "tsaoka" na "soupe au riz".
dia misaotra mialoha
17. cutie ( 05/11/2006 21:06)
Mpandefa : kitjo [ Valio ] 05-11-2006 19:28:34
Lohateny : Re : sakafo hafahafa kanefa tsara!
cutie. tsy azo hanina bedabe io fa heverin ol terroriste eo ndry...

tsy azoko :roll::roll::roll:
tany Dago za de efa nahay an'reo ka :lol::lol::lol:
18. kitjo ( 06/11/2006 16:02)
cutie> mampisy rivotsa akia an...hiihhi...lazain ol mandefa bomba eo :P

mihanta> aty misy vary special fanaovana tsock tena le maletaka be reny fa inoako fa na vary tsotra aza dia mety

refa masaka sy malemy tsara fts d asiana ron'akoho dia izay fangarony tinao atao:
-boulette (poisson na hena)
- atody
- crevette
- zava-maitso
- na tokokena, na potika hen'akoho- filet de poisson
- sira-poivre-sauce soja
- aza adino le mofo kely endasina atao eo amboniny iny..ihhiihh

le fangarony aloha ra ohatra anah tsy dia misy recette lotra fa ze mahafalifaly ny foko e

ilay vary ndray dia mohafina atao vary soa ary tena avela malemy be mitsy

misy rice cooker sasany tena misy option oe 'portidge" mitsy, tsy haiko ny @ teny frantsay
19. Fiffi ( 06/11/2006 17:54)
:-D:-D:-D sady somary mandreraka hiany rehefa mandefa bomba lava ireny an! :-D:-D:-D
20. mihanta ( 06/11/2006 18:28)
kitjo merci akia,ary neveriko fa mixer-na mintsy anie ilay vary refa malemy.
fa mbola misy recette mazika mintsy ao anatin'ilay izy,ilay ohatran'ny mampaditidity azy iny.:-*:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3532